Alakamisy 12 aprily 2029

Alakamisy Faharoa amin'ny Paka
Loko: Fotsy

Fanombohana ny Sorona Masina

Herinandro faha-2 — Fankalazana ny Paka

Tononkira fidirana Salamo 67, 8-9. 20

Andriamanitra ô, fony Ianao nanainga nitarika ny vahoakanao ka namboatra ny lalan-kodiaviny ary tsy nisaraka taminy, dia nihovitra ny tany, niempo ny Lanitra. Aleloia!

Fangatahana

Mba rotsahy fahasoavana izahay, ry Andriamanitra be indrafo, ka enga anie ny fankalazana ny Paka isan-taona hahazoanay voka-tsoa mandrakariva.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Asa 5, 27-33

Boky mitantara ny Asan'ny Apôstôly

« Ary izahay sy ny Fanahy Masina no vavolombelon'izany zavatra izany. »

Tamin'izany andro izany, nentin'ny lehiben'ny mpiambina ny tempoly sy ny namany ny Apôstôly, ka napetrany tao amin'ny Sanedrina, sy nadinin'ny lehiben'ny mpisorona hoe: “Efa noraranay mafy ianareo mba tsy hampianatra amin'izany anarana izany, kanjo vao mainka naelinareo eran'i Jerosalema ny fampianaranareo, ary izahay indray no tadiavinareo hianjeran'ny ran'iny Lehilahy iny.” Fa namaly i Piera sy ny Apôstôly ka nanao hoe: “Aleo manaiky an'Andriamanitra toy izay ny olombelona. Natsangan'ny Andriamanitry ny razantsika ho velona i Jesoa, izay novonoinareo nahantona tamin'ny hazo. Izy nasandratry ny tanana ankavanan'Andriamanitra ho Mpifehy sy Mpamonjy, mba hanome fibebahana sy famelen-keloka an'i Israely. Ary izahay sy ny Fanahy Masina nomen'Andriamanitra an'izay rehetra manaiky Azy no vavolombelon'izany zavatra izany.” Nisafoaka izay tsy izy ry zareo tamin'ny fandrenesana izany ka nifanara-kevitra izy fa hamono azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 33, 2 sy 9. 17-18. 19-20
Fiv.: Itý ory: velona antso, ka novalian'ny Tompo.

Izaho misaotra ny Tompo amin'ny fotoan-drehetra, eo am-bavako lalandava ny fiderana Azy. Ankafizo sy anarano fo fa mamy ny Tompo: sambatra ny olona mifefy aminy.
Ny tavan'ny Tompo amin'ny mpanao ratsy, mba hahavery tadidy azy eto an-tany. Ny olo-marina vao miantso dia henon'ny Tompo: ny ahiahiny rehetra esoriny aminy.
Ny Tompo eo anilan'ny torotoro fo, sy mamonjy ny rera-tsaina. Na maro fahoriana aza ny olo-marina, dia afahan'ny Tompo amin'izy rehetra.

Aleloia. Aleloia.
Nitsangan-ko velona i Kristy Ilay nahary ny zavatra rehetra ary niantra ny zanak'olombelona.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Joany

Jo. 3, 31-36
« Ny Ray tia ny Zanaka, ka napetrany teo am-pelatanany ny zavatra rehetra. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa nanao tamin'i Nikôdema hoe: “Izay avy any ambony no ambonin'ny olona rehetra; fa izay avy amin'ny tany dia tany, ka ny etý an-tany ihany no lazainy. Izay avy any an-danitra no ambonin'ny olona rehetra; ary izay efa hitany sy reny no ambarany, nefa tsy misy mandray ny fanambaràny. Izay nandray ny fanambaràny dia nanisy tombo-kase fa marina Andriamanitra. Satria izay nirahin'Andriamanitra dia milaza ny tenin'Andriamanitra fa tsy misy fetrany no fanomen'Andriamanitra ny Fanahy. Ny Ray tia ny Zanaka, ka napetrany eo am-pelatanany ny zavatra rehetra. Izay mino ny Zanaka no manana ny fiainana mandrakizay, fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita ny fiainana fa itoeran'ny hatezeran'Andriamanitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Ny vavakay anie, ry Tompo, hisondrotra any aminao miaraka amin'ny Sorona atolotray; ary efa sitrakao nodiovina izahay, ka enga anie ho mendrika ny Sakramenta mirakitra ny fitiavanao.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.

Prefasy Prefasy: Paka
Kômonio Mt. 28, 20

Indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny faran'izao tontolo izao. Aleloia!

Vavaka aorian’ny Kômonio

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, ny fitsanganan'i Kristy no anarenanao anay ho velona mandrakizay; ka mba ampitomboy ao aminay ny vokatry ny Sakramentan'ny Paka, ary hamafiso ao am-ponay ny herin'ny mofo mahavelona.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.