Ranombavaky ny mpino manetriketrika
Ny Ranombavaka ho an'ny Olombelona rehetra no amaranana ny Fankalazana ny Tenin'Andriamanitra; ka atao toy izao: mijoro eo amin'ny toerany ny Pretra na mankeny amin'ny fitorian-teny na eo amin'ny ôtely raha hita fa mety kokoa. Manakamban-tanana izy mamaky ny fiangaviana hivavaka, milaza izay angataham-pivavahana. Dia samy mivavaka mangina kelikely ny olona rehetra. Avy eo ny Pretra mamelatra tanana, manao ny Fangatahana. Mandritra ny Fangatahana rehetra, dia mahazo mandohalika ny mpiangona na mitsangana.
Azon'ny Fivondronan'ny Eveka atao ny manondro “antsa” hoventesin'ny vahoaka isaky ny alohan'ny Fangatahana ataon'ny Pretra, na manapa-kevitra fa hatao ihany ny efa mahazatra hoe “Samia àry mandohalika. Mitsangàna amin'izay”, mandritra ny andohalihana ny mpiangona rehetra mivavaka mangina.
Raha misy zava-dehihe manjo ny vahoaka dia azon'ny Eveka (na ny solony) atao ny manome lalana, na ny manapa-kevitra fa hanaovana Fangatahana manokana.
Izay vavaka rehetra efa ao amin'ny Boky Sorona Masina dia azon'ny Pretra ifidianana, raha mety kokoa amin'ny fotoam-pivavahana; fa arahina ny filaharan'ireo antony ivavahana voalaza eto. (Cf. Inst. gen. Missalis Romani n° 46)
1- Ho an'ny Eglizy Masina
Mivavaha isika, ry kristianina havako malala, ho an'ny Eglizy masin'Andriamanitra: hampiadana azy sy hampiray azy anie Andriamanitra Tompontsika, ka hiaro azy eran'ny tany rehetra, ary isika anie hataony milamina sy miadana hiderantsika Azy Andriamanitra Ray mahefa ny zavatra rehetra.
Miara-mivavaka mangina vao hoy ny Pretra hoe:
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, i Kristy no nirahinao hampibaribary ny voninahitrao amin'ny firenena rehetra; koa tohizo ny asan'ny famindram-ponao mba tsy hiova finoana ny Eglizy efa miely patrana eran'izao tontolo izao, fa hitory ny Anaranao lalandava.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay.
V- Amen.
2 - Ho an'ny Papa
Mivavaha isika ho an'ny Ray aman-drenintsika, ny Papa François, ka Andriamanitra Tompontsika nanandratra azy ho mpisorombe anie hitahy azy soa aman-tsara hitondrany ny Eglizy masina sy hifehezany ny vahoaka masin'Andriamanitra.
Miara-mivavaka mangina, vao hoy ny Pretra hoe:
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, miankina amin'ny fitondranao, izao rehetra izao, ka henoy amim-pitiavana ny fangatahanay: tsinjovy amin'ny indrafonao ilay nofidinao ho mpitondra anay, ary enga anie izahay vahoaka kristianina entiny amin'ny Anaranao, mba ho vontom-pinoana ka hitombo valisoa.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay.
V- Amen.
3 - Ho an'ny ambaratonga rehetra amin'ny mpino
Mivavaha isika ho an'ny Evekantsika R..., ny Eveka rehetra, ny Pretra, ny Diakra sy ny mpanao raharaha masina rehetra ao amin'ny Eglizy ary ny mpino tsy an-kanavaka vahoakan'Andriamanitra.
Miara-mivavaka mangina, vao hoy ny Pretra hoe:
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, ny Fanahinao no manamasina ny Eglizy manontolo sy mitondra azy; koa mba ekeo ny fangatahanay ho an'ireo olona isan-tokony ireo, ary noho ny herin'ny fahasoavanao, dia ampio izy tsy hivadika amin'ny fanompoana Anao.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay.
V - Amen.
4 - Ho an'ireo mpiomana amin'ny Batemy
Mivavaha isika ho an'ireo havantsika miomana hatao Batemy mba hosokafan'Andriamanitra Tompontsika ny sofiny, hotohininy ny fony, ary hamohany ny varavaran'ny famindram-pony izy; ka rehefa nateraka am-panahy izy sady afaka amin'ny fahotany rehetra, dia mba ho tonga rantsam-batan'i Kristy.
Miara-mivavaka mangina, vao hoy ny Pretra hoe:
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, ampitomboinao isa lalandava ny zanaky ny Eglizy hampiroborobo azy; koa ampio ny finoana amam-pahalalan'ireo mpiomana hatao Batemy, ka rehefa nateraka indray amin'ny rano izy ireo, dia mba ho tonga anisan'ireo zanaka natsanganao.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay.
V- Amen.
5 - Mba hiraisan'ny Kristianina
Mivavaha koa isika ho an'ny havantsika rehetra mino an'i Kristy, ka Andriamanitra Tompontsika mahita ny marina ataony anie hampiray azy sy hitahiry azy ao amin'ny Eglizy tokana naoriny.
Miara-mivavaka mangina, vao hoy ny Pretra hoe:
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, Ianao mampiray izay tafasaraka ary mitahiry izay tafaray, koa jereo amin'ny fo tony ny andian'ondrin'ny Zanakao: ary enga anie ireo nohamasinin'ny Batemy tokana mba hatambatry ny finoana iray tsy mivaky sy hampiraisin'ny fehim-pitiavana.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay.
V- Amen.
6- Ho an'ny Jody
Mivavaha koa isika ho an'ny Jody, ka izy voalohany nitenenan'Andriamanitra Tompontsika anie hataony mitombo fitiavana ny Anarany sy mifikitra amin'ny fanekena nataon'Andriamanitra taminy.
Miara-mivavaka mangina, vao hoy ny Pretra hoe:
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, nomenao an'i Abrahama sy ny taranany ny teny fampanantenanao, koa ekeo amin-kamoram-po ny vavaka ataon'ny Eglizinao: ka ilay vahoaka navotanao talohan'ny hafa anie mba hahazo ny fanavotana tonga lafatra.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay.
V- Amen.
7- Ho an'ireo tsy mino an'i Kristy
Mivavaha koa isika ho an'ireo tsy mino an'i Kristy, mba hotsilovin'ny Fanahy Masina izy ka ho anisan'ny tafiditra amin'ny lalana mankamin'ny famonjena.
Miara-mivavaka mangina, vao hoy ny Pretra hoe:
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, ireo tsy mahalala an'i Kristy nefa mandeha amin-kitsim-po mba ataovy mahita ny marina, ary izahay kosa mba ataovy mitombo fifankatiavana sy miezaka hiaina bebe kokoa amin'ny fiainanao, ho vavolombelona manambara tsaratsara kokoa hatrany ny fitiavanao eo amin'izao tontolo izao.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay.
V- Amen.
8 - Ho an'ireo tsy mino an'Andriamanitra
Mivavaha koa isika ho an'ireo tsy mahalala an'Andriamanitra, ka ireo manaraka ny marina amin'ny fo mahitsy anie mba ho tody hatrany amin'Izy Andriamanitra.
Miara-mivavaka mangina, vao hoy ny Pretra hoe:
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, Ianao no nanao ny olombelona rehetra mba haniriany Anao ka hitadiavany Anao; koa mihanta aminao izahay: enga anie eo anivon'ny zava-manahirana mety hisakana, mba ho hitan'ny olona rehetra ny mariky ny fitiavanao sy ny asa soa ahafantarana an'ireo mino Anao, ka hiaikeny fa Ianao irery no tena Andriamanitra ary Rain'ny olombelona rehetra.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay.
V-Amen.
9 - Ho an'ny mpitondra fanjakana
Mivavaha isika ho an'ny mpitondra fanjakana rehetra, mba hotarihin'Andriamanitra Tompontsika ny sainy sy ny fony hanaraka ny sitra-pon'Izy Tompo, ka handry fahalemana sy tsy ho voasembantsembana ny olona rehetra.
Miara-mivavaka mangina, vao hoy ny Pretra hoe:
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, eo am-pelatananao ny fon'ny olombelona sy ny zom-pirenena; koa topazo maso miantra ireo manam-pahefana mitondra anay, mba hijoro hatraiza hatraiza ny fandriam-pahalemana, hilamina ny vahoaka ary tsy ho voahelingelina ny fivavahana.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay.
V- Amen.
10- Ho an'ireo ory sy mijaly
Mivavaha isika, ry kristianina havako malala, amin'Andriamanitra Ray mahefa ny zavatra rehetra, mba hoesoriny amin'ny hevi-diso izao tontolo izao, mba hofoanany ny aretina, hampandosiriny ny mosary, hovohainy ny tranomaizina, hovahany ny gadra, homeny toky ireo any am-pandehanana, hataony tafaverina soa aman-tsara ireo mpivahiny, hositraniny ny marary ary homeny ny famonjena ny ho faty.
Miara-mivavaka mangina, vao hoy ny Pretra hoe:
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, mpanafaka alahelo ny ory Ianao, mpankahery izay mijaly, ka ho tonga hatrany aminao anie ny vavaka fitarainan'ny tra-pahoriana, dia ho faly izy rehetra fa namindranao fo tao anatin'ny fahoriana nahazo azy.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay.
V- Amen.