Alatsinainy 12 febroary 2029
Fanombohana ny Sorona Masina
Aoka Ianao ho Andriamanitra mpiaro ahy sy ho tany fialofana hamonjenao ahy; fa Ianao no vatolampy sy tany mimandako; ary ho voninahitry ny Anaranao, dia tariho lalana aho sy fahano.
Tompo ô, nambaranao mazava fa mitoetra ao amin'ny olo-marina sy mahitsy fo Ianao; koa ataovy marina sy mahitsy fo izahay ho mendrika honenanao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky Jenezy
Ary i Adama nahalala an'i Eva vadiny, ka nanana anaka izy, dia niteraka an'i Kaina, sy nanao hoe: “Efa nampisy olona anankiray aho tamin'ny fanampian'ny Tompo.” Dia niteraka an'i Abela rahalahiny koa izy. I Abela dia mpiandry ondry ary i Kaina dia mpiasa tany. Nony afaka elaela dia nanatitra vokatry ny tany i Kaina ho fanatitra ho an'ny Tompo. Ary i Abela koa mba nanatitra ny voalohan-terak'ondriny, mbamin'ny taviny. Ary ny Tompo nitsinjo an'i Abela sy ny fanatiny, fa tsy nijery an'i Kaina sy ny fanatiny. Dia tezitra mafy tamin'izany i Kaina, ary kivy endrika izy. Ary hoy ny Tompo tamin'i Kaina: “Nahoana no tezitra ianao, ary nahoana no kivy endrika? Raha tsara ny ataonao, tsy hankasitrahana va ianao? Fa raha tsy tsara kosa ny nataonao, moa tsy mamitsaka eo am-baravaranao va ny ota? Mankaminao ny faniriany, fa tsy maintsy maharesy azy kosa ianao.” Hoy i Kaina tamin'i Abela rahalahiny: “Andeha isika ho any an-tsaha.” Ary nony mby tany an-tsaha izy ireo, namely an'i Abela rahalahiny i Kaina ka nahafaty azy. Dia hoy ny Tompo tamin'i Kaina: “Aiza i Abela rahalahinao?” Fa hoy ny navaliny: “Tsy fantatro. Moa mpiambina ny rahalahiko va aho?” Hoy ny Tompo: “Inona no nataonao? fa mitaraina hatratý amiko ny feon'ny ran-drahalahinao avy amin'ny tany. Amin'izao dia voaozon'ny tany ianao, fa nivava izy hitelina ny ran-drahalahinao nalatsaky ny tanananao. Rahefa hiasa ny tany ianao dia tsy hanome vokatra intsony izy, ary ianao ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin'ny tany.” Dia hoy i Kaina tamin'ny Tompo: “Lehibe loatra ny saziko ka tsy zakako efaina. Indro roahinao hiala amin'itý tany itý aho ankehitriny ary ho takona ny tavanao aho, lavitra Anao; ary hanjenjena sy hirenireny, eny ambonin'ny tany aho, ary na iza na iza hahita ahy hamono ahy.” Hoy ny Tompo taminy: “Izao àry: Raha misy hamono an'i Kaina dia valiana faty impito heny i Kaina.” Ary nasian'ny Tompo famantarana tamin'i Kaina mba tsy hisy hamono azy izay mifanena aminy. Ary i Adama nahalala ny vadiny indray ka niteraka lahy iray izy, nataony hoe Seta, fa hoy izy: “Nomen'Andriamanitra ny fara aho ho solon'i Abela izay novonoin'i Kaina.”
Ny Tompo Andriamanitra lehibe manaika ny tany tontolo dia izay iposahan'ny andro ka hatrany amin'izay ilentehany: «Tsy ny fanatitrao no anadidiako anao, na ny sorona doranao izay anoloako lalandava!»
Ahoana ianao no mitanisa ny didiko sy manao ny fanekeko eo am-bava; ianao mpankahala anatra, sy mpanipy ny teniko any ivoho.
Mivalaketraka ianao maneba-drahalahy, sy manoso-potaka ny zana-dreninao! Izany ve no ataonao: ka dia hangina Aho! Sa Izaho heverinao ho toa anao? Aoka horeseko lahatra ianao sy hamborahako azy eto imasonao!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka
Mk. 8, 11-13Tamin'izany andro izany, nanatona an'i Jesoa ny Farisianina, ka niady hevitra taminy sy nangataka famantarana avy any an-danitra taminy, mba hakany fanahy Azy. Dia nisento mafy Izy ka nanao hoe: “Ahoana no itadiavan'itý taranaka itý famantarana? Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy homena famantarana itý taranaka itý.” Dia nilaozany izy ireo ka niondrana an-tsambo kely indray Izy nankeny ampita.
Fankalazana ny Eokaristia
Hanadio anay sy hanavao anay anie, ry Tompo, izao fanatitra izao, ka hampahazo ny valisoa mandrakizay an'izay miezaka manatanteraka ny sitraponao.
Nihinana ireo zanak'i Israely ka voky, nomen'ny Tompo azy izay niriny, ka afa-diana ny fony.
Ampoky ny sakafo mahafa-po avy any an-danitra izahay, ry Tompo, no mihanta aminao; mba ataovy maniry mandrakariva izay hahazoanay ny tena fiainana marina.