Talata 23 janoary 2029

Talata Fahatelo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 95, 1. 6

Iventeso hira vao ny Tompo; ihirao ny Tompo, ry tany tontolo. Fiandrianana sy fahamendrehana no mialoha Azy, hery sy harevaka no amin'ny toerany masina.

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, tantano araka ny sitrakao ny asa ataonay mba ho mendrika hahavita asa soa betsaka izahay amin'ny Anaran'ny Zanakao malalanao, fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin'ny Fanahy Masina amin'ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Heb. 10, 1-10

Taratasy ho an'ny kristianina Hebrio

« Intý aho tonga, hanao ny sitraponao Andriamanitra ô! »

Ry kristianina havana, ny Lalàna moa dia tsy misy afa-tsy aloky ny soa ho avy, fa tsy ny tena endri-javatra, ka ireny sorona tsy niova sy fanatitra isan-taona ireny dia tsy nahalavorariany izay olona nanatona velively akory. Raha tsy izany, tsy ho nitsahatra nanatitra va ny olona? satria efa voadio indray mandeha ny mpanatitra, dia tsy ho nahare intsony hoe nanota izy tamin'ny fieritreretany. Nefa isan-taona dia nahatsiaro ny fahotany ihany ny olona tamin'ireny sorona ireny, satria aiza izay ran-janak'omby sy ran'osilahy no hahafaka ny fahotana? Noho izany indrindra, nony niditra tamin'izao tontolo izao i Kristy dia nanao hoe: “Tsy nilainao ny sorona sy ny fanatitra, fa namboatra vatana ho Ahy Ianao; tsy sitrakao ny sorona dorana sy ny sorona noho ny ota, ka hoy Aho hoe: Intý aho tonga — fa Izaho no voalaza ao amin'ny horonam-boky — hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô!” Voalohany aloha lazainy hoe: Samy tsy nilainao sy tsy sitrakao na ny fanatitra na ny sorona dorana, na ny sorona noho ny ota, — dia zavatra natolotra araka ny Lalàna avokoa ireny; — manaraka izany tohiziny hoe: Intý Aho tonga hanao ny sitraponao; ka manafoana ny voalohany Izy amin'izany mba hanorenany ny faharoa, ary ny herin'izany sitrapo izany no nanamasina antsika, tamin'ny nanoloran'i Jesoa Kristy ny Vatany indray mandeha monja.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 39, 2 sy 4ab. 7-8a. 10. 11.
Fiv.: Intý aho, Tompo, tonga hanao ny sitra-ponao.

Niandry aho ka niandry ny Tompo: ka niondrehany, nohenoiny talaho, ny vavako nasiany hira vao: fiderana ny Andriamanitsika!
Tsy sitrakao ny sorona sy ny fanatitra, nosokafanao manko ny sofiko. Tsia, tsy misy ilainao izay sorona dorana sy fanonerana: ka hoy aho hoe: Intý aho tamy!
Torìko ao am-Piangonam-be ny fahamarinanao. Fantatrao, ry Tompo: tsy akomboko ny molotro.
Tsy afeniko ato anatiko ny fahamarinanao; ambarako ny toetra mahatoky sy famonjenao; tsy takonako amin'ny Fiangonam-be ny hatsaram-po sy fahamarinanao!

Aleloia. Aleloia.
Sambatra ireo mitana ny tenin'Andriamanitra amin'ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin'ny faharetana.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka

Mk. 3, 31-35
« Izay manao ny sitra-pon'Andriamanitra no rahalahiko, anabaviko ary reniko. »

Tamin'izany andro izany, tonga ny renin'i Jesoa sy ny rahalahiny, nijanona teo alatrano, ka naniraka nampiantso Azy. Fa nisy olona maro nanodidina Azy, dia nilazana Izy natao hoe: “Indreo ao alatrano ny reninao sy ny rahalahinao, mitady Anao.” Fa novaliany hoe: “Iza moa no reniko sy rahalahiko?” Dia nijery izay nipetraka nanodidina Azy Izy ka nanao hoe: “Ireo no reniko sy rahalahiko; fa na iza na iza manao ny sitrapon'Andriamanitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Mba raiso ary ankasitraho, ry Tompo, ireto fanatitra ireto hanamasina anay sy hahavonjy anay.

Kômonio Sal. 33, 6

Manatòna ny Tompo, ary itafio ny fahazavany, dia tsy hangaihay intsony ianareo.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary, fa nahazo aim-baovao avy aminao izahay, ka enga anie hifaly mandrakariva amin'ny fanomezanao.