Alahady 24 desambra 2028
Fanombohana ny Sorona Masina
ALAHADY FAHEFATRA — Taona A
HIARA-MONINA AMINTSIKA ANDRIAMANITRA
Arotsahy avy any ambony ny andonao, ry lanitra, ary aoka ny rahona hampidina ny Marina toy ny ranon'orana, ary ny tany hisokatra hipoiran'ny Mpamonjy.
Mihanta aminao izahay, ry Tompo: arotsahy ao am-ponay ny fahasoavanao; ary satria nolazain'ny Anjely ka fantatray, fa tonga nofo i Kristy Zanakao, dia aoka ny nijaliany sy ny nahafatesany, hahamendrika anay hitsangan-ko velona amim-boninahitra.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Izaia Mpaminany
Tamin'izany andro izany, niteny tamin'i Akaza ny Tompo nanao hoe: “Mangataha famantarana amin'ny Tompo Andriamanitrao; mangataha izany, na any amin'ny faravodin'ny Seoly, na any amin'ny havoan'ny lanitra”. Ka hoy i Akaza: “Tsy hangataka aho; tsy haka fanahy ny Tompo aho”. Ka hoy i Izaia: “Mihainoa, ry taranak'i Davida: Mbola tsy ampy anareo va ny mahasasatra ny olombelona, no dia mbola mahasasatra an'Andriamanitra koa ianareo? Noho izany dia Tenan'ny Tompo no hanome famantarana anareo; Indro hanana anaka ny virjiny, ka hiteraka Zazalahy, ary ny Anarany hataony hoe “Emanoela” izany hoe: Andriamanitra eo anivontsika.
An'ny Tompo ny tany sy izay mameno azy, izao tontolo izao sy ny mponina ao aminy: Izy nanorina azy tambony ranomasina, nampitoetra azy tambonin'ny ony. Iza no hiakatra am-bohitry ny Tompo? Zovy no honina amin'ny toerany masina? Dia izay mahitsy fo sy madio tanana, tsy mba mianiana hahavoa namana. Izy no tahin'ny Tompo, vonjen'ilay Andriamanitra Marina, taranaka mitady ny Tavany, mitady ny Andriamanitr'i Jakôba.
Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Rôma
Izaho Paoly mpanompon'i Kristy Jesoa, voaantso ho Apôstôly, sy voatokana hitory ny Evanjelin'Andriamanitra, — izay nampanantenainy rahateo tamin'ny alalan'ny mpaminany ao amin'ny Soratra Masina — dia mamangy anareo rehetra malalan'Andriamanitra any Rôma. Io Evanjely io no misy ny fanambaràn'Andriamanitra momba ny Zanany (izay naterak'i Davida, ho Zanak'Andriamanitra tamin'ny fitsanganany ho velona, araka ny fanahin'ny fahamasinana), dia i Jesoa Kristy Tompontsika, izay nandraisanay ny fahasoavana sy ny maha-Apôstôly anay mba hampanaiky ny Jentily rehetra ny finoana, amin'ny Anarany, ary anisan'ireny koa ianareo; noho ny fiantsoan'i Jesoa Kristy. Ry olo-masina voaantson'Andriamanitra: ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika, sy i Jesoa Kristy Tompo.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 1, 18-24Toy izao no nahaterahan'i Kristy: i Maria Reniny dia efa fofombadin'i Jôsefa; fa raha mbola tsy niray trano izy ireo, dia hita fa nanana anaka avy tamin'ny Fanahy Masina izy. Ary i Jôsefa vadiny, noho izy lehilahy marina sady tsy te hanala baràka azy, dia nikasa hametraka azy mangingina. Nefa raha mbola nieritreritra izany izy, dia indro nisy Anjelin'ny Tompo niseho taminy, tamin'ny nofy ka nanao hoe: “Ry Jôsefa, zanak'i Davida, aza matahotra hampakatra an'i Maria vadinao, fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin'ny Fanahy Masina, ary hiteraka Zazalahy izy, ka ny Anarany hataonao hoe Jesoa, fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin'ny fahotany”.
Ary izany rehetra izany no tonga, dia mba hahatanteraka izay nampilazain'ny Tompo ny mpaminany hoe: “Indro ny Virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy, ary ny Anarany hatao hoe Emanoela, izany hoe: amintsika Andriamanitra”. Ary rehefa nahatsiaro tamin'ny torimaso i Jôsefa, dia nanao araka izay nandidian'ny Anjely azy, ka nampakatra ny vadiny.
Andro vitsy sisa dia ho tonga ny Noely; koa mangataha amin'Andriamanitra mba samy hahazo ny fahazavan'i Kristy ny olona tsirairay, araka izay fomba tian'Izy Tompo.
Tompo ô, ampio izahay amin'ity herinandro ity hahay hanomana ny hahatongavanao, hoatra ny niomanan'i Masina Maria sy i Masindahy Jôsefa, ary enga anie ny vavaka ataony hahamendrika anay handray Anao.
Fankalazana ny Eokaristia
Tompo ô, enga anie ireto fanatitra eto ambonin'ny ôtelinao ireto mba hohamasinin'ny herin'ny Fanahy Masina nanaloka an'i Masina Maria.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
Indro ilay Virjiny fa hitoe-jaza, ka hiteraka Zazalahy ary ny Anarany hatao hoe Emanoela.
Enga anie, ry Tompo, hahazoanay hery ny nahaterahan'ny Zanakao Lahy tokana fa manafaka hanoanana anay amin'ny sakafo avy any an-danitra.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.