Talata 21 novambra 2028

Talata Fahatelo amby telopolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Jer. 29, 11. 12. 14

Ny hevitro, hoy ny Tompo, dia hevitra hampiadana fa tsy hampahory. Hiantso Ahy ianareo ary hihaino anareo Aho: hampodìko avy any amin'ny tany rehetra ny babo aminareo.

Fangatahana

Ho faly manompo Anao mandrakariva anie izahay, ry Tompo Andriamanitra, fa mandrakizay sady feno ny hasambarana omaninao ho anay raha maharitra manompo Anao fototra iavian'ny soa rehetra izahay.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Apôk. 3, 1-6. 14-22

Boky Fanambarana nosoratan'i Md. Joany Apôstôly

« Raha misy mamoha varavarana Ahy, dia hiditra ao aminy Aho, dia hiara-misakafo aminy. »

Izaho, Joany, naheno ny Tompo nilaza tamiko hoe: “Ho an'ny Anjelin'ny Eglizin'i Sarda: Izao no lazain'Ilay manana ny Fanahy fiton'Andriamanitra sy ny kintana fito: Fantatro ny asanao; malaza hoe velona ianao, nefa maty. Miambena ary hamafiso ny sisa efa ho faty. Hitako fa tsy lavorary eo anatrehan'Andriamanitra ny asanao. Koa tsarovy ny fampianarana noraisinao sy nohenoinao, dia tano izany, ka mibebaha. Fa raha tsy miambina ianao, dia ho avy ao aminao toy ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hiaviako ao aminao. Misy olona vitsy tsy nandoto ny fitafiany anefa atý aminao atý Sarda, ka ireo dia hiara-mandeha amiko mitafy lamba fotsy, satria mendrika. Izay handresy dia hampitafiana lamba fotsy toy izany koa; ary tsy hamono ny anarany ao amin'ny bokin'ny fiainana Aho, fa hankalaza ny anarany eo anatrehan'ny Raiko, sy eo anatrehan'ny Anjeliny. Izay manan-tsofina aoka hihaino ny lazain'ny Fanahy amin'ny Eglizy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 14, 2-3ab. 3de-4ab. 5.
Fiv.: Izay handresy, dia hasaiko miara-mipetraka amiko eo amin'ny seza fiandrianako.

Mandresy izay mizotra tsy aman-tsiny sy mitandro ny rariny: milaza izay tena ao am-po, tsy mamela ny lela haniasia.
Tsy manisy ratsy ny namana na manebaka ny miara-monina; ny manao ny olo-meloka ho zavatra, fa manaja izay matahotra ny Tompo.
Tsy mampanàna vola, na mandray kolikoly hahavoa ny madio. Izay manao izany tsy hihontsona mandrakizay.

Aleloia. Aleloia.
Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin'ny fahamarinana izahay.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 19, 1-10
« Hitady sy hamonjy ny very no nahatogavan'ny Zanak'o!ona. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa, rahefa niditra tao Jerikao, dia namaky ny tanàna. Ary indro nisy lehilahy anankiray atao hoe i Zake, lehiben'ny poblikanina sady mpanan-karena, nitady hahita an'i Jesoa mba hahalala Azy, fa tsy afaka noho ny habetsahan'ny olona, satria fohy izy. Koa nihazakazaka nialoha izy, dia nianika amontana anankiray hitazana Azy, fa eo no handalovany. Nony mby teo i Jesoa dia niandrandra ka nahita azy, ary nanao taminy hoe: “Ry Zake, midina haingana, fa tsy maintsy hiantrano ao aminao Aho anio.” Dia nidina haingana izy ka nandray Azy tamin-kafaliana. Ary nony nahita izany ny olona, dia nimonomonona nanao hoe: “Lasa niditra any an-tranon'ny mpanota Izy.” Fa i Zake kosa nijoro nanao tamin'ny Tompo hoe: “Tompoko, indro ny antsasaky ny fananako omeko ny mahantra, ary raha misy zavatr'olona nalaiko tsy an-drariny dia honerako inefatra hoatra azy.” Dia hoy i Jesoa taminy: “Tonga amin'itý trano itý androany ny famonjena, satria zanak'i Abrahama koa itý lehilahy itý, fa ny hitady sy hamonjy ny very no nahatongavan'ny Zanak'Olona.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie izao Sorona atolotray eo anatrehanao avo indrindra izao hahafahanay miraiki-po aminao ary hahatongavanay any amin'ny fiainana mandrakizay.

Kômonio Sal. 72, 28

Ny ahy ny hasambarako dia eo anilan'Andriamanitra. Ny Tompo no ataoko fifefena.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Nandray ny fanomezana avy amin'ny Sorona masina izahay, ry Tompo, no mihanta aminao: enga anie ny Sorona nasain'ny Zanakao atao ho fahatsiarovana Azy hampitombo ny fitiavanay Anao.