Zoma 17 novambra 2028

Zoma Faharoa amby telopolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 87, 3

Ho tonga eo anoloanao anie ny fivavahako; manongilàna sofina amin'ny antsoko, ry Tompo!

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, mba esory lavitra anay izay rehetra manampontsampona anay, ka rahefa afa-doza ny fanahy amam-batanay dia ho afaka manatontosa an-tsakany sy an-davany ny adidy rehetra aminao izahay.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany 2 Jo. and. 4-9

Taratasy Faharoan'i Md. Joany Apôstôly

« Izay mitoetra amin'ny fampianarana no manana ny Ray sy ny Zanaka. »

Faly dia faly aho, fa nahita ny zanakao sasany mandeha amin'ny fahamarinana, araka ny didy noraisintsika tamin'ny Ray. Ary ankehitriny, mihanta aminao aho, tompokovavy, — tsy toy ny manoratra didy vaovao aminao, fa ny efa azontsika hatramin'ny voalohany ihany — aoka hifankatia isika. Ny fitiavana dia izao: ny mandeha araka ny didiny; ary ny didiny araka ny renareo hatramin'ny voalohany, dia izao: ny mandeha amin'ny fitiavana. Fa maro no efa mitsangana ho mpamitaka amin'izao tontolo izao, izay tsy manaiky fa efa tonga tamin'ny nofo i Jesoa Kristy; ireny no mpamitaka sy antikristy. Tandremo àry, mba tsy hanafoana ny fisasaranay, fa mba handray valisoa tanteraka ianareo. Izay rehetra tafahoatra fa tsy mitoetra amin'ny fampianaran'i Kristy dia tsy manana an'Andriamanitra; fa izay mitoetra ao amin'ny fampianarana no manana ny Ray sy ny Zanaka.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 118, 1-2. 10-11. 17-18
Fiv.: Sambatra izay mizotra amin'ny lalan'ny Tompo.

Sambatra izay madio famindra, fa mizotra amin'ny lalan'ny Tompo! Sambatra izay mitandrina ny fanambaràny, sy mitady azy amin'ny fony tontolo!
Mitady Anao amin'ny foko tontolo aho, koa aza avela handao ny baikonao! Raketiko ato am-poko ny didinao, mba tsy hanotako aminao.
Asio soa itý izaho mpanomponao; ka ho velona sy hitandrina ny teninao! Alao tampina ny masoko hibanjina ny zava-mahagaga amin'ny lalànao.

Aleloia. Aletoia.
Mahatoky amin'ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin'ny asany rehetra.
Aleloia. Aletoia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 17, 26-37
« Toy izany koa no hiseho amin'ny andron'ny Zanak'Olona. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny mpianany nanao hoe: “Toy ny niseho tamin'ny andron'i Nôe no hiseho koa amin'ny andron'ny Zanak'Olona: nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoa-jazavavy, mandra-pahatongan'ny andro nidiran'i Nôe tao amin'ny sambo fiara, dia tonga ny safodrano ka nandringana azy rehetra. Ary koa tahaka ny tamin'ny andron'i Lôta: nihinana sy nisotro ny olona, nividy sy nivarotra, ary namboly sy nanao trano; fa tamin'ny andro nivoahan'i Lôta tao Sôdôma kosa, nisy afo sy solifara avy any an-danitra nilatsaka nandringana azy rehetra. Dia ho tahaka izany koa amin'ny andro hisehoan'ny Zanak'Olona.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Tompo ô, topazo maso miantra ireto fanatitra ireto fa ankalazanay ny nijalian'ny Zanakao; ka fo feno fitiavana anie no handraisanay ny hasina avy aminy.

Kômonio Sal. 22, 1-2

Ny Tompo no Mpiandry ahy: tsy misy mahaory ahy; ampiraotiny amin'ny vilo-maitso aho, entiny amin'ny rano manala sasatra.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Velom-pisaorana Anao izahay, ry Tompo, fa nofahananao tamin'ny fanomezana masina, koa mihanta aminao; enga anie hirotsaka aminay ny Fanahinao ary hahitsy fo hatrany izahay fa efa nandray ny hery avy any an-danitra.