Alahady 29 oktobra 2028
Fanombohana ny Sorona Masina
HOHENOIM-BAVAKA NY MANETRY TENA
Miravoa ianareo mitady ny Tompo. Katsaho ny Tompo, dia hahery ianareo. Tadiavo lalandava ny hahita ny Tavany.
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, ampio izahay hitombo finoana sy fanantenana ary fitiavana, ary ataovy mankamamy ny didinao hahamendrika anay hahazo ny soa nampanantenainao.
Amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Siràka Ekleziastika
Mpitsara ny Tompo; ary tsy mijery izay filaharam-piambonian'ny olona akory Izy. Tsy mizaha tavan'olona hamono antoka ny mahantra Izy, ary mihaino ny vavak'izay ampahoriana. Tsy mba ataony tsy ho zavatra ny kamboty mitalaho, na ny mpitondratena mamboraka ny fitarainany aminy. Horaisina tsara izay manaja an'Andriamanitra araka ny fomba ankasitrahiny, ary tafasondrotra hatrany amin'ny rahona ny fivavahany. Maninteraka ny rahona ny vavaky ny manetry tena, fa tsy hionona izy, raha tsy tonga amin'Andriamanitra izany; tsy hitsahatra izy raha tsy efa nojeren'ny Avo indrindra; dia hitsara araka ny rariny ny Tompo, ka hamoaka fitsarana. Tsy hampiandry akory ny Tompo, tsy handefitra intsony Izy, amin'ny mpampahory.
Izaho misaotra ny Tompo lalandava;
ny fiderana Azy eo am-bavako hatrany.
Ny Tompo hafinaretan'ny fanahiko:
mandrenesa, ry ory, ka mifalia.
Ny Tompo tezitra amin'ny olon-dratsy
ka hahavery tadidy azy eto an-tany.
Ny Tompo mihaino izay miantso Azy,
ny ahiahiny rehetra ataony misava.
Taratasy faharoan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'i Timôte
Ry zanako malala, izaho dia mova tsy efa haîdina ho fanatitra sahady, ary efa antomotra ny andro hialako. Niady ny ady tsara aho, nahatanteraka ny fihazakazahana aho, nitahiry ny finoana aho; hany sisa hataoko dia ny mandray ny satro-boninahitry ny fahamarinana, izay homen'ny Tompo mpitsara marina ahy amin'izany andro izany, ary tsy ho ahy ihany, fa ho an'izay rehetra tia ny hahatongavany koa. Tsy nisy nanampy ahy tamin'ny nandaharako voalohany hiaro tena; fa nilaozan'izy rehetra aho; enga anie ka tsy hotanana ho helony izany! Kanefa tonga namonjy ahy ny Tompo, sy nankahery fo ahy mba hanatontosako ny fitorian-teny, sy handrenesan'ny Jentily rehetra azy, sady noesorina teo am-bavan'ny liona aho. Hanafaka ahy amin'ny asa ratsy rehetra ny Tompo, ary hamonjy ahy ho amin'ny Fanjakany any an-danitra. Ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay. Amen.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 18, 9-14Tamin'izany andro izany, i Jesoa nanao ity fanoharana ity mankamin'ny sasany natoky tena ho marina, sy nanebaka ny namany: “Nisy roa lahy niakatra hivavaka tany an-Tempoly: Farisianina ny iray ary Poblikanina ny anankiray. Nitsangana ilay Farisianina ka nivavaka tao am-pony hoe: 'Andriamanitra ô, misaotra Anao aho, fa tsy mba tahaka ny olona hafa izay mpangalatra, tsy marina, mpijangajanga, na tahaka itsy Poblikanina itsy akory aza; mifady hanina indroa isan-kerinandro aho, ary mandoa ny ampahafolon'ny fananako rehetra'. Fa ilay Poblikanina kosa nijanona eny lavidavitra eny sady tsy sahy niandrandra ny lanitra akory, fa nandona ny tratrany nanao hoe: 'Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko fa mpanota aho!' Lazaiko aminareo fa ity no nidina efa nohamarinina tany an-tranony, fa tsy ilay anankiray; fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra”.
Ry kristianina havana, Andriamanitra dia mihaino lalandava ny vavaky ny manetry tena, dia ireo tsy mba mihevi-tena ho fototry ny soa ananana ary tsy tia manebaka ny namana. Koa andeha hiara-mangataka amim-pinoana sy fanetren-tena izay ilaintsika sy ny olombelona rehetra.
Tompo ô, aza avela hivavaka toy ny Farisianina izahay, fa mpanota tsy mendrika sady mahantra foana, satria avy aminao izay rehetra anananay; koa ampianaro hanetry tena sy ho tsotra rehefa mivavaka, dia hahasoa ny tenanay sy ny namanay ny vavaka ataonay.
Fankalazana ny Eokaristia
Topazo maso, ry Tompo, ireto fanatitra atolotray Anao Avo indrindra, ka ny voninahitrao anie no ho voalohany kendrenay amin'ny fanompoam-pivavahana ataonay.
Novonjenao izahay ka hihoby Anao sy hirebika amin'ny Anaranao Andriamanitray.
Ho tanteraka aminay anie, ry Tompo, izay ambaran'ny Sakramentanao, ka ny ankalazainay amin'ny endri-javatra ankehitriny anie, mba tena ho azonay any an-koatra.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.