Alakamisy 26 oktobra 2028

Alakamisy Fahasivy amby roapolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 16, 6. 8

Tompo ô, miantso aho, ka valio: atongilano ny sofinao ka henoy aho! Ambeno toy ny anakandriamaso aho; alofy ao ambany elatrao.

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, ataovy miraiki-po lalandava aminao izahay, hanompo Anao avo indrindra amin'ny fonay tokoa.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Efez. 8, 14-21

Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Efezy

« Hiorina mafy amin'ny fitiavana ianareo ka ho feno ny hafenoan'Andriamanitra. »

Ry kristianina havana, mandohalika amin'ny Ray aho, dia ny Ray, izay angalan'ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy etý an-tany anarana, mba homeny anareo, araka ny haren'ny voninahiny, ny hankaherezina fatratra araka ny olona anaty amin'ny Fanahy, sy ny hitoeran'i Kristy ao am-ponareo amin'ny finoana, dia ho latsa-paka sy hiorina amin'ny fitiavana ianareo, ka hiara-mahafantatra tsara amin'ny olo-masina rehetra izay sakany sy lavany, ary haavony sy halaliny, sady hahalala ny fitiavan'i Kristy izay mihoatra ny fahalalana rehetra, ka dia ho feno ny hafenoan'Andriamanitra rehetra ianareo. Ary ho an'Ilay mahay manao mihoatra lavitra noho izay angatahintsika sy saintsainintsika, araka ny heriny miasa ato amintsika, eny, ho Azy anie ny voninahitra ao amin'ny Eglizy, sy ao amin'i Kristy Jesoa, hatramin'ny taranaka farany indrindra, sy mandrakizay mandrakizay. — Amen.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 32, 1-2. 4-5. 11-12. 18-19
Fiv.: Ny hatsaram-pon'ny Tompo manerana ny tany.

Hobio ny Tompo, ry olo-marina: dia Ilay mendrika hoderaina, ry olo-mahitsy! Derao amin-dokanga ny Tompo; antsao amim-baliha tory folo!
Fa mahitsy ny tenin'ny Tompo; ara-drariny ny asany rehetra; ny fahamarinana sy ny hitsiny no tiany, ny hatsaram-pon'ny Tompo manerana ny tany!
Ny fanampoizan'ny Tompo maharitra mandrakizay; ny fikasan'ny fony, amin'ny taranaka mifandimby. Sambatra ny firenena tahin'Andriamanitra Tompony sy ny vahoaka nofidiny ho Lovany!
Indro ny mason'ny Tompo amin'izay matahotra Azy, sy amin'izay matoky ny hatsaram-pony, hanafaka ny fanahiny amin'ny fahafatesana, sy hamelona azy amin'ny tao-mosarena!

Aleloia. Aleloia.
Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 12, 49-53
« Tsy tonga hitondra fiadanana Aho fa fampisarahana aza. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny mpianany nanao hoe: “Tonga hanipy afo etý ambonin'ny tany Aho, ka akory itý faniriako mba hirehetan'izany sahady! Ary manana batemy hanaovana batemy Ahy koa Aho, ka ory manao ahoana Aho ambara-pahatanterak'izany! Moa ataonareo fa tonga hitondra fihavanana etý an-tany Aho? Tsia, hoy Izaho aminareo, fa fampisarahana aza. Satria hatramin'izao raha olona dimy an-trano iray, dia hanao an-daniny, ka hifanohitra ny telo amin'ny roa, ary ny roa amin'ny telo; ny ray amin'ny zanany lahy, ary ny zanakalahy amin'ny rainy; ny reny amin'ny zanany vavy, ary ny zanakavavy amin'ny reniny; ny rafozam-bavy amin'ny vinantony vavy, ary ny vinantovavy amin'ny rafozany vavy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Vavaka Fanolorana

Kômonio Sal. 32, 18-19

Indro ny mason'ny Tompo eo amin'izay matahotra Azy sy amin'izay matoky ny hatsaram-pony, hanafaka ny fanahiny amin'ny fahafatesana sy hamelona azy amin'ny andro mosarena.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo; enga anie hitombo fahamasinana izahay mankalaza sy manatanteraka ny Sorona masina ka sady ho ambinina amin'ny zava-mandalo no hahay hankafy ny soa mandrakizay.