Alahady 22 oktobra 2028
Fanombohana ny Sorona Masina
MAHARETA HANANA NY SOA
Tompo ô, miantso aho, ka valio: atongilano ny sofinao ka henoy aho! Ambeno toy ny anakandriamaso aho; alofy ao ambany elatrao.
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, ataovy miraiki-po lalandava aminao izahay, hanompo Anao Avo Indrindra amin'ny fonay tokoa.
Amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky Eksaody
Tamin'izany andro izany, dia nandroso i Amaleka hanafika an'i Israely tao Rafidima, ka hoy i Môizy tamin'i Jôsoe: “Mifantena lehilahy ianao dia handeha hiady amin'i Amaleka; izaho kosa rahampitso hijoro eo an-tampon'ny havoana, mitana ny tehin'Andriamanitra ao an-tanako”. Dia nataon'i Jôsoe izay nandidian'i Môizy azy, dia niady tamin'i Amaleka izy; fa i Môizy sy i Aarôna ary i Hora kosa niakatra teny an-tampon'ny havoana. Raha nasandratr'i Môizy ny tanany dia i Israely no nahery; fa raha nitambotsotra kosa ny tanany, i Amaleka no nahomby. Nony efa vizana ny tanan'i Môizy, dia naka vato izy ireo, nataony teo ambaniny, dia nipetrahany; ary i Aarôna sy i Hora kosa nanohana ny tanany avy eo an-kilany avy, ka tsy niketraka intsony ny tanany mandra-pilentiky ny masoandro. Dia resin'i Jôsoe tamin'ny lelan-tsabatra i Amaleka sy ny olony.
Miandra any an-tendrombohitra aho mijery izay hiavian'ny fitahiana ahy: ny fitahiana ahy dia avy amin'ny Tompo, Ilay nanao ny lanitra sy ny tany!
Tsy havelany ho solafaka ny tongotrao; Ilay mpiambina anao tsy ho sokoin-tory: tsy mba matory na mba rendremana Ilay mpiambina an'i Israely!
Ny Tompo miambina anao lalandava, ianao alokalofan'ny tanany, ka tsy ho voan'ny masoandro raha antoandro, tsy mba ho voan'ny volana amin'ny alina.
Ambenany amin'ny ratsy rehetra ianao: ny Tompo miambina ny ainao, miambina anao mivoaka sy miditra hatrizao ka ho mandrakizay!
Taratasy faharoan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'i Timôte
Ry zanako malala, mahareta amin'izay zavatra nianaranao sy azonao antoka, fa fantatrao ilay nampianatra anao, sady efa hatry ny fony mbola zaza ianao no efa nahalala ny Soratra Masina, izay nampahendry anao ho amin'ny famonjena noho ny finoana an'i Kristy Jesoa. Satria ny Soratra rehetra avy amin'ny fanilovan'Andriamanitra, dia mahasoa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fananarana, ho fanabeazana amin'ny fahamarinana, mba ho lavorary ny olon'Andriamanitra sy hahavonona azy ho amin'ny asa soa rehetra. Izao no angatahiko aminao, eo anatrehan'Andriamanitra sy i Kristy Jesoa, izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny andro hahatongavany sy hanjakany: Mitoria ny teny, ary mahareta amin'izany na amin'ny fotoana na tsy amin'ny fotoana: manitsia, mananara, mamporisiha, amim-pandeferana sy amim-pahaizana mandrakariva.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 18, 1-8Tamin'izany andro izany, i Jesoa nanao fanoharana tamin'ny mpianany momba ny tsy maintsy ivavahana lalandava sy amim-paharetana. Hoy Izy: “Tany amin'ny tanàna anankiray nisy mpitsara anankiray tsy natahotra an'Andriamanitra sy tsy mena-maso olona. Ary tao amin'izany tanàna izany koa, dia nisy mpitondratena anankiray nankao aminy matetika nanao hoe: 'Omeo rariny aho amin'ilay miady amiko'; fa tsy nanaiky na oviana na oviana izy. Kanjo tamin'ny farany, dia hoy izy anakampo: 'Na dia tsy matahotra an'Andriamanitra aza aho sy tsy mena-maso olona, dia manahirana ahy ity mpitondratena ity, ka homeko rariny izy mba tsy hiverimberina mandrakariva hanorisory ahy'. Ary henoy, hoy ny Tompo, izay lazain'ilay mpitsara tsy marina, ka Andriamanitra indray va no tsy hanome rariny ny olom-pinidiny izay mitaraina aminy andro aman'alina, ary tsy halaky hamonjy azy? Lazaiko aminareo fa homeny rariny haingana izy ireo. Kanefa rehefa tonga ny Zanak'Olona, moa mba hahita finoana ety ambonin'ny tany Izy?”
Ry kristianina havana, raha ny finoana no entintsika mivavaka dia hoeken'Andriamanitra isika; ary rahefa fitiavana no mampivory antsika mitalaho, dia eo ampovoantsika i Kristy; koa akambano àry ny vavaka ataontsika, ary aoka ho feno finoana sy ho feno fitiavana.
Tompo ô, ampio ny finoanay ho mafy orina sy ho feno fitokiana; ary efa natoron'i Jesoa Zanakao izahay tsy hatahotra ny hitambezo, koa ampianaro haharitra mivavaka, fa izany no hahazoanay valiny.
Fankalazana ny Eokaristia
Tompo ô, mihanta aminao izahay manolotra izao fanompoana izao, mba ataovy afaka malalaka manompo Anao ny fonay ary diovy amin'ny fahasoavanao, dia ho mendrika handraisanay ny Kômonio.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
Indro ny mason'ny Tompo eo amin'izay matahotra Azy sy amin'izay matoky ny hatsaram-pony, hanafaka ny fanahiny amin'ny fahafatesana sy hamelona azy amin'ny andro mosarena.
Mihanta aminao izahay, ry Tompo; enga anie hitombo fahamasinana izahay mankalaza sy manatanteraka ny Sorona masina; ka sady hoambinina amin'ny zava-mandalo, no hahay hankafy ny soa mandrakizay.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.