Alahady 08 oktobra 2028
Fanombohana ny Sorona Masina
NY OLONA MANAM-PINOANA TSY MIANDRY VALISOA EO NO HO EO
Eo ambany fahefanao avokoa ny zavatra rehetra, ry Tompo, ary tsy misy afaka hanohitra ny sitra-ponao. Ianao no nahary izao rehetra izao: ny lanitra sy ny tany mbamin'izay rehetra eo amin'ny habakabaka; Ianao no Tompon'izao tontolo izao.
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, lalina ny fitiavanao, mihoatra noho izay rehetra mendrika anay sy angatahinay; koa arotsahy aminay ny andon'ny famindram-ponao: mba afaho izahay amin'izay rehetra mampitebiteby ny fonay ary omeo anay izay tsy sahinay angatahina amin'ny fivavahana.
Amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Habakôka Mpaminany
Nitaraina tamin'ny Tompo aho hoe: “Tompo ô, mandra-pahoviana no hiantsoako Anao, nefa tsy mihaino ahy ihany Ianao, ary hitaraina aminao aho hoe: fahasiahana! nefa tsy vonjenao ihany aho? Nahoana aho no ataonao mahita ny tsy fahamarinana ary Ianao mijery ny fahoriana? Fa fandravana amam-pahasiahana no eo anatrehako; misy fifandirana ary mitranga ny tsy fifanarahana”. Dia namaly ahy ny Tompo, ka nanao hoe: “Soraty ny fahitana ka sokiro amin'ny fàfana, mba hamakian'ny olona azy moramora. Fa mbola misy fahitana amin'ny fotoam-boafetra; efa mandroso ho amin'ny fotoana fanaperana azy izy, ka tsy hamitaka; raha miadam-piavy izy, andraso ihany, satria ho avy tokoa, fa tsy ho diso. Izay mibohibohy ny fanahy ao anatiny, dia tsy mba amin'ny lala-mahitsy, fa ny marina no ho velona amin'ny finoany”.
Avia! Ndeha isika hihoby ny Tompo, hankalaza ny Vatolampy famonjena antsika; andeha hiseho eo anoloany amin-tsaotra, hankalaza Azy amin'antsa.
Midira! Ndao hiankohoka sy hitsaoka, handohalika eo anoloan'ny Tompo nanao antsika.
Fa izy no Andriamanitsika; isika vahoakany, ondry eo an-tanany. Enga anie ianareo anio ka mba handre ny feony!
Aza manamafy fo toy ny tany an'efitra, tamin'ny andro nifandirana sy nihatsiana, raha naka fanahy Ahy ny razanareo, na dia efa nahita ny asako aza.
Taratasy faharoan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'i Timôte
Ry zanako malala, mananatra anao aho mba hamelombelona indray ny fanomezam-pahasoavan'Andriamanitra ao anatinao, izay noraisinao tamin'ny fametrahako tanana taminao. Fa tsy Fanahy osa no nomen'Andriamanitra antsika, fa Fanahy mahery sy be fitiavana ary mahonon-tena. Koa aoka ianao tsy ho menatra ny ho vavolombelon'ny Tompontsika, sy noho ny amiko izay mpifatotra ho Azy, fa hiara-mijaly amiko noho ny Evanjely, miankina amin'ny herin'Andriamanitra. Tano amin'ny finoana sy ny fitiavana ao amin'i Kristy Jesoa ny mariky ny fampianarana marina renao tamiko. Ary aoka ny Fanahy Masina, izay mitoetra ao amintsika no hoentinao mitahiry ny zavatra tsara napetraka taminao.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 17, 5-10Tamin'izany andro izany, ny Apôstôly nanao tamin'ny Tompo hoe: “Ampitomboy ny finoanay”. Fa hoy ny Tompo: “Raha manam-pinoana ohatra ny voan-tsinapy iray ianareo dia mahazo milaza amin'io voaroihazo io hoe: 'Miongota, ka mifindrà any amin'ny ranomasina', dia hanaiky anareo izy. Ary iza moa aminareo no manana mpanompo miasa tany na miandry ondry avy any an-tsaha, no mba hilaza aminy hoe: 'Metia faingana, ary mipetraha hihinana?' Moa tsy izao aza no holazainy aminy: 'Amboary ny sakafoko, ary misikîna hampihinana ahy mandra-pitsahatro avy mihinana sy misotro, fa raha efa izany vao hihinana sy hisotro ianao?' Ary moa misaotra izany mpanompo izany akory va izy, satria nanao izay nasainy natao io? Ataoko fa tsy izany. Koa tahaka izany koa ianareo: rehefa vitanareo izay nandidiana anareo, dia lazao hoe: 'Mpanompo tsy mahasoa izahay, fa izay tsy maintsy ho nataonay ihany no hany vitanay”.
Ry kristianina havana, ny olombelona rehetra dia tokony hahatsiaro fa mpanompon'Andriamanitra: maro anefa, na kristianina aza, no mila hiantso an'Andriamanitra hanompo azy fotsiny sy hampanaoviny izay tiany. Koa mivavaha mba hoesorin'Andriamanitra amin'ny olona rehetra izany hevitra izany.
Tompo ô, ampio izahay ho mpanompo mahavita asa, hijery lalandava izay sitrakao sy hanatontosa izay irinao. Omeo finoana indrindra izahay mba hazoto hanao ny sitra-ponao, ety an-tany tahaka ny any an-danitra.
Fankalazana ny Eokaristia
Mba raiso, ry Tompo, izao Sorona masina nasainao atao izao, ka ny mistery ankalazainay hanompoana Anao anie ho sitrakao hanamasina anay sy hanavotra anay.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
Tsara fo ny Tompo ho an'izay miantehitra aminy, ho an'ny fanahy mikatsaka Azy.
Enga anie, ry Andriamanitra Andriananahary, hanetsaka sy hahavoky anay ny Kômonio masina ary hanova anay hitovy amin'Ilay noraisinay, dia Ilay velona sy manjaka amin'ny taona mandrakizay. Amen.