Zoma 06 oktobra 2028

Zoma Fahaenina amby roapolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Dan 3, 31. 29. 30. 43. 42

Rariny tokoa izay rehetra nataonao taminay, ry Tompo, satria nanota taminao izahay, ary tsy nanaiky ny didinao; kanefa omeo voninahitra ny Anaranao, ka jereo araka ny halehiben'ny famindram-ponao izahay.

Fangatahana

Andriamanitra ô, ny mamela heloka sy mamindra fo no anehoanao indrindra ny fahefanao; koa rotsahy ny fahasoavanao lalandava izahay hiezaka hahazo ny nampanantenainao sy hiombona anjara amin'ny zava-tsoa any an-danitra.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Jôb. 38, 1. 12-21 ; 40, 3-5

Bokin'i Jôba

« Mba efa nandidy ny maraina va ianao sy mba efa nidina tany amin'ny loharanon-dranomasina? »

Ny Tompo namaly an'i Jôba tao anatin'ny tafio-drivotra ka nanao hoe: “Mba efa nandidy ny maraina va ianao hatrizay niainanao? Moa nanondro ny fitoerany tamin'ny mazava atsinanana, mba handraisany ny tany amin'ny sisiny, sy hanintsanany ny ratsy fanahy hiala eo, mba hananan'ny tany endrika toy ny tanimanga voatombo-kase, ary hisehoany voaravaka toy ny manao fanamiana; mba tsy hananan'ny mpanao ratsy ny fahazavany; ary hotapahina ny sandry efa voaainga hanao ratsy? Mba efa nidina tany amin'ny loharanon-dranomasina va ianao, sy efa nitsangantsangana tany amin'ny fanambanin'ny hantsana va ianao? Efa nisokatra teo anatrehanao va ny vavahadin'ny fahafatesana sy efa hitanao va ny varavaran'ny fonenana manjombona? Efa takatrao va ny halalahan'ny tany? Lazao raha mahalala izany rehetra izany ianao? Aiza ny lalana mankany amin'ny fonenan'ny mazava, ary aiza ny fitoeran'ny maizina? Hainao samborina va izy eny amin'ny taniny? Fantatrao va ny lalana eny amin'ny fonenany? Fantatrao tokoa mantsy izany a, fa ianao efa teraka talohan'izany ary efa maro manao ahoana ny isan'ny andronao?” Fa namaly ny Tompo i Jôba nanao hoe: “Inona moa no havaliko Anao izay izaho tsinontsinona itý? fa dia mitampim-bava aho. Efa niteny indray mandeha ka tsy hamaly intsony, efa indroa aza, ka tsy hanampy aho, na dia kely aza.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 138, 1-3. 7-8. 9-10. 13-14ab
Fiv.: Tariho aho ho amin'ny lalam-pahagola.

Tompo ô, mandinika ahy Ianao, ka mahafantatra! Fantatrao aho na mipetraka na mitsangana; mbola lavitra, dia tsinjonao ny hevitro! Voadinikao aho na mamindra na miato; ny lalako tsy misy manavao Anao.
Aiza no hialako amin'ny Fofon'ainao? Aiza no handosirako tsy ho anoloanao? Raha mananika ny lanitra aho, any Ianao; mitakoko any an-tSeoly, io koa Ianao!
Raha maka ny elatry ny mazava atsinanana aho, mba honina any am-paran'ny ranomasina, mbola ny tananao no mitondra ahy any, eny: ny tananao no mitantana!
Ianao no nahary tongotra aman-tanana, sy Mpiaro hatrany an-kibon'i neny. Midera Anao aho fa mahatalanjona itý Ianao! Eny, mampitolagaga ny asanao!

Aleloia. Aleloia.
Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon'ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 10, 13-16
« Izay manamavo Ahy, manamavo Izay naniraka Ahy. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny hoe: “Loza ho anao, ry Kôrôzaïna, loza ho anao, ry Betsaida! fa raha izay no natao tany Tira sy Sidôna ny fahagagana natao taminareo, dia ela no ho efa nibebahany tamin'ny akanjo malailay sy tamin'ny lavenona. Noho izany, amin'ny andro fitsarana dia ho moramora kokoa ny ho amin'i Tira sy Sidôna noho ny aminareo. Ary ianao, ry Kafarnaôma izay misondrotra hanakatra ny lanitra dia haetry hatrany amin'ny afobe ianao. Izay mihaino anareo mihaino Ahy, ary izay manamavo anareo manamavo Ahy; izay manamavo Ahy anefa dia manamavo Izay naniraka Ahy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Ry Tompo be indrafo ô, ho sitrakao anie itý tolotra entinay itý sy ho tonga loharano miboiboika hanovozanay ny tso-drano rehetra.

Kômonio Sal. 118, 49-50

Tsarovy ny teninao tamin'ny mpanomponao, ry Tompo, dia ilay nasainao antenaiko; izany no fiononako amin'ny fahoriako.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Hampitombo ny herim-panahy amam-batanay anie, ry Tompo, itý mistery avy any an-danitra itý; ary miara-mijaly amin'i Kristy izahay manambara ny nahafatesany, ka enga anie hiray lova aminy any amin'ny voninahitra.