Alatsinainy 02 oktobra 2028
Fanombohana ny Sorona Masina
Rariny tokoa izay rehetra nataonao taminay, ry Tompo, satria nanota taminao izahay, ary tsy nanaiky ny didinao; kanefa omeo voninahitra ny Anaranao, ka jereo araka ny halehiben'ny famindram-ponao izahay.
Andriamanitra ô, ny mamela heloka sy mamindra fo no anehoanao indrindra ny fahefanao; koa rotsahy ny fahasoavanao lalandava izahay hiezaka hahazo ny nampanantenainao sy hiombona anjara amin'ny zava-tsoa any an-danitra.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Jôba
Indray andro, nony tonga teo anatrehan'ny Tompo ireo zanak'Andriamanitra, dia mba tonga teo afovoan'izy ireo koa i Satana. Ka hoy ny Tompo tamin'i Satana: “Avy aiza ianao?” Dia hoy ny navalin'i Satana: “Avy nitety ny tany aho sy nitsangantsangana teny.” Ary hoy ny Tompo tamin'i Satana: “Efa nandinika an'i Jôba mpanompoko va ianao? Tsy misy olona toa azy eny ambonin'ny tany, marina, mahitsy, matahotra an'Andriamanitra, ary mifady ny ratsy.” Fa hoy i Satana namaly ny Tompo: “Moa matahotra an'Andriamanitra maimaim-poana va i Jôba? Tsy efa vitanao fefy manodidina va ny tenany, ny ankohonany mbamin'ny ananany rehetra? Fa nambininao ny asan'ny tanany, ka manenika ny tany ny biby fiompiny. Fa ahinjiro ny tananao dia kasiho ny ananany, raha tsy manozona Anao manatrika izy!” Ka hoy ny Tompo tamin'i Satana: “Indro azonao anaranam-po avokoa izay ananany, fa ny tenany tokana no aza kasihin-tanana.” Dia niala teo anatrehan'ny Tompo i Satana.
Henoy ny antsoko, ry Tompo! Ataovy re ny tarainako! Mampandria sofina amin'ny tonom-bavako, izay tsy avy amina molotra mpamitaka!
Ny Tavanao mamoaha ny rariny ho ahy, ny masonao mahità ny hitsiny. Savao ny foko; tampohy alina aho; manasedrà fa tsy hahita tsiny!
Miantso aho, ka valio, ry Andriamanitra: anongilano sofina, henoy teny! Ataovy mahatalanjona ny hatsaram-ponao lehibe, ry Ilay Mpamonjy amin'ny fahavalo an'izay mifefy amin'ny tananao!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 9, 46-50Tamin'izany andro izany, nisy hevitra tonga tao an-tsain'ireo mpianatra, dia ny amin'izay lehibe aminy. Fantatr'i Jesoa ny hevitra tao am-pony, ka naka zaza kely anankiray Izy napetrany teo anilany, dia hoy Izy tamin'izy ireo: “Na iza na iza mandray itony zaza kely itony amin'ny Anarako dia mandray Ahy, ary na zovy na zovy mandray Ahy dia mandray Ilay naniraka Ahy; fa izay kely indrindra eo aminareo rehetra dia izy no lehibe.” Dia niteny i Joany nanao hoe: “Ry Mpampianatra ô, nahita olona anankiray nandroaka demony tamin'ny Anaranao izahay, ka noraranay, satria tsy namantsika izy.” Fa hoy i Jesoa taminy: “Aza raràna, fa izay tsy manohitra anareo dia momba anareo.”
Fankalazana ny Eokaristia
Ry Tompo be indrafo ô, ho sitrakao anie itý tolotra entinay itý sy ho tonga loharano miboiboika hanovozanay ny tso-drano rehetra.
Tsarovy ny teninao tamin'ny mpanomponao, ry Tompo, dia ilay nasainao antenaiko; izany no fiononako amin'ny fahoriako.
Hampitombo ny herim-panahy amam-batanay anie, ry Tompo, itý mistery avy any an-danitra itý; ary miara-mijaly amin'i Kristy izahay manambara ny nahafatesany, ka enga anie hiray lova aminy any amin'ny voninahitra.