Asabotsy 23 septambra 2028
Fanombohana ny Sorona Masina
SABOTSY
Omeo fiadanana ireo manantena Anao, ry Tompo; enga anie ho masin-teny ny mpaminany; henoy ny vavak'i Israely mpanomponao sy vahoakanao.
Topazo maso izahay, ry Andriamanitra mpitantana ny zavatra rehetra, ary ataovy manompo Anao amin'ny fonay tokoa mba handrenesanay ny herin'ny famindram-ponao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasy voalohan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Kôrinto
Ry kristianina havana, tsy hanao hoe: “Hatao ahoana no fanangana ny maty? Vatana toy inona no hiverenany?” Ry adala, tsy maintsy maty aloha izay afafinao, vao velona indray. Ary raha mamafy ianao, tsy ny tenan'izay ho avy no afafinao, fa ny voa fotsiny ihany, na voam-bary izany, na voan-javatra hafa.
Ny fahavaloko hiamboho amin'ny andro iantsoako: fantatro izany, fa Andriamanitra momba ahy!
Andriamanitra izay deraiko ny Teniny: Andriamanitra, hoy aho, no itokiako. Tsia, tsy matahotra aho: hahavita inona amiko izay nofo?
Eny, adidiko, ry Andriamanitra, ny voadiko taminao; hatolotro ny sorom-pisaorana Anao: fa narovanao tsy ho faty ny fanahiko, sy tsy ho solafaka ny tongotro.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 8, 4-15Tamin'izany andro izany, nisy vahoaka betsaka tafavory avy amin'ny tanàna maro hanatona an'i Jesoa, dia nanao fanoharana Izy hoe: “Nivoaka ny mpamafy hamafy ny voany; ary nony namafy izy, ny sasany latsaka tany amoron-dalana ka sady voahitsakitsaka no notsindrohin'ny voro-manidina; ny sasany latsaka tamin'ny vato ka nalaky nitsimoka, nefa nalazo satria tsy nisy mando; ny sasany latsaka tamin'ny tsilo ka niara-naniry tamin'ny tsilo, dia voagejany; ary ny sasany latsaka tamin'ny tany tsara ka naniry, dia namoa injato heny.” Rahefa nilaza izany Izy dia niantso hoe: “Aoka hihaino izay manan-tsofina hihainoana.”
Fankalazana ny Eokaristia
Aoka hanohina ny fonao, ry Tompo, ny fitalahoanay; ary horaisinao ireto fanatitra ataon'ny mpanomponao mba hahavonjy ny be sy ny maro izay atolotry ny tsirairay hanajana ny Anaranao.
Endrey, sarobidy ny hatsaram-ponao, ry Tompo! Fa ny zanak'olombelona hialoka ambany elatrao.
Haninteraka ny fanahy amam-batanay anie, ry Tompo, ny hasin'ny fanomezanao avy any an-danitra, ka ny hery avy aminy fa tsy ny saim-pantatray, no hitarika anay lalandava.