Asabotsy 16 septambra 2028
Fanombohana ny Sorona Masina
SABOTSY
Marina Ianao, ry Tompo, ary mahitsy ny fitsaranao. Araka ny hatsaram-ponao atao ny mpanomponao.
Andriamanitra ô, Ianao no nanavotra anay sy nanangana anay ho zanakao; koa henoy ireto zanaka nateraky ny fitiavanao, fa mino an'i Kristy izy, ka mba omeo ny fahafahana marina sy ny lova maharitra mandrakizay.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasy voalohan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Kôrinto
Ry malala, halaviro ny fanompoan-tsampy. Miteny aminareo toy ny amin'ny olona manan-tsaina aho, ka tsaraonareo izay lazaiko? Moa ny kalisim-pisaorana izay isaorantsika, tsy firaisana amin'ny ran'i Kristy va? Ary moa ny mofo izay vakintsika, tsy firaisana amin'ny tenan'i Kristy va? Satria iray ihany ny mofo, dia tena iray ihany koa isika na dia maro aza, fa mofo iray ihany no iombonantsika rehetra. Jereo ange i Israely araka ny nofo e: moa tsy mpiombona amin'ny ôtely va ireo mihinana amin'ny fanatitra atao sorona? Inona ary no lazaiko? Moa mba zavatra ihany va ny hena naterina tamin'ny sampy; na moa mba zavatra koa va ny sampy? Tsia, fa ny zavatra aterin'ny jentily ho fanatitra, dia ataony sorona amin'ny demony, fa tsy amin'Andriamanitra, ka tsy tiako ho mpiombona amin'ny demony ianareo. Tsy azonareo atao ny sady hisotro amin'ny kalisin'ny Tompo no hisotro amin'ny kalisin'ny demony koa; tsy azonareo atao ny sady hihinana amin'ny latabatry ny Tompo no hihinana amin'ny latabatry ny demony koa. Te-hampahasaro-piaro ny Tompo angaha isika?
Koa inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony? Halaiko ny kalisim-pamonjena, antsoiko ny Anaran'ny Tompontsika!
Hanatitra sorom-pisaorana aho, hiantsoako amin'ny foko ny Anaranao! Efaiko ny voadiko taminao, efaiko anatrehan'ny firenena.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 6, 43-49Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny mpianany nanao hoe: “Tsy misy hazo tsara mamoa voa ratsy, na hazo ratsy mamoa voa tsara. Fa samy fantatra amin'ny voany avy ny hazo rehetra; fa tsy misy mioty aviavy amin'ny tsilo, na voaloboka amin'ny voaroitsilo. Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin'ny rakitra tsaran'ny fony; ary ny olona ratsy fanahy kosa mamoaka ny ratsy avy amin'ny rakitra ratsin'ny fony; fa ny be ao am-pony no itenenan'ny vavany.
Fankalazana ny Eokaristia
Ry Andriamanitra loharanon'ny fitiavana marina sy ny fiadanana, hahay hanaja Anao avo indrindra anie izahay amin'ireto fanatitra ireto sy hiray fo aman-tsaina, fa miombona anjara amin'izao Sorona izao.
Toy ny serfa maniry ranovelona ny fanahiko maniry Anao, ry Andriamanitra! Ny fanahiko mangetaheta an'Andriamanitra, Ilay velona sady mahery!
Tompo ô, nofahananao sy nomenao hery tamin'ny teninao sy ny hanina masina izahay mino Anao, ka ataovy mahazo voka-tsoa avy amin'ny fanomezan'ny Zanakao malalanao mba ho mendrika hiombona anjara lalandava amin'ny fiainany masina.