Alarobia 06 septambra 2028
Fanombohana ny Sorona Masina
Iantrao aho, ry Tompo, fa miantso Anao tontolo andro; Ianao, ry Tompo, no mazava fo sy malemy fanahy, be hatsaram-po amin'izay rehetra miantso Anao!
Ry Andriamanitry ny hery rehetra, Soa indrindra no Anaranao; ka ataovy tia Anao tokoa ny fonay, herezo hazoto hanompo Anao, velomy izay tsara mba anananay ary tsimbino lalandava izay novelominao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasy voalohan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Kôrinto
Ry kristianina havana, tsy nahazo niteny taminareo toy ny amin'ny olona ara-panahy aho, fa toy ny amin'ny olona ara-batana sy mbola zaza ao amin'i Kristy. Ronono no nomeko hosotroinareo, fa tsy ventin-kanina mahery, satria tsy mbola nahazaka izany ianareo, sady tsy mbola mahazaka hatra ankehitriny aza noho ianareo mbola ara-batana. Fa fialonana amam-pifandirana no hita ao aminareo, ka moa tsy ara-batana sy araka ny fanaon'olombelona va izany? Raha ny iray hanao hoe: “Izaho an'i Paoly”, ny iray kosa hanao hoe: “Izaho an'i Apôlô”, moa tsy olombelona ihany va ianareo amin'izany? Fa inona àry i Apôlô, ary inona koa i Paoly? Mpandraharaha nahatonga anareo ho mpino fotsiny ireo, samy araka izay nomen'ny Tompo azy avy. Izaho moa namboly, i Apôlô nanondraka; fa Andriamanitra ihany no nampaniry. Samy tsinontsinora na izay namboly na izay nanondraka; fa Andriamanitra izay mampaniry ihany no izy. Sahala ihany ny mamboly sy ny manondraka; ary samy hovalian'Andriamanitra araka ny fisasarany avy. Fa izahay moa mpiara-miasa amin'Andriamanitra, ary ianareo kosa sahan'Andriamanitra sy trano arafiny.
Sambatra ny firenena tahin'Andriamanitra Tompony, sy ny vahoaka nofidiny ho lovany! Any an-danitra ny Tompo mitazana: hitany avokoa ny zanak'olombelona.
Any amin'ny toerana onenany Izy mitsinjo ny mponina rehetra amin'ny tany: Izy Ilay namolavola ny fony tsy an-kanavaka, Ilay mahafantatra ny asany rehetra!
Ny fanahinay manantena ny Tompo. Mpitahy anay Izy sy Ampinganay! Izy no ifalian'ny fonay; ny Anarany Masina no ifefenay!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 4, 38-44Tamin'izany andro izany, nony nitsangana niala tao amin'ny sinagôga i Jesoa, dia niditra tao an-tranon'i Simôna. Sendra azon'ny tazo mahery ny rafozambavin'i Simôna tamin'izay, ka niangavian'ny olona Izy hahasitrana azy. Niondrika teo amin'ny marary Izy nandidy ny tazo, dia niala ny tazo, ka nitsangana niaraka tamin'izay ravehivavy ary nampihinana azy ireo.
Fankalazana ny Eokaristia
Hirotsaka aminay mandrakariva anie, ry Tompo, ny tso-dranom-pamonjena avy amin'itý tolotra masina itý, ka ho tanteraka ny soa tsy hita maso ambarany.
Tompo ô, akory itý haben'ny hatsaranao izay omaninao ho an'ny matahotra Anao!
Nomenao hery tamin'ny mofo avy any an-danitra izahay, ry Tompo, ka mitalaho aminao: enga anie hankahery ny fonay izao sakafo avy aminao be fitiavana izao ka hamporisika anay hanompo ny namanay noho ny fitiavana Anao.