Alarobia 23 aogositra 2028
Fanombohana ny Sorona Masina
Jereo, ry Andriamanitra mpanasoa anay. Todiho ny tavan'i Kristy Zanakao. Andro iray ao an-kianjanao dia tsara noho ny arivo lavitra Anao.
Andriamanitra ô, Ianao nanomana soa tsy hita maso ho an'izay tia Anao; ka alatsaho ao am-ponay ny afom-pitiavana Anao hitiavanay Anao ao amin'ny zavatra rehetra sy ambonin'ny zavatra rehetra, ka hahazoanay ny soa lavorary nampanantenainao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Ezekiela Mpaminany
Tonga tamiko ny Tenin'ny Tompo nanao hoe: “Ry zanak'olona, maminania ny amin'ny mpiandry an'i Israely. Maminania ka lazao aminy, dia amin'ireo mpiandry ireo hoe: Izao no lazain'ny Tompo Andriamanitra: Loza ho an'ny mpiandry an'i Israely, fa ny tenany ihany no nofahanan'izy ireo! Moa tsy ny ondry va no tokony hofahanan'ny mpiandry? Nohaninareo ny taviny, notafianareo ny volony, novonoinareo ny matavy; tsy namahana ny ondry ianareo: tsy nanatanjaka ny malemy, tsy nitsabo ny marary, tsy namehy ny naratra, tsy namerina ny nania, tsy nitady ny very, fa nitondra azy an-kalozàna sy an-kasiahana! Ka niely izy fa tsy nisy mpiandry; zary rembin'izao biby an-tsaha rehetra izao, dia tafaely. Mirenireny eny an-tendrombohitra rehetra eny ny ondriko, sy eny an-kavoana milangalanga rehetra eny; tafaely any amin'ny tany rehetra ny ondriko, nefa tsy ahìn'ny olona akory, na mba nisy lasa nitady azy.
Ny Tompo miandry ahy tsy orin'inona aho: izaho ampiraotiny amin'ny vilona maitso, entiny amin'ny rano manala sasatra, velombelominy fanahy, tarihiny amin'ny lala-marina noho ny Anarany!
Na mamaky lohasaha maizina aza aho, tsy matahotra izay loza. Satria Ianao miaraka amiko: ny kibay aman-tehinao mampatoky ahy.
Rosoanao sakafo eo imason'ny rafiko aho: ka ny loha miravona ilo, ny kapoaka safomorona!
Eny, hatsaram-po sy hasambarana no manjohy amin'ny fiainana tontolo; ny tranon'ny Tompo no fonenana taona maro mifandimby!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 20, 1-16aTamin'izany andro izany, i Jesoa nanao itý fanoharana itý tamin'ny mpianany: “Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny lehilahy tompon-trano, izay nivoaka marainakoa hanakarama mpiasa ho any an-tanim-boalobony. Ary rahefa nifanaiky tamin'ny mpiasa izy fa denie iray avy isan'andro ny karamany, dia nasainy hankany an-tanim-boalobony izy ireo.
Fankalazana ny Eokaristia
Mba raiso, ry Tompo, ny fanatitra ifandraisanay aminao avo indrindra; ny nomenao no atolotray, ka enga anie izahay ho mendrika handray Anao Andriamanitra.
Hatsaram-po sy fanavotana lehibe no ao amin'ny Tompo!
Tompo ô, izao Sakramenta izao no iraisanay amin'i Kristy; koa mitalaho aminao mora fo izahay: enga anie hitovy endrika aminy etý an-tany ary hiray lova aminy any an-danitra.