Alakamisy 03 aogositra 2028

Alakamisy Fahafito ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 67, 6-7. 36

Andriamanitra ao amin'ny toerany masina; mampiditra ny olony ao an-tranony, manome hery sy tanjaka ny vahoakany.

Fangatahana

Andriamanitra ô, Ianao no vonjin'izay miankina aminao ary raha tsy Ianao, tsy misy na inona na inona vanona na masina; koa noho ny famindram-ponao tsy misy fetra dia tahio izahay mampiasa ny zava-mandalo eto an-tany mba tsy ho very anjara amin'ny harena mandrakizay.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Jer. 18, 1-6

Bokin'i Jeremia Mpaminany

« Toy ny tanimanga eo an-tanan'ny mpanefy ianareo eo an-tanako. »

Tonga tamin'i Jeremia ny tenin'ny Tompo nanao hoe: “Mitsangàna ianao, ka midìna ho any an-tranon'ny mpanefy tanimanga, ary any Aho hampandre anao ny teniko.” Dia nidina ho any an-tranon'ny mpanefy tanimanga aho; ka indro izy manao ny taozavany teo amin'ny ankodina fiasàny. Ary tsy vanona kosa ny vilany nataony, araka izay mety hahazo ny tanimanga eny an-tanan'ny mpanefy, ka nanao vilany hafa, araka izay tiany hatao indray, ny mpanefy tanimanga.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 145, 2. 3-4. 5-6
Fiv.: Sambatra izay manana ho Mpitahy ny Andriamanitr'i Jakôba.

Izaho midera ny Tompo, raha mbola velona aina, miantsa ny Andriamanitro, raha mbola misy koa!
Aza mba mitoky amin'ny manam-pahefana na amin'ny olombelona tsy afa-mamonjy: izay lasa fofon'aina, mody amin'ny tany: ka rava fikasana terý!
Sambatra izay manana ho Mpitahy ny Andriamanitr'i Jakôba, sy mametraka ny tokiny amin'Andriamanitra Tompony, Ilay nanao ny lanitra, ny tany sy ny riaka, sy izay rehetra ao amin'ireny.

Aleloia. Aleloia.
Mahatoky amin'ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin'ny asany rehetra.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 13, 47-53
« Fantenany ny tsara hankao an-karona, fa ny ratsy kosa ariany. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny vahoaka nanao hoe: “Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny harato nalatsaka tany anaty ranomasina, ka nanangona izao karazan-kazandrano rehetra izao: rahefa feno izy, dia nosarihana ho eny amoron-drano, ka nipetraka ny olona nifantina ny tsara hataony an-karona fa ny ratsy kosa nariany. Dia ho tahaka izany koa raha mby amin'ny fahataperan'izao tontolo izao: hivoaka ny anjely hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin'ny marina, ka hanipy azy any amin'ny memy mirehitra: any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify. Efa azonareo va izany?” Eny, hoy izy ireo taminy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, mba raiso ny tolotray fa avy aminao mazava fo sy malala-tanana ka noho ny herin'ny fahasoavanao, enga anie itý mistery itý hanamasina anay eto anivon'ny fiainana ankehitriny ary hitondra anay any amin'ny hasambarana mandrakizay.

Kômonio Sal. 102, 2

Isaory ny Tompo, ry fanahiko, aza misy hadinoina ny soa avy aminy.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, avy nandray ny Kômonio masina fahatsiarovana ny fijalian'ny Zanakao izahay, koa mihanta aminao: enga anie hitondra vonjy ho anay izany fanomezana izany fa avy amin'Ilay fatra-pitia anay.