Alahady 23 jolay 2028
Fanombohana ny Sorona Masina
MAHAIZA MAMPIANTRANO AN'ANDRIAMANITRA
Indro Andriamanitra manampy ahy, ny Tompo no mpanohana ny fanahiko. Hanolotra Sorona aminao amin'ny foko manontolo aho, ry Tompo, hidera ny hasoan'ny Anaranao.
Henoy vavaka izahay mpanomponao, ry Tompo, ary ampitomboy ao aminay ny fahasoavanao; hoentanin'ny fanantenana sy ny finoana ary ny fitiavana anie ny fonay, haharetanay lalandava mitandrina ny didinao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky Jenezy
Tamin'izany andro izany, ny Tompo niseho tamin'i Abrahama teo amin'ny lohasahan'i Mambre raha ilay nipetraka teo am-baravaran'ny lainy iny izy, tamin'ilay nigaingaina iny ny andro. Nanopy ny masony ary nijery izy, ka indreo olona telo lahy nijoro nifanandrify aminy. Vao nahita azy izy, dia nihazakazaka avy eo am-baravaran'ny lainy, nitsena azy, ary rehefa niankohoka tamin'ny tany izy, dia nanao hoe: “Tompo ô, raha nahita fitia eo imasonao aho, aza dia lalovana fotsiny lahy ny mpanomponao, fa aoka hangalàna rano kely ianareo, hanasana ny tongotrareo. Mialà sasatra eo ampototr'ity hazo ity ianareo; dia hangalako mofo kely ianareo hataonareo tohan'aina, vao manohy ny dianareo ianareo, fa izany no nandalovanareo amin'ny mpanomponareo”. Dia hoy ny navalin'ireo: “Ataovy àry, araka izay voalazanao”. Dia niverina faingana i Abrahama nankeo an-day amin'i Sarà ka nanao hoe: “Faingàna ianao, mangalà lafarîna intelon'ny famarana, ditio ka ataovy mofo”. Avy eo i Abrahama dia nandeha faingana ho any amin'ny andian'omby, dia naka zanak'omby anankiray tanora sy tsara izy, ary nomeny ny mpanompony izay nahandro izany faingana; dia nandray mena-dronono sy ronono mbamin'ilay zanak'omby efa nandrahoina izy, ary narosony izany teo anoloan'izy ireo, ary izy kosa nitsangana teo anilany, teo ampoto-kazo. Ary nihinana izy ireo. Raha efa izany dia hoy izy ireo taminy: “Aiza i Sarà vadinao?” Hoy ny navaliny: “Ao an-day ao izy”. Ary hoy izy: “Hiverina aty aminao indray aho, raha avin-taona toy izao, ary hanana zazalahy i Sarà vadinao”.
Iza, ry Tompo, no horaisinao an-trano sy honina ao am-bohitrao masina? Izay mahitsy famindra sy mitandro ny rariny: ny fony misaina ny marina; ny lelany tsy ekeny handainga; fady azy ny manisy ratsy sy ny maneso ny miara-monina.
Ny olo-meloka tsy hasohasoiny; ny matahotra ny Tompo no hajainy. Tsy mba maka zana-bola izy na mandray tamby hahameloka ny marina. Izay manao izany tsy hihontsona mandrakizay.
Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Kôlôsy
Ry kristianina havana, ankehitriny dia mifaly amin'ny fiaretako fahoriana ho anareo aho, fa mameno ao amin'ny nofoko izay tsy ampy amin'ny fahorian'i Kristy ho an'ny Tenany, dia ny Eglizy; fa voatendry ho mpandraharaha Azy aho noho ny nanomezan'Andriamanitra ahy ny fiadidiana anareo, mba hitoriako ny tenin'Andriamanitra an-tsakany sy an-davany, dia ilay hevi-miafina tsy nambara taloha hatramin'ny taranaka maro nifandimby, fa naseho kosa ankehitriny tamin'ny olona masina, dia ireo tian'Andriamanitra ho nampahafantarina ny maha-sarobidy amin'ny Jentily ny voninahitr'izany hevi-miafina izany, dia i Kristy fanantenana ny voninahitra ho anareo. Izy no torînay, ary ny olon-drehetra samy ampandrenesinay sy ampianarinay avokoa araka ny fahendrena rehetra mba hahatongavanay ny olon-drehetra ho lavorary ao amin'i Kristy Jesoa.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 10, 38-42Tamin'izany andro izany, i Jesoa niditra tao amin'ny vohitra anankiray, ary nisy vehivavy atao hoe Marta nandray Azy tao an-tranony. Nanan-drahavavy anankiray atao hoe Maria izy, izay nipetraka teo anilan'ny tongotry ny Tompo nihaino ny teniny; fa i Marta kosa sahirana tamin'ny fanompoana be. Dia niato kely izy ka nanao hoe: “Tompoko, tsy mampaninona Anao ve ny amelan'ny rahavaviko ahy hanompo irery? Mba asaovy manampy ahy re izy”. Fa namaly ny Tompo ka nanao taminy hoe. “Marta, Marta, maro tadiavina sy be tebiteby ianao, nefa zavatra iray monja no ilaina; fa i Maria no nifidy ny anjara tsara indrindra izay tsy halàna aminy”.
Ry kristianina havana, izao isika miangona alahady izao dia vonon-kivavaka ho an'ny olombelona rehetra; koa ankino amin'Andriamanitra ny hafaliany, ny ahiahiny, ny fijaliany sy ny fahotany, amin'izao ranombavaka ataontsika izao.
Tompo ô, ampianaro izahay, hahita hasambarana miaina miaraka aminao sahala amin'i Maria, ary koa ho faly manompo ny namana sahala amin'i Marta.
Fankalazana ny Eokaristia
Andriamanitra ô, Sorona tokana tonga lafatra no nandavorarianao ireo sorona isan-karazany tamin'ny lalàna fahiny; koa raiso ny tolotra ataonay mpanomponao ary hamasino sy tsofy rano toy ny fanatitr'i Abela, mba hahavonjy ny be sy ny maro izay atolotry ny tsirairay hanajana Anao avo indrindra.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
Nahefa zava-mahagaga tsy very tadidy ny Tompo mangoraka sy antra; manome hanina ny matahotra Azy.
Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Tompo, ombao fitahiana izahay vahoakanao vao nofahananao ny sakafo avy any an-danitra, ka mba esory hiala amin'ny toetranay fahiny ary ento hankeo amin'ny fiainam-baovao.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.