Alatsinainy 17 jolay 2028

Alatsinainy Fahadimy ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 16, 15

Hohamarinina aho ka hiseho eo anatrehanao; hiala liana mibanjina ny voninahitrao.

Fangatahana

Andriamanitra ô, Ianao mampiposaka ny hazavan'ny fahamarinanao hampody lalana ireo naniasia: koa tahio ireo manaraka ny finoana kristianina mba hitsipaka izay mifanohitra amin'ny anarana entiny sy hifikitra amin'izay tena maha-kristianina azy.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Iz. 1, 11-17

Bokin'i Izaia Mpaminany

« Misasà ianareo, midiova ianareo, esory ny haratsian'ny asanareo. »

Mihainoa ny tenin'ny Tompo, ry mpitsara an'i Sôdôma: Mampaninona Ahy izay habetsahan'ny soronareo? hoy ny Tompo. Efa tofoky ny ondralahy atao sorona dorana Aho, mbamin'ny saboran-janak'omby. Tsy sitrako ny ran'ombalahy, mbamin'ny ondry aman'osy. Raha tonga hiseho eo anatrehako ianareo, zovy moa no nitady anareo, handia izay kianjako akory? Atsaharo ny mitondra fanati-poana ho Ahy; fahavetavetana amiko ny emboka; raha ny amin'ny voaloham-bolana, sabata, fiantsoam-piangonana, dia tsy zakako hankasitrahana ny heloka sy ny fivoriana miaraka ampahibemaso. Halan'ny foko ny voaloham-bolana amam-petinareo; mavesatra amiko ireny, sasatra ny mandefitra izany Aho. Raha manandratra ny tananareo ianareo, misarona maso eo anoloanareo Aho; raha mampitombo ny fivavahana ianareo, tsy mihaino akory Aho: Feno ra ny tananareo. Misasà ianareo, midiova ianareo, esory ny haratsian'ny asanareo, hiala eo imasoko; mitsahara tsy hanao ratsy, mianara hanao soa; katsaho ny rariny, anaro ny mpampahory, omeo rariny ny kamboty, arovy ny mpitondratena.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 49, 8-9. 16bd-17. 21 sy 23
Fiv.: Izay misorona saotra no hasaiko, hohetsahiko amin'ny vonjiko.

Tsy ny fanatitrao no anadidiako anao: na ny sorona doranao izay anoloako lalandava! Ahoako inona izay vatotr'omby ao an-tranonao, na izay osilahy ao am-pahitrao?
Ahoana ianao no mitanisa ny didiko, sy manao ny fanekeko eo am-bava; ianao mpankahala anatra, sy mpanipy ny teniko any ivoho?
Izany ve no ataonao ka dia hangina Aho! Sa Izaho heverinao ho toa anao? Izay misorona saotra no hasaiko: ka hohetsahiko amin'ny vonjiko.

Aleloia. Aleloia.
Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy ka ho tian'ny Raiko ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 10, 34 — 11, 1
« Tsy hitondra fiadanana Aho, fa hitondra sabatra. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny Apôstôly nanao hoe: “Aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana eto an-tany Aho; tsy hitondra fiadanana no nahatongavako, fa hitondra sabatra; fa tonga Aho hampisaraka ny zanakalahy amin'ny rainy, sy ny zanakavavy amin'ny reniny, ary ny vinantovavy amin'ny rafozany vavy; ary ny ankohonan'ny olona ihany no ho fahavalony. Izay tia ny rainy sy ny reniny mihoatra noho Izaho, dia tsy mendrika Ahy; ary izay tia ny zanany lahy na ny zanany vavy mihoatra noho Izaho, dia tsy mendrika Ahy. Ary izay tsy mitondra ny hazofijaliany ka tsy manaraka Ahy, dia tsy mendrika Ahy. Izay mamonjy ny ainy no hahavery azy, fa izay hahafoy ny ainy noho ny amiko kosa no hahavonjy azy. Izay mandray anareo, mandray Ahy; ary izay mandray Ahy, dia mandray izay naniraka Ahy. Izay mandray ny mpaminany noho izy mpaminany, dia hahazo ny valisoan'ny mpaminany; ary izay mandray olo-marina, noho izy olo-marina, dia hahazo ny valisoan'ny olo-marina; ary na iza na iza hanome rano mangatsiaka na dia eran'ny kapoaka monja aza hosotroin'ny anankiray amin'ireo madinika indrindra ireo, noho izy mpianatro, dia lazaiko marina aminareo fa tsy ho very valisoa izy.” Ary rahefa tapitra ny fampianarana nomen'i Jesoa an'ireo mpianany roa ambin'ny folo lahy ireo, dia niala teo Izy, ka nandeha nampianatra sy nitory teny tamin'ny tanàna manodidina rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Topazo maso miantra, ry Tompo, ireto fanatitry ny Eglizy mitalaho aminao, ary mba omeo ny mpino rehetra ny vatsy natao hampitombo fahamasinana azy.

Kômonio Sal. 83, 4-5

Ny fody mahita trano, ny sidintsidina mahita akany ho an-janany ao amin'ny tempolinao, ry Tompon'ny hery rehetra, ry Mpanjakako sy Andriamanitro. Ka sambatra izay monina ao an-tranonao, fa hidera Anao mndrakizay izy ireo.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, nandray ny fanomezanao masina izahay, ka enga anie ny fandraisanay Kômonio matetika hampitombo ny vokatry ny famonjena anay.