Talata 11 jolay 2028
Fanombohana ny Sorona Masina
Andriamanitra ô, mivetso ny hatsaram-ponao eto amin'ny tempolinao izahay. Manerana ny vazan-tany ny Anaranao, ry Tompo, ka deraina hatraiza hatraiza. Ny fahamarinana dia eo an-tananao.
Andriamanitra ô, ny Zanakao nietry tena no nanarenanao ny olombelona lavon'ny fahotana, koa ataovy heni-kafaliana masina izahay mino Anao, ary enga anie izahay nafahanao tamin'ny fanandevozan'ny fahotana mba hataonao finaritra migoka ny haravoana tsy manam-pahataperana.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Osea Mpaminany
Izao no nolazain'ny Tompo: “Izy ireo nanangana mpanjaka nefa tsy avy amiko; nanendry mpifehy nefa tsy nahalala an'ireo Aho; nanao sampy tamin'ny volafotsiny amam-bolamenany, mba hanalana aminy ny volafotsy amam-bolamena. Naharikoriko Ahy itý zanak'ombinao, ry Samaria; nirehitra tamin'izy ireo ny fahatezerako. Mandra-pahoviana no tsy hahazoana mandio azy ireo? Fa avy amin'i Israely koa izy; mpanao taozavatra no nanamboatra azy, ka tsy andriamanitra izy io; fa hotorotoroina ny zanak'ombin'i Samaria! Namafy rivotra izy ireo, ka hijinja tafio-drivotra. Tsy hisy salohim-bary ho azy, fa hisy vary tsy vanon-ko lafarinina; ary raha vanon-ko lafarinina aza, ny hafa firenena no hihinana azy. Nampitombo ny ôtely i Efraima tamin'ny nanotany, ary ireo ôtely ireo nahalavo azy tamin'ny ota. Na hanoratra lohateny arivo ho azy amin'ny lalàko aza Aho, dia ho zavatra tsy mikasika azy no fijeriny an'izany. Ny sorona aterin'izy ireo ho Ahy, dia ny henan'ny zavatra novonoiny sy haniny; tsy ankasitrahan'ny Tompo izany. Hahatsiaro ny helok'izy ireo Izy ankehitriny, ka hanasazy ny fahotany: hiverina any Ejipta izy ireo.
Ny Andriamanitray dia any an-danitra any, ary vitany izay sitraky ny fony! Raha ny sampin-dry zareo dia volamena, volafotsy: asan-tanana ireny.
Manam-bava tsy miteny, mana-maso tsy mahita, manan-tsofin-tsy mandreny, manana oron-tsy mahambolo.
Manan-tanan-tsy mandray, manan-tongo-tsy mamindra. Ireo namorona azy ireny, ireo matoky ny hotahìny, enga anie hanahaka azy!
Ry taranak'i Israely, itokio ny Tomponao, sady Vonjy no ampinga. Ry taranak'i Aarôna, itokio ny Tomponao, sady vonjy no ampinga.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 9, 32-38Tamin'izany andro izany, indro nentin'ny olona teo amin'i Jesoa itý lehilahy anankiray sady moana no azon'ny demony. Ary nony voaroaka ny demony, dia niteny ilay moana ka gaga ny vahoaka sady nanao hoe: “Tsy mbola nisy toa izany tamin'i Israely.” Fa ny Farisianina kosa nanao hoe: “Ny lehiben'ny demony no androahany ny demony.” Ary i Jesoa nitety ny tanàna sy ny vohitra rehetra, nampianatra teo amin'ny sinagôgany sy nitory ny evanjelin'ny fanjakan'Andriamanitra, ary nahasitrana ny aretina mbamin'ny rofy rehetra. Onena Izy nahita ireto vahoaka be nijaly sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry. Dia hoy Izy tamin'ny mpianany: “Ny vary hojinjaina be, fa ny mpijinja no vitsy; koa mihantà amin'ny tompom-bary mba haniraka mpijinja amin'ny variny.”
Fankalazana ny Eokaristia
Tompo ô, handio anay anie ny fanatitra atolotray hanajana ny Anaranao masina, ary hitantana anay isan'andro hanao asa mendrika ny lanitra.
Andramo ary zahao fa tsara ny Tompo; sambatra ny olona mitoky aminy.
Tototry ny soa sarobidy avy aminao izahay, ry Tompo, ka mihanta aminao: mba ataovy mahazo ny fanomezana mahavonjy ary tsy hitsahatra midera Anao.