Asabotsy 08 jolay 2028
Fanombohana ny Sorona Masina
SABOTSY
Mitehafa tanana, ry vahoaka rehetra, miderà an'Andriamanitra amin'ny hobim-pifaliana.
Andriamanitra ô, ny fahasoavanao no nanangananao anay ho zanaky ny fahazavana, koa mihanta aminao izahay aza avela ho rakotry ny haizin'ny hevi-diso fa ataovy mamiratra lalandava amin'ny fahazavan'ny fahamarinana.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Amôsy Mpaminany
Izao no lazain'ny Tompo: Amin'izany andro izany, ny tranobongon'i Davida efa nianjera hatsangako indray, ny banga hotampenako, ny rava hamboariko; ka haoriko indray ho tahaka ny tamin'ny andro taloha; mba hananan'izy ireo izay sisa amin'i Edôma, mbamin'ny firenena rehetra niantsoana ny Anarako, — teny marin'ny Tompo — izay nanao izany zavatra izany. Indro avy ny andro, — teny marin'ny Tompo —, ka ny mpiasa tany hahatratra ny mpijinja; ary ny mpanosihosy voaloboka, hahatratra ny mpanely voa famafy ; hitete avy amin'ny tendrombohitra ny divay vaovao, ary ny havoana rehetra hitsonika. Hampodiko indray ny babo amin'i Israely vahoakako; ka ny tanàna rava, haoriny sy honenany indray; ny voaloboka hamboleny hisotroany ny divay avy aminy; hanao tanimboly izy ireo, hihinanany ny vokany. Hamboleko eo amin'ny taniny izy, ka tsy hongotako intsony hiala amin'ny tany, izay efa nomeko azy.
Hihaino izay lazain'ny Tompo aho: moa Izy tsy hiteny fiadanana ho an'ny olony, ho an'ny mpivavaka aminy, ho an'ireo mampitodika ny fo aminy?
Tafahaona ny hatsaram-po sy ny fahamarinana, mifanoroka ny rariny sy ny fiadanana: mitrebona an-tany ny fahamarinana, mitranga avy eny an-danitra ny rariny.
Ny Tompo manome orana amim-peo avo, ka ny tanintsika manome ny vokany. Ny rariny mizotra eo anoloany; ny fiadanana, eo amin'ny soritry ny diany!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 9, 14-17Tamin'izany andro izany, nankao amin'i Jesoa ny mpianatr'i Joany ka nanao hoe: “Nahoana izahay sy ny Farisianina no mifady hanina matetika, fa ny mpianatrao kosa no tsy mba mifady?” Ary hoy i Jesoa taminy: “Moa mahazo misaona va ny zanaky ny mpampakatra raha mbola eo aminy ny mpampakatra? Fa mbola ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra hiala aminy, ka amin'izay vao hifady hanina izy. Ary tsy misy olona manampina akanjo tonta amin'ny tapa-damba vaovao, fa handrovitra ny tonta ny vao ka hitatra ny rovitra. Ary ny barîka hoditra tonta tsy mba fasiana divay vaovao; fa raha izany, dia ho vaky ny barîka, ka ny divay raraka, ary ny barîka simba; fa ny barîka hoditra vaovao no fasiana divay vaovao, dia samy maharitra izy roroa.”
Fankalazana ny Eokaristia
Andriamanitra ô, Ianao no mampisy hasina ny Sorona atolotray, ka enga anie ny fanompoanay Anao hifanaraka amin'ireto fanatitra masina ireto.
Isaory ny Tompo, ry fanahiko, isaory ny Anarany masina, ry hery ao anatiko rehetra!
Mihanta aminao izahay, ry Tompo, enga anie hankahery anay bebe kokoa ny Sorona masina natolotray sy nandraisanay anjara izao, ary enga anie izahay ho tia Anao sy hiray aminao hatrany ka hitondra vokatra maharitra mandrakizay.