Zoma 30 jona 2028

Zoma Faharoa ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 27, 8-9

Ny Tompo no herin'ny vahoakany, mpiaro sy mpamonjy ny nohosorany. Tompo ô, vonjeo ny vahoakanao, tsofy rano fa lovanao, ary ento an-trotroana mandrakizay.

Fangatahana

Tompo ô, mba velomy lalandava ao am-ponay ny fanajana sy ny fitiavana ny Anaranao masina; satria tsy afoinao na oviana na oviana izay nataonao mafy orina amin'ny fitiavana Anao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany 2 Mpanj. 25, 1-12

Boky faharoan'ny Mpanjaka

« Nentina ho babo lavitry ny taniny i Jodà. »

Tamin'ny taona fahasivy nanjakan'i Sedesiasa tamin'ny volana fahafolo, andro fahafolon'ny volana, dia tonga hamely an'i Jerosalema i Nabokôdônôzôra mpanjakan'i Babilôna sy ny tafiny rehetra; dia niorin-dasy teo anoloany izy, ary nanao manda fanantomorana manodidina azy. Natao fahirano hatramin'ny taona faharaika ambin'ny folo nanjakan'i Sedesiasa ny tanàna.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 136, 1-2. 3. 4-5. 6.
Fiv.: Aoka hiraikitra amin'ny lanilaniko ny lelako raha tsy mahatsiahy anao aho.

Teo amoron'ny onin'i Babilôna, nitorovoka izahay, nitomany mafy nahatsiahy an'i Siôna! Ny lokanganay nahantonay tamin'ny hazomalahelo izay teny. Dia avy ny mpamabo nangataka hira; ny mpifaoka anay nangata-pifaliana! Ihirao hiran'i Siôna hoe zahay. Fa dia hataonay ahoana no fihira ny hiran'ny Tompo atý an-tanin'olona? Raha sanatria manadino anao aho, ry Jerosalema, aoka ho maina ny tanako Aoka hiraikitra amin'ny lanilaniko ny lelako, raha tsy mahatsiahy anao aho, raha tsy ianao, ry Jerosalema, no hany antom-pifaliako!

Aleloia. Aleloia.
Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 8, 1-4
« Raha mety Ianao dia mahay manadio ahy. »

Tamin'izany andro izany, raha nidina avy tany an-tendrombohitra i Jesoa, dia narahin'ny vahoaka betsaka. Ary indro nisy lehilahy boka anankiray nanatona, dia nitsaoka Azy ka nanao hoe: “Tompo ô, raha mety Ianao, dia mahay manadio ahy.” Ary i Jesoa naninjitra ny tanany, dia nanendry azy ka nanao hoe: “Mety Aho, madiova ianao.” Dia afaka niaraka tamin'izay ny habokany. Ary hoy i Jesoa taminy: “Tandremo, aza milaza na amin'iza na amin'iza, fa mandehana miseho amin'ny mpisorona, ary atolory ny fanatitra didian'i Môizy haterina mba ho vavolombelon'ny fahasitrananao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, itý sorom-pifonana sy fiderana itý ary enga anie hanadio anay ny fahasoavana avy aminy ka ho sitrakao ny fitiavana atolotry ny fonay.

Kômonio Sal. 144, 15

Any aminao avokoa ny mason'ny velona rehetra manantena Anao, ary Ianao manome ny sakafony ara-potoana.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, nahazo aim-baovao izahay nandray ny Vatana sy Ra masin'i Kristy koa mihanta aminao mora fo: enga anie izao fanompoam-pivavahana feno fitiavana fanaonay izao ho antoky ny fanavotana anay.