Alakamisy 22 jona 2028
Fanombohana ny Sorona Masina
Henoy, ry Tompo, ny feoko miantso Anao. Tongava hamonjy ahy, aza manary ahy, aza mahafoy ahy, ry Andriamanitra Mpamonjiko.
Ry Andriamanitra be fiantra ô, Ianao no andry iankinan'izay manantena Anao; ka atreho ny vavaka ataonay: ary raha tsy Ianao, tsy mahefa na inona na inona izahay fa nofo sy ra ka ombao fahasoavana mandrakariva hitandrina ny didinao mba hifanaraka amin'ny sitraponao na ny hevitray na ny asanay.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Siraka
Nitsangana hoatra ny afo i Elia mpaminany, ary nirehitra hoatra ny fanilo ny teniny. Niantso mosary hamely an'i Israely izy, ary nahavitsy isa azy, noho ny zotom-pony. Nanakatona ny lanitra tamin'ny tenin'ny Tompo izy, ary nampilatsaka afo avy any intelo toy izany ihany koa. Voninahitra lehibe manao ahoana, ry Elia, no azonao tamin'ny fahagagana nataonao, ary zovy no afaka hihambo ho mitovy aminao? Ianao nampitsangana ny maty anankiray hiala amin'ny fahafatesana sy amin'ny seoly, tamin'ny tenin'ny Avo indrindra; Ianao namarina mpanjaka ho amin'ny faharavana, sy olo-malaza avy amin'ny fandriany ho any amin'ny fahafatesana; ianao nandre fananarana teo ambonin'i Sinaia, sy didy famaliana tany Hôreba; ianao nanokana mpanjaka hanao famaliana, sy mpaminany handimby anao; ianao nofaohina tamin'ny tadio afo, sy tamin-kalesy tarihin-tsoavaly afo; ianao voatendry ao amin'ny teny mafy an-tsoratra ho amin'ny fotoana ho avy ho tsy maintsy hampitony ny hatezerana alohan'ny hirehetany, hitarika ny fon'ny ray ho amin'ny zanaka indray, ary hanangana ny firenen'i Israely indray. Sambatra izay hahita anao, ka ho voahaingon'ny fitiavana an'Andriamanitra! Fa izahay koa dia ho velona marina tokoa. Nony voahodidin'ny tadio i Elia dia tonga feno ny fanahiny i Elisea. Nandritra ny andro niainany tsy nisy mpanjaka nahahozongozona azy, ary tsy nisy olona nifehy azy. Tsy misy zavatra tsy azony natao, ary ny vatany tafandry tao am-pasana nanao fahagagana. Velona izy, nanao zava-mahagaga; maty indray, nanao zava-mahatalanjona.
Aoka hifaly izany tany fa manjaka izao ny Tompo, koa samia manao korana ianareo nosy maro. Fa ny rahona no lamba ihodidinan'ny mpanjaka. E! ny rariny sy ny hitsiny ijoroany ao an-drova!
Eo alohany ny afo no mandevom-pahavalo. Ka mazava izay lalovan'ireo tsela-mitsoriaka. Fa ny tany raha mahita tsy mitsaha-mihorohoro, tendrombohitra amin'izany dia mitsonika mikoa.
Fahamarinany no tian'izany lanitra hambara; voninahiny tazano hita mason'ny vahoaka: safo-kenatra avokoa izay manompo sarisary, manantena hirehareha ka mifikitra amin'ny sampy; ny andriamanitra rehetra miankohoka avokoa.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 6, 7-15Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny mpianany nanao hoe: “Raha mivavaka ianareo dia aza mba maro teny tahaka ny jentily, fa ataony ho ny hamaroan'ny teniny no hihainoana azy. Koa aza manahaka azy ianareo, fa na mbola tsy mangataka aminy aza ianareo, fantatry ny Rainareo izay ilainareo. Koa mivavaha toa izao ianareo:
Fankalazana ny Eokaristia
Andriamanitra ô, ireto fanatitra ireto no amelomanao sy anavaozanao ny olombelona; koa mihanta aminao izahay: enga anie tsy ho diso anjara amin'ny soa ateraky ny Sakramenta ny fanahy amam-batanay.
Ny zava-tokana angatahiko amin'ny Tompo ary katsahiko indrindra, dia ny honina ao an-tranon'ny Tompo amin'ny andro rehetra hiainako.
Manambara ny firaisan'ny mpino ao aminao, ry Tompo, ny Kômonio masina nomenao, ka enga anie ho tonga lafatra ny firaisanay ao amin'ny Eglizinao.