Zoma 16 jona 2028

Zoma Fahafolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 26, 1-2

Ny Tompo no faniloko sy vonjiko: iza no hatahorako? Ny Tompo no mandan'ny aiko: zovy no hangovitako?

Fangatahana

Ry Andriamanitra Andriananahary ô, loharano iavian'ny soa rehetra Ianao, koa mitalaho aminao izahay: mba tsilovy hahita ny marina ary tantano hanatontosa azy.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany 1 Mpanj. 19, 9a. 11-16

Boky voalohan'ny mpanjaka

« Mitsangàna eo amin'ny tendrombohitra eo anatrehan'ny Tompo. »

Tamin'izany andro izany, nony tonga tany antendrombohitr'Andriamanitra, tany Hôreba, i Elia, dia niditra tao anaty zohy ka nandry tao. Ary hoy ny Tompo taminy: “Mivoaha ianao, ka mitsangàna eo amin'ny tendrombohitra, eo anatrehan'ny Tompo, fa indro handalo ny Tompo.” Dia nisy rivotra be sady mahery, nampitsefatsefaka ny tendrombohitra sy nanorotoro ny vatolampy, teo alohan'ny Tompo; nefa tsy tao amin'ny rivotra ny Tompo. Nanarakaraka ny rivotra, nisy horohoron-tany, nefa tsy tao amin'ny horohoron-tany ny Tompo. Nanarakaraka ny horohoron-tany, nisy afo koa, nefa tsy tao amin'ny afo ny Tompo. Ary nanarakaraka ny afo, nisy fizozozozo malefaka sy malemy. Ka raha nandre izay i Elia, nosaronany ny kapaotiny ny tarehiny, ka dia nivoaka izy, ary nijanona teo am-bava zohy izy. Dia injay nisy feo reny nankeo aminy, nanao hoe: “Maninona atý ianao, ry Elia?” Ary hoy ny navaliny: “Feno hafanam-po ho an'ny Tompo Andriamanitry ny tafika aho, fa ny fanekenao nafoin'ny zanak'i Israely, ny ôtelinao nazerany, ny mpaminaninao novonoiny tamin'ny sabatra, izaho irery sisa, ary tadiaviny halàna aina aho.” Fa hoy ny Tompo, taminy: “Mandehana amin'ny dianao indray ho any amin'ny efitr'i Damasy; ka rahefa mby any ianao, hosory ho mpanjakan'i Siria i Hazaela, hosory ho mpanjakan'i Israely i Jehoa, zanak'i Namsî, ary hosory ho mpaminany handimby anao i Elisea, zanak'i Safàta, avy any Abela Meholà.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 26, 7-8a. 8b-9abd. 13-14.
Fiv.: Eny, ry Tompo, tadiaviko ny Tavanao.

Henoy, ry Tompo, ny feoko miantso! Iantrao aho, ka valio! Tadiavo ny Tavany, hoy ny foko mantsy Anao. Eny, ry Tompo, tadiaviko ny Tavanao!
Aza afenina ahy, ny Tavanao! Aza roahina amin-katezerana ny mpanomponao! Ry ilay Mpitahy ô, aza manary! Ry Andriamanitra Mpamonjy ô, aza mahafoy!
Eny, matoky aho fa hahita ny hasoan'ny Tompo any amin'ny Tanin'ny Velona! Mahandrasa ny Tompo, marisiha! Mahereza fo, mahandrasa ny Tompo!

Aleloia. Aleloia.
Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 5, 27-32
« Izay rehetra mijery vehivavy ka maniry azy dia manota sahady. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny mpianany nanao hoe: “Efa renareo fa voalaza tamin'ny Ntaolo hoe: 'Aza mijangajanga?' Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra hijery vehivavy ka maniry azy, dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady. Koa raha ny masonao ankavanana no manafintohina anao, dia esory izy ka ario lavitra anao, fa aleo zavatra iray amin'ny tenanao no very toy izay ny tenanao manontolo no ariana any amin'ny gehen'afo. Ary raha ny tananao ankavanana no manafintohina anao, dia tapaho ka ario lavitra anao, fa aleo rantsam-batana iray amin'ny tenanao no very toy izay ny tenanao manontolo no ariana any amin'ny gehen'afo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Ry Tompo be indrafo ô, topazo maso izahay manompo Anao, dia ho sitrakao ny fanatitray ary hitombo ny fitiavanay.

Kômonio Sal. 17, 3

Ny Tompo no vatolampiko, tany ialofako sy mpanafaka ahy; Izy no Andriamanitro sy andriko.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, ny Sakramentanao manasitrana ny rofy rehetra anie hanafaka anay amin'ny ratsy isan-karazany sy hitarika anay hizotra amin'ny lala-mahitsy.