Asabotsy 10 jona 2028
Fanombohana ny Sorona Masina
SABOTSY
Mba todiho aho, ry Tompo, iantrao fa honjohonjoko izaho irery mahantra. Andriamanitra ô, zahao ny fahoriako sy ny fijaliako, avelao ny otako rehetra.
Andriamanitra ô, milamina aoka izany ny fitantananao ny zavatra rehetra, ka mitalaho aminao re izahay: mba halaviro izay mety hanimba, omeo kosa izay mety hahasoa.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasy faharoa nosoratan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'i Timôte
Ry malala, izao no angatahiko aminao eo anatrehan'Andriamanitra sy i Kristy Jesoa, izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny andro hahatongavany sy hanjakany: mitoria ny teny, ary mahareta amin'izany na amin'ny fotoana, na tsy amin'ny fotoana; manitsia, mananara, mamporisiha, amim-pandeferana sy amim-pahaizana mandrakariva. Fa ho avy ny andro tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana marina intsony; fa mpampianatra araka ny filàny no hovorîny ho azy sy hahalian-tsofina azy; dia hanentsin-tadîny amin'ny marina izy ireo, fa hanongilan-tsofina amin'ny angano foana. Fa ianao kosa, malîna amin'ny zavatra rehetra, miareta amin'ny fahoriana, ataovy ny asan'ny mpitory Evanjely, ary imasoy ny anjara raharahanao. Fa izaho dia mova tsy ny efa haidina ho fanatitra sahady, ary efa antomotra ny andro hialako. Niady ny ady tsara aho, nahatanteraka ny fihazakazahana aho, nitahiry ny finoana aho; hany sisa hataoko dia ny mandray ny satro-boninahitry ny fahamarinana, izay homen'ny Tompo mpitsara marina ahy amin'izany andro izany, ary tsy ho ahy ihany, fa ho an'izay rehetra tia ny hahatongavany koa.
Ny vavako feno fiderana Anao, sy fanatoavana Anao tontolo andro. Aza ariana amin'ny fahanterako aho; aza ilaozana raha lany hery.
Fa izaho mahandry lalandava; ny fiderana Anao tovonako hatrany ny vavako mitanisa tontolo andro ny fahamarinanao sy vonjinao!
Andriamanitra ô! mbola kely aho no nampianarinao, ka hatrizao dia manambara ny asanao mahagaga. Koa amin'izao antitra sy fotsy volo izao, aza ilaozanao aho, ry Andriamanitra.
Ka hidera Anao mafy amin-torim-baliha aho noho ny fahamarinanao, ry Andriamanitro, sy hiantsa Anao amin-dokanga, ry Ilay Masin'i Israely!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka
Mk. 12, 38-44Tamin'izany andro izany, izao no nolazain'i Jesoa ny vahoaka, tamin'ny fampianarany: “Mahîna amin'ny mpanora-dalàna, izay tia ny mitsangantsangana miakanjo mirebareba, sy ny arahabaina eny an-kianja, ary ny fipetrahana voalohany ao amin'ny sinagôga, mbamin'ny fitoerana ambony amin'ny fanasana. Fa miseho ho manao fivavahana lavareny izy ireny, kanjo mihinana ny fananan'ny mpitondratena, ka vao mainka hohelohina mafimafy kokoa.”
Fankalazana ny Eokaristia
Tompo ô, matoky ny fitiavanao izahay miara-midodododo mitondra fanatitra eto amin'ny ôtelinao: ka handio anay anie ny fahasoavanao sy ny fanatitra entinay manompo Anao.
Miantsa Anao aho, satria mihaino ahy Ianao, ry Andriamanitra; anongilano sofina aho, ka henoy teny.
Enga anie, ry Tompo, hotarihin'ny Fanahinao Masina izahay, fa efa nofahananao tamin'ny Vatana aman-dRan'ny Zanakao, ka hidera Anao tsy am-bava fotsiny fa amin'ny asa sy ny toetra, ary ho mendrika hiditra any amin'ny fanjakan'ny lanitra.