Talata 29 febroary 2028

Talata Fahavalo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 17, 19-20

Nitsangana ho mpiaro ahy ny Tompo; nalany amin'ny mahaory aho, nafahany satria tiany!

Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie izao tontolo izao handry fehizay sy hizotra araka ny lahatrao, ary ny Eglizinao ho faly sy hiadana hanompo Anao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany 1 Pier. 1, 10-16

Taratasy voalohan'i Md. Piera Apôstôly

« Ny famonjena no zavatra nokatsahiny sy nokarohin'ny mpaminany izay naminany ny fahasoavana voatendry ho anareo. »

Ry kristianina havana, raha ny amin'ny famonjena ny fanahy dia zavatra nokatsahiny sy nokarohin'ny mpaminany izay naminany ny fahasoavana voatendry ho anareo. Nohadihadîn'izy ireo izay andro sy toe-javatra nambaran'ny Fanahin'i Kristy izay tao anatiny, ka nampahafantatra azy rahateo ny fijaliana hanjò an'i Kristy sy ny voninahitra hanaraka izany. Ary nambara tamin'izy ireo fa izany no nomena horaharahainy dia tsy mba ho azy ireo fa ho anareo; ary ireo olona nitory ny Evanjely taminareo ankehitriny, tamin'ny Fanahy Masina nirahina avy any an-danitra, no nampandre anareo izany zavatra izany, izay irîn'ny Anjely hojerena.
Koa amin'izany, sikino ny andilam-panahinareo, ka mahonòna tena, ary aoka ny fahasoavana izay hatolotra anareo amin'ny hisehoan'i Jesoa Kristy no halehan'ny fanantenanareo rehetra. Aoka ho zanaka manaiky ianareo, ka tsy hanaraka ny filan-dratsinareo intsony, toy ny nataonareo fahiny tamin'ny andron'ny tsy fahalalanareo; fa araka ny fahamasinan'Ilay niantso anareo no aoka ho fahamasinanareo koa, amin'ny fitondran-tenanareo rehetra, araka ny voasoratra hoe: Aoka ho masina ianareo, satria masina Aho.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 97, 1. 2-3ab. 3d-4
Fiv.: Hitan'ny firenena ny famonjen'ny Tompo.

Ihirao antsavao ny Tompo, fa mahagaga ny zava-bitany! Fa ny tanany no namonjy, nanampy Azy ny herin-tsandriny! Ka dia hitan'ny firenena ny famonjeny amam-pahamarinany! Mba tsarovy, ry Israely, ilay fitiavany tsy mivadika. He! zahao e, ry vazan-zany, izato vonjin'Andriamanitra! O ry tany, derao ny Tompo ka mientàna amin-karavoana!

Aleloia. Aleloia.
Niantso antsika tamin'ny alalan'ny Evanjely Andriamanitra mba hahazoantsika ny voninahitr'i Jesoa Kristy Tompontsika.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka

Mk. 10, 28-31
« Hahazo zato heny ianareo amin'itý fiainana itý, na dia anatin'ny fanenjehana aza, ary ny fiainana mandrakizay any amin'ny ho avy. »

Tamin'izany andro izany, i Piera nanao tamin'i Jesoa hoe: “Indro izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao.” Dia hoy ny navalin'i Jesoa azy: “Lazaiko marina aminareo fa tsy misy olona mahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny, na zanaka, na tany noho ny fitiavany Ahy sy ny Evanjely, ka tsy hahazo zato heny ankehitriny amin'itý fiainana itý, dia trano, rahalahy, anabavy, reny, zanaka, tany, na dia ao anatin'ny fanenjehana aza, ary ny fiainana mandrakizay any amin'ny ho avy. Fa maro amin'izay farany no ho voalohany, ary amin'izay voalohany no ho farany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Andriamanitra ô, tolotra avy aminao no nasainao enti-manaja ny Anaranao, ka mitalaho aminao mora fo izahay: enga anie ny Sakramenta nataonao hahitanay sitraka eo anatrehanao mba hahazoanay ny valisoa mandrakizay.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.

Kômonio Sal. 12, 6

Miantsa ny Tompo aho noho ny soa nataony tamiko, ary mankalaza ny Anaran'ny Tompo Avo indrindra.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Feno ny fanomezanao mahavonjy izahay ry Tompo, no mitalaho aminao be indrafo: enga anie ny Sakramenta amelomanao anay ankehitriny hahamendrika anay handray anjara amin'ny fiainana mandrakizay.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.