Alahady 27 febroary 2028
Fanombohana ny Sorona Masina
NY TENY LAZAINA NO AMANTARANA NY FO
Mitsangana ho mpiaro ahy ny Tompo; nalany amin'ny mahory aho, nafahany satria tiany!
Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie izao tontolo izao handry feizay sy hizotra araka ny lahatrao; ary ny Eglizinao ho faly sy hiadana hanompo Anao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Siràka Ekleziastika
Amin'ny fanetsiketsehana ny sivana, no ijanonan'ny faikany betsaka; amin'ny tenin'ny olona koa, no isehoan'ny kilemany. Ny memy no fizahan-toetra ny sinin'ny mpanao tanimanga; ary ny resany kosa no fizahan-toetra ny olombelona. Ny voan'ny hazo no ahafantarana ny tany aniriany; toy izany koa ny teny maneho ny hevitry ny fon'ny olombelona. Aza midera olona alohan'ny nitenenany, fa ny teny no fizahan-toetra ny olombelona.
Tsara ny mitory ny fitiavanao vao maraina sy ny fahamarinanao raha alina: amin-tory folo sy valiha, amin-kalo arahin-dokanga.
Ny olo-marina mamololona toa antrendry, misandratra avo toa sederan'i Libàna; ao an-tranon'ny Tompo izy no maniry, an-kianjan'ny Andriamanitsika no mandrobona.
Na antitra aza izy mbola mamokatra, milenodenoka, be ranon-kazo: ka maneho fa mahitsy ny Tompo; ao amin'ilay Vatolampiny, rariny avokoa.
Taratasy voalohan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Kôrinty
Ry kristianina havana, rehefa mitafy ny tsy fahalòvana ity mety lò ity, ka mitafy ny tsy fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka amin'izay ny teny voasoratra hoe: Efa noresena ny fahafatesana ka levona. Ry fahafatesana ô! aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô! aiza ny fanindronanao? Fa ny fahotana no fanindronan'ny fahafatesana; ary ny Lalàna no herin'ny fahotana. Hisaorana anie Andriamanitra, Izay nanome antsika ny fandresena, amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Tompontsika. Koa amin'izany, ry havako malalako, aoka ianareo hiorina mafy, tsy hiova, hahefa be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo, fa fantatrareo fa tsy foana ao amin'ny Tompo tsy akory ny fisasaranareo.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 6, 39-45Tamin'izany andro izany i Jesoa nanao fanoharana tamin'ny mpianany hoe: “Moa ny jamba mahatari-dalana ny jamba va? Moa tsy hiara-mianjera any an-kady va izy roa? Ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra, fa izay mpianatra tapi-pianarana no hoatra ny mpampianatra azy ihany. Nahoana no ny sombim-bozaka amin'ny mason'ny rahalahinao jerenao, nefa ny sakamandimby ao amin'ny masonao tsy hitanao? Ary hataonao ahoana no filaza amin'ny rahalahinao hoe: 'Ry rahalahy, aoka hoesoriko ny sombim-bozaka amin'ny masonao', nefa ny sakamandimby ao amin'ny masonao aza tsy hitanao? Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny sakamandimby amin'ny masonao, izay vao ho hitanao ny hanesoranao ny sombim-bozaka amin'ny mason'ny rahalahinao. Fa tsy misy hazo tsara mamoa voa ratsy, na hazo ratsy mamoa voa tsara. Fa samy fantatra amin'ny voany avy ny hazo rehetra; fa tsy misy mioty aviavy amin'ny tsilo, na voaloboka amin'ny voaroitsilo. Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin'ny rakitra tsaran'ny fony; ary ny olona ratsy fanahy kosa mamoaka ny ratsy avy amin'ny rakitra ratsin'ny fony; fa ny be ao am-pony no itenenan'ny vavany.”
Ry kristianina havana, tokony ho hazo tsara mamoa voa tsara isika kristianina, irak'Andriamanitra ho vavolombelony eo amin'izao tontolo izao, ka hitondra hasambarana eo amin'ny olona rehetra isan-tsokajiny.
Jesoa Tompo ô, ny herinao dia efa nandresenao ny ratsy rehetra mangeja anay, hatramin'ny fahafatesana, koa omeo amin'ny herinao izahay mba tsy ho kivy toy ny olona tsy manana fanantenana, fa ny herinao no ho herinay.
Fankalazana ny Eokaristia
Andriamanitra ô, tolotra avy aminao no nasainao enti-manaja ny Anaranao, ka mitalaho aminao mora fo izahay: enga anie ny Sakramenta nataonao hahitanay sitraka eo anatrehanao, mba hahazoanay ny valisoa mandrakizay.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
Miantsa ny Tompo aho noho ny soa nataony tamiko, ary mankalaza ny Anaran'ny Tompo avo indrindra.
Feno ny fanomezanao mahavonjy izahay, ry Tompo, no mitalaho aminao be indrafo: enga anie ny Sakramenta amelomanao anay ankehitriny, hahamendrika anay handray anjara amin'ny fiainana mandrakizay.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.