Alahady 20 febroary 2028
Fanombohana ny Sorona Masina
«SOAVY IREO TSY TIA ANTSIKA»
Tompo ô, matoky ny hatsaram-ponao aho. Mifaly ny foko satria namonjy ahy Ianao. Miantsa ny Tompo aho noho ny soa nataony tamiko.
Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary: mba ataovy mihevitra mandrakariva ny rariny sy ny hitsiny, ary mikatsaka izay mahafaly Anao na amin'ny teninay na amin'ny asanay.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky voalohan'i Samoela
Tamin'izany andro izany dia nitsangana i Saola, ka nidina nankany an'efitr'i Zifa, mbamin'ny telo arivo lahy, voafantina tamin'i Israely hitady an'i Davida any an'efitr'i Zifa. Alina no nahatongavan'i Davida sy i Abisaï tany amin'ny vahoaka; ary inty i Saola nandry tao afovoan'ny toby ka natory, ary ny lefony nitsatoka amin'ny tany teo anilan'ny ondany. I Abnera sy ny vahoaka mandry manodidina azy. Dia hoy i Abisaï tamin'i Davida: “Voahidin'ny Tompo eo an-tananao ity ny fahavalonao anio, ka ankehitriny mba avelao kely re hasiako amin'ny lefona izy dia hataoko miboroaka amin'ny tany amin'ny indray mamely monja, fa tsy hiverenako fanindroany. Fa hoy i Davida tamin'i Abisaï: “Aza mamono azy! Fa iza moa no haninji-tanana amin'ny voahosotry ny Tompo, ka ho afa-maina tsy ho voasazy?” Dia nalain'i Davida ny lefona sy ny siny fitoeran-drano teo anilan'ny ondan'i Saola, dia nandeha izy ireo. Tsy nisy olona nahita azy, tsy nisy nahalala, tsy nisy nahatsiaro, fa natory daholo izy rehetra, fa nandatsahan'ny Tompo torimaso nandrenoka azy izy ireo. Niampita tany an-dafy i Davida, ka nijanona lavitra teo antampon'ny tendrombohitra nisy elanelany lavitra nampisaraka azy roa tonta. Niteny i Davida nanao hoe: “Indro ny lefona, ry mpanjaka. Ny iray amin'ny zatovonao no aoka haka azy ety. Samy hovalian'ny Tompo araka ny fahitsiana amam-pahamarinany avy; fa efa natolotry ny Tompo teo an-tanako ianao androany nefa tsy nety naninjitra ny tanako tamin'ny voahosotry ny Tompo Aho.”
Isaory ny Tompo, ry fanahiko; ny Anarany masina, ry ato anatiko rehetra! Isaory ny Tompo, ry fanahiko; ny soa avy aminy aza misy hadinoina.
Izy ilay mamela ny helokao rehetra, sy manasitrana ny aretinao rehetra, manavotra ny sainao amin'ny hady, manototra fitiavana sy indrafo anao.
Mpamindra fo sy mpiantra ny Tompo, tsy malaky tezitra ary be fitiavana; tsy mba lalandava no ifandaharany, na mandrakizay no ahatezerany.
Tsy araka ny otantsika no ataony antsika, na araka ny helotsika no avaliny antsika. Ny hadisoantsika halaviriny amintsika. Tahaka ny ray mangoraka ny zanany, no angorahan'ny Tompo an'izay matahotra Azy.
Taratasy voalohan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Kôrinty
Ry kristianina havana: i Adama, lehilahy voalohany, natao aina mahavelona; fa i Adama faharoa kosa natao fanahy mahavelona. Tsy ny ara-panahy anefa no natao voalohany, fa ny manana aina fotsiny, vao ny ara-panahy. Avy amin'ny tany ny olona voalohany, ka tany; fa avy amin'ny lanitra kosa ny olona faharoa, ka lanitra. Manahaka ny tany izay rehetra tany; ary manahaka ny lanitra izay rehetra lanitra. Ary toy ny nitondrantsika ny endriky ny tany no hitondrantsika ny endriky ny lanitra koa.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 6, 27-38Tamin'izany andro izany, dia niteny tamin'ny mpianany i Jesoa nanao hoe: «Izao no lazaiko aminareo izay mihaino Ahy: Tiavo ny fahavalonareo, manaova soa amin'izay mankahala anareo, misaora an'izay manozona anareo ary mivavaha ho an'izay manisy ratsy anareo. Raha misy mamely ny takolakao anankiray, dia atolory azy koa ny ilany; ary raha misy maka ny lambanao, aza sakanana na halainy mbamin'ny akanjonao aza. Omeo izay rehetra mangataka aminao, ary raha misy mifaoka ny anananao, dia aza mitaky izany aminy intsony. Izay tianareo hataon'ny olona aminareo, no mba ataovy amin'ny olona koa. Raha izay tia anareo ihany no tianareo, fankasitrahana inona no tokony ho anareo? Fa na dia ny mpanota aza tia izay tia azy koa. Raha izay manisy soa anareo ihany no asianareo soa, fankasitrahana inona moa no tokony ho anareo? Ary raha izay antenainareo hanonitra ihany no ampisamborinareo, fankasitrahana inona moa no tokony ho anareo? Fa na dia ny mpanota koa aza, mampisambotra ny mpanota ihany, mba handraisany toraka izany. Fa ianareo kosa, tiavo ny fahavalonareo, manaova soa ary mampisambora tsy manantena valiny: dia ho lehibe ny valisoanareo, ary ianareo ho zanaky ny Avo indrindra, dia Ilay tsara fo amin'ny tsy mpankasitraka sy ny ratsy fanahy. Aoka ho mpamindra fo tahaka ny Rainareo mpamindra fo ianareo. Ary aza mitsara, dia tsy hotsaraina ianareo; aza manameloka, dia tsy hohelohina ianareo; mamelà, dia havela ianareo. Manomeza, dia homena ianareo; fatra tsara, mifatratra, sady mihintsana no avo loha no homena ho ao ampofoanareo: fa izay famarana namaranareo ihany no hamarana ho anareo koa».
Ry kristianina havana, mpanota navela avokoa isika rehetra; koa enga anie ny ranombavaka ataontsika izao tsy hijerena ny hevitra tsy mitovy, fa hoentintsika mangataka izay ilain'ny eran'ny tany tontolo.
Tompo ô, hanomboka ny Fankalazana ny Eokaristia izahay, koa ataovy miray fitiavana, ary ampianaro ho tia ny fahavalonay na izay efa nanao ratsy taminay, fa ho an'ny mpanota no nahafoizanao ny ainao.
Fankalazana ny Eokaristia
Manolotra Sorona fankatoavana Anao izahay, ry Tompo, no mitalaho an-tanan-droa aminao: ka enga anie ny fanatitra entinay manome voninahitra Anao avo indrindra mba hahazoanay ny famonjena.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
Hitanisa ny asanao mahagaga rehetra aho, hifaly sy hiravo ao aminao; ary hiantsa ny Anaranao, ry Andriamanitra avo indrindra.
Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary, mba ataovy azonay ny famonjena efa santarinay amin'izao mistery izao.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.