Alahady 12 desambra 2027
Fanombohana ny Sorona Masina
TSY MBA MANDAO ANDRIAMANITRA, FA FITIAVANA
Mifalia mandrakariva ao amin'ny Tompo! Eny, averiko indray mifalia! satria efa akaiky anie ny Tompo!
Andriamanitra ô, indreto ny vahoakanao entanim-pinoana miomana hankalaza ny nahaterahan'i Kristy Tomponay; koa mihanta aminao izahay: enga anie mba ho tody soa aman-tsara amin'ny hafaliana entin'ny Mpamonjy, sy harisika mandrakariva hankalaza an'izany amin'ny fomba manetriketrika.
Amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Sôfônia Mpaminany
Mihobia, ry zanakavavin'i Siôna! Manaova feo firavoravoana, ry Israely! Mifalia sy mireharehà amin'ny fonao rehetra, ry zanakavavin'i Jerosalema. Fa ny fitsarana nanameloka anao nesorin'ny Tompo, ny fahavalonao nentiny nihodivitra anao. Ny Tompo, Mpanjakan'i Israely, no eo aminao, ka tsy hahita loza intsony ianao. Amin'izany andro izany, izao no holazaina amin'i Jerosalema: “Aza matahotra, ry Siôna, ary aza miraviravy tanana! Ny Tompo Andriamanitrao no eo aminao, Mpamonjy mahery! Ary Izy haneho ny hafaliany lehibe noho ny aminao; hangina Izy amin'ny fitiavany; noho ny aminao dia hisebiseby amin'ny hobin-kafaliana. Hovorîko ireo latsaka am-pahoriana, tsy mahita fety lehibe hankalazaina”.
Endrey! Andriamanitra no famonjena ahy: tsy matahotra intsony aho fa matoky! Eny, fa ny Tompo no hery sy tanjako, Izy no famonjena ahy.
Am-piravoravoana ianareo no hanovo amin'ny loharanom-pamonjena, ka izao no ho teninareo amin'izay andro izay: Derao ny Tompo, antsoy ny Anarany torio ny vahoaka ny asany vaventy, ny haavon'ny Anarany ambarao!
Antsao ny Tompo fa naneho fiamboniana: ataovy antso avo izany eran-tany tontolo. Mientàna, mihobia, ry mponina ao Siôna, fa lehibe eo anivonao ny Masin'i Israely.
Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Filipy
Ry kristianina havana, mifalia mandrakariva ao amin'ny Tompo; eny, averiko indray: mifalia e! aoka ho fantatry ny olona rehetra ny hamoram-panahinareo: efa akaiky anie ny Tompo e! Aza manahy na inona na inona; fa ambarao an'Andriamanitra, amin'ny fivavahana amam-pifonana ary fisaorana, izay rehetra ilainareo na amin'inona na amin'inona. Hiaro ny fonareo sy ny sainareo ao amin'i Kristy Jesoa anie ny fiadanan'Andriamanitra, izay mihoatra ny fahalalana rehetra.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 3, 10-18Tamin'izany andro izany, nanontanian'ny vahoaka i Joany nataony hoe: “Inona àry no hataonay?” Dia namaly izy ka nanao hoe: “Izay manana akanjo roa dia aoka hanome ny tsy manana; ary izay manan-kanina dia aoka hanao toy izany koa”. Ary nisy poblikanina nanatona hataony batemy koa, ka nanao taminy hoe: “Inona no hataonay, ry mpampianatra ô?” Dia hoy izy taminy: “Aza mampandoa mihoatra noho izay nasaina alainareo”. Ary nisy miaramila koa nanontany azy hoe: “Ary izahay kosa, inona no mba hataonay?” Dia hoy ny navaliny azy: “Fadio ny fanaovana an-keriny sy ny fitorohana, ary mahaiza mianina amin'izay karamanareo”. Ary raha mbola niandry ny olona, sy samy nisaina tao am-pony fa i Joany angaha no Kristy, dia niteny i Joany ka nanao tamin'izy rehetra hoe: “Izaho manao batemy anareo amin'ny rano, fa avy Ilay mahery noho izaho, ary tsy mendrika hanala ny fehikapany akory aho: Izy no hanao Batemy anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo; eny an-tanany ny fikororohany ary hodioviny ny famoloany, ka ny vary hangoniny ao an-tsompitra, fa ny mololo kosa hodorany any amin'ny afo tsy mety maty”. Fananarana maro hafa koa no nentiny nitory ny Evanjely tamin'ny olona.
Ry kristianina havana, tsy vavaka sy fandraisana Sakramenta ihany no tokony hanomanana ny hahatongavan'ny Mesia, fa fitiavana hita amin'ny asa. Koa angataho Andriamanitra handrisika antsika olombelona rehetra hifankatia, hampandroso ny Fanjakan'i Jesoa Kristy ety an-tany.
Jesoa Tompo ô, ampio izahay hahita mazava izay vato misakana ao aminay sy manodidina anay, hahafahanay mandray Anao Mpamonjy tonga ety an-tany. Omeo hery izahay handresy ny fihatsarambelatsihy sy ny tsy rariny ary ny hery setra mba hiorenan'ny Fanjakanao eo amin'izao tontolo izao.
Fankalazana ny Eokaristia
Mihanta aminao izahay, ry Tompo, enga anie ho tontosa soa aman-tsara ity sorom-panompoana ity, ka hiteraka izay vokatra nokendrenao tamin'ny namoronanao azy sy hahazoanay tsy misy tomika ny famonjena.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
Ilazao ireo very hevitra hoe: «Mahereza fo ary aza matahotra; indro fa ny Andriamanitsika no ho avy ary hamonjy antsika Izy'>.
Mihanta aminao izahay, ry Tompo mora fo: enga anie izao Kômonio masina izao handio anay ho afaka amin'ny haratsianay ka hanomana anay ho mendrika ilay androm-pifaliana ho avy.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.