Alakamisy 25 novambra 2027
Fanombohana ny Sorona Masina
Hampanantena fiadanana ho an'ny vahoakany ny Tompo, ho an'ny mpivavaka aminy, ho an'ireo mampitodika ny fony any aminy.
Mihanta aminao izahay, ry Tompo, herezo ny sitraponay vahoakanao hikezahanay hampahavokatra ny fahasoavanao ka hahitanay fitahiana bebe kokoa avy amin'ny hatsaram-ponao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Daniely Mpaminany
Tamin'izany andro izany, dia avy nirodorodo ny olona ka nahita an'i Daniely nivavaka sy niantso an'Andriamanitra Tompony; dia nanatona ny mpanjaka sy niteny taminy ny amin'ilay didim-panjakana izy ireo nanao hoe: “Moa tsy nanoratra lalàna ianao fa na zovy na zovy mivavaka amin'andriamanitra na amin'olombelona, afa-tsy aminao irery mandritra ny telopolo andro, ry mpanjaka, dia hatsipy ao an-davaky ny liona?” Namaly ny mpanjaka nanao hoe: “Marina tokoa izany, araka ny lalàn'ny Meda sy ny Persa izay tsy azo ovàna.” Dia niteny indray izy ireo, ka nilaza teo anatrehan'ny mpanjaka hoe: “I Daniely anankiray amin'ireo babo avy amin'i Jodà anefa, ry mpanjaka, namotsifotsy anao, sy ny didy nosoratanao; fa manao ny fivavahany intelo isan'andro.” Nalahelo mafy ny mpanjaka nony nandre izany; raikitra tao am-pony ny hanafaka an'i Daniely, ka mandra-pilentiky ny masoandro izy, nitady hamonjy azy ihany. Fa nirodorodo nankao amin'ny mpanjaka ireo olona ireo, ka nanao tamin'ny mpanjaka hoe: “Aoka ho fantatrao, ry mpanjaka ô, fa lalàn'ny Meda sy ny Persa ny tsy ahazoana manova ny didy aman-dalàna rehetra efa navoaky ny mpanjaka.” Tamin'izay ny mpanjaka nanome teny hitondra an'i Daniely sy hanipy azy ao an-davaky ny liona. Niteny ny mpanjaka, ka nanao tamin'i Daniely hoe: “Ny Andriamanitrao izay tompoinao mandrakariva anie, no hanafaka anao!” Dia nalaina ny vato natampina ny vava lavaka, ka nasian'ny mpanjaka fitomboka tamin'ny fanombohan-kaseny sy ny fanombohan-kasen'ireo andriantompomenakeliny, mba tsy hisy hovana ny amin'i Daniely.
Ry ando aman'erika: isaory ny Tompo! Ry rano sy havandra: isaory ny Tompo!
Fanala sy zavona: isaory ny Tompo! Antoandro sy alina: isaory ny Tompo!
Mazava sy maizina: isaory ny Tompo! Ry raho-mamiratra: isaory ny Tompo
Ry tany tontolo: isaory ny Tompo! Tongava hihoby: isaory ny Tompo!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 21, 20-28Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny mpianany nanao hoe: “Rahefa hitanareo voahodidin'ny miaramila i Jerosalema, dia fantaro amin'izany fa efa antomotra ny fandravana azy, ka amin'izany, izay any Jodea aoka handositra any an-tendrombohitra, izay ao an-tanàna aoka hivoaka any ivelany, ary izay any an-tsaha aoka tsy hiditra ao an-tanàna intsony, satria izany andro izany no ho andro famaizana sy hahatanterahan'izay rehetra voasoratra. Loza ho an'ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin'izany andro izany, fa ho lehibe tokoa ny fahoriana eto an-tany, ary ho mafy ny hatezeran'Andriamanitra amin'itý firenena itý: haringana amin'ny lela sabatra izy, sy ho lasan-ko babo any amin'ny firenena rehetra, ary hohitsakitsahin'ny Jentily i Jerosalema mandrapahafenon'ny andron'ny Jentily. Hisy famantarana koa eny amin'ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary etý an-tany dia ho ory sy very hevitra ny firenena noho ny fikotrokotroky ny ranomasina sy ny onjany; ho ankona foana ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay loza hanjò an'izao tontolo izao, fa hihozongozona ny herin'ny lanitra. Dia ho hita amin'izay ny Zanak'Olona avy any ambonin'ny rahona amim-pahefana sy voninahitra lehibe. Raha vao miantomboka izany zavatra izany, dia miandrandrà ka asandrato ny lohanareo, fa efa akaiky ny fanavotana anareo.”
Fankalazana ny Eokaristia
Mba raiso, ry Tompo, ny fanatitra masina nasainao atolotra hanajana ny Anaranao ary ataovy mitandrina mandrakariva ny didinao izahay mba ho sitrakao ny fonay manolotra izao Sorona izao.
Derao ny Tompo, ry firenen-drehetra, fa aminay tsy mba lefy ny hatsaram-pony.
Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary, fa sambatra nahazo anjara tamin'ny zava-masina ka aza avela hisaraka aminao na oviana na oviana.