Alarobia 10 novambra 2027

Alarobia Faharoa amby telopolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 87, 3

Ho tonga eo anoloanao anie ny fivavahako; manongilàna sofina amin'ny antsoko, ry Tompo!

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, mba esory lavitra anay izay rehetra manampontsampona anay, ka rahefa afa-doza ny fanahy amam-batanay dia ho afaka manatontosa an-tsakany sy an-davany ny adidy rehetra aminao izahay.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Fahendrena 6, 1-11

Boky Fahendrena

« Mihainoa, ry mpanjaka, mba hianaranareo ny fahendrena. »

Mihainoa, ry mpanjaka, ary mamantara; mihainoa ny fampianarana, ianareo mitsara hatramin'ny faran'ny tany. Mampandria sofina, ianareo mpifehy ny sarambabem-bahoaka, ... ianareo mirehareha amin'ny fifehezanareo vahoaka be. Fantaro fa ny Tompo no nanome anareo ny hery, ary ny Avo indrindra no nanome anareo ny fahefana, dia Izy no handinika ny asanareo, sy hizaha toetra ny hevitrareo. Noho ianareo izay mpanao raharaha amin'ny fanjakany tsy mbola nitsara ara-drariny, na nitandrina ny lalàna, na nandeha araka ny sitrapon'Andriamanitra; dia hiantefa aminareo Izy, mahatsiravina sy tampoka fa fitsarana mafy no hatao amin'izay mandidy. Ny madinika, avela heloka amim-pamindram-po, fa ny manam-pahefana kosa faizina mafy. Tsy misy olona hihemoran'Ilay Mpanjakan'ny olona rehetra, ary tsy misy olona ambony hiatoany amin-kenamaso; fa samy noarìny ny lehibe sy ny kely, ary samy ahìny na ireto na iretsy. Nefa ny manam-pahefana hanaovana fitsapana mafy. Koa dia ianareo no hitenenako, ry mpanjaka, mba hianaranareo ny fahendrena, ka tsy ho lavo ianareo. Izay mitandrina ny lalàna masina, amim-pahamasinana, hohamarinina; ary izay mianatra azy hanan-kavaly. Koa aoka hankamamìnareo ny teniko; aoka haniry azy ianareo dia hahazo fampianarana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 81, 3-4. 6-7
Fiv.: Mitsangàna, ry Andriamanitra, hitsara ny tany.

Omeo rariny ny malahelo sy ny kamboty; omeo hitsiny ny tsy manana sy ny ory! Afaho ny malahelo sy ny mahantra ka esory amin'ny tanan'ny olon-dratsy! Andriamanitra ianareo, hoy Aho fahiny, sy zanak'Ilay Avo avokoa! Aoka, fa ho faty toy ny olombelona ihany ianareo, sy ho lavo tahaka ny nofo rehetra!

Aleloia. Aleloia.
Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema, Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 17, 11-19
« Ny vahiny indray itý no hany niverina hankalaza ny voninahitr'Andriamanitra. »

Tamin'izany andro izany nony nandeha ho any Jerosalema i Jesoa, dia nanara-tsisina an'i Samaria sy Galilea. Ary raha niditra tao amin'ny vohitra anankiray Izy, dia nifanena tamin'ny boka folo lahy izay nijanona teny lavidavitra teny. Dia niantso izy ireo ka nanao hoe: “Ry Jesoa Mpampianatra ô, mamindrà fo aminay.” Vantany vao nahita azy ireo Izy, dia nanao hoe: “Mandehana, misehoa amin'ny mpisorona”; ka nony nandeha ho any izy ireo dia sitrana teny am-pandehanana. Ary ny anankiray tamin'ireny, rahefa nahita fa sitrana izy, dia niverina ka nankalaza an'Andriamanitra tamin'ny feo mahery. Niankohoka tamin'ny tongotr'i Jesoa izy, dia nisaotra Azy; ary Samaritanina izy io. Dia niteny i Jesoa ka nanao hoe: “Moa tsy folo lahy va no nadio? Ka nankaiza àry ny sivy? Ny vahiny indray itý no hany niverina tamin'izy ireny mba hankalaza an'Andriamanitra?” Dia hoy Izy taminy: “Mitsangana, ary mandehana, fa ny finoanao no nahavonjy anao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Tompo ô, topazo maso miantra ireto fanatitra ireto fa ankalazanay ny nijalian'ny Zanakao; ka fo feno fitiavana anie no handraisanay ny hasina avy aminy.

Kômonio Sal. 22, 1-2

Ny Tompo no Mpiandry ahy: tsy misy mahaory ahy; ampiraotiny amin'ny vilo-maitso aho, entiny amin'ny rano manala sasatra.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Velom-pisaorana Anao izahay, ry Tompo, fa nofahananao tamin'ny fanomezana masina, koa mihanta aminao; enga anie hirotsaka aminay ny Fanahinao ary hahitsy fo hatrany izahay fa efa nandray ny hery avy any an-danitra.