Alatsinainy 08 novambra 2027

Alatsinainy Faharoa amby telopolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 87, 3

Ho tonga eo anoloanao anie ny fivavahako; manongilàna sofina amin'ny antsoko, ry Tompo!

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, mba esory lavitra anay izay rehetra manampontsampona anay, ka rahefa afa-doza ny fanahy amam-batanay dia ho afaka manatontosa an-tsakany sy an-davany ny adidy rehetra aminao izahay.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Fahendrena 1, 1-7

Fanombohan'ny Boky Fahendrena

« Malala-tanana ny fanahin'ny fahendrena; manerana izao tontolo izao ny Fanahin'ny Tompo. »

Tiavonareo ny fahamarinana, ianareo izay mpitsara eto an-tany; aoka ho araka ny hitsiny no fihevitrareo ny Tompo, ary amin'ny fo marina no hitadiavanareo Azy; fa mety ho hitan'izay tsy maka fanahy Azy Izy, ary miseho amin'izay matoky Azy. Satria ny hevi-dratsy mampisaraka amin'Andriamanitra, ary ny fahefany raha misy maka fanahy Azy miampanga ny adala. Ny fahendrena tsy mba miditra amin'ny fanahy misain-dratsy, ary tsy monina amin'ny vatana andevon'ny fahotana. Ny Fanahy Masina, mpanabe ny olona mandositra ny hafetsen-dratsy, manalavitra ny hevitra tsy misy saina, ary mihataka Izy raha mandroso ny heloka. Fa fanahy tia ny olombelona ny fahendrena, ka tsy avelany ho afa-potsiny ny mpiteny ratsy an'Andriamanitra amin'ny teny ratsy ataony. Satria Andriamanitra dia vavolombelon'ny voany. Mpamantatra marina ny fony, ary mandre ny teniny. Fa manerana an'izao tontolo izao ny Fanahin'ny Tompo, ary ao aminy avokoa ny zavatra rehetra, ka reny daholo izay lazain'ny olona.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 138, 1-3. 4-6. 7-8. 9-10
Fiv.: Tariho aho ho amin'ny lalam-pahagola.

Tompo ô! mandinika ahy Ianao, ka mahafantatra! Fantatrao aho na mipetraka na mitsangana; mbola lavitra, dia tsinjonao ny hevitro! Voadinikao aho na mamindra na miato; ny lalako tsy misy manavao Anao.
Ny teny tsy mbola eo amin'ny lelako, dia indro, ry Tompo, efa fantatrao tontolo! Voambombanao aho na aloha na aoriana; ny tananao mipetraka eo amboniko! Fahalalana mahagaga loatra amiko; avo loatra, tsy hamboiko takarina.
Aiza no hialako amin'ny fofon'ainao? Aiza no handosirako tsy ho anoloanao? Raha mananika ny lanitra aho, any Ianao; mitakoko any an-tSeoly, io koa Ianao.
Raha maka ny elatry ny mazava atsinanana aho, mba honina any am-paran'ny ranomasina, mbola ny tananao no mitondra ahy any, eny: ny tananao no mitantana!

Aleloia. Aleloia.
Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava manilo ny maso.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 17, 1-6
« Na diso aminao impito indray andro aza izy ka nanao hoe: Mifona aho, dia mamelà azy. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny mpianany nanao hoe: “Tsy maintsy ho avy ny fanafintohinana, fa loza ho an'izay iaviany! Aleo anantonana vato fikosohan-dafarinina ny vozony ka alentika any anatin'ny ranomasina izy toy izay manafintohina na dia ny anankiray amin'ireto madinika ireto aza. Koa mitandrema ianareo. Raha diso taminao ny rahalahinao, anaro izy, ka raha mivalo izy, dia mamelà azy. Ary na dia ho diso aminao impito indray andro aza izy, ka miverina impito koa manao hoe: 'Mifona aho', dia mamelà azy.” Ary hoy ny Apôstôly tamin'ny Tompo: “Ampitomboy ny finoanay.” Fa hoy ny Tompo: “Raha manam-pinoana ohatra ny voan-tsinapy iray ianareo, dia mahazo milaza amin'io voaroihazo io hoe: 'Miongota, ka mifindrà any amin'ny ranomasina', dia hanaiky anareo izy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Tompo ô, topazo maso miantra ireto fanatitra ireto fa ankalazanay ny nijalian'ny Zanakao; ka fo feno fitiavana anie no handraisanay ny hasina avy aminy.

Kômonio Sal. 22, 1-2

Ny Tompo no Mpiandry ahy: tsy misy mahaory ahy; ampiraotiny amin'ny vilo-maitso aho, entiny amin'ny rano manala sasatra.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Velom-pisaorana Anao izahay, ry Tompo, fa nofahananao tamin'ny fanomezana masina, koa mihanta aminao; enga anie hirotsaka aminay ny Fanahinao ary hahitsy fo hatrany izahay fa efa nandray ny hery avy any an-danitra.