Alahady 24 oktobra 2027
Fanombohana ny Sorona Masina
MPANELANELANA SY MPANASITRANA MAHAY MIANTRA I JESOA KRISTY
Miravoa ianareo mitady ny Tompo. Katsaho ny Tompo, dia hahery ianareo. Tadiavo lalandava ny hahita ny Tavany.
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, ampio izahay hitombo finoana sy fanantenana ary fitiavana, ary ataovy mankamamy ny didinao hahamendrika anay hahazo ny soa nampanantenainao.
Amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Jeremia Mpaminany
Izao no lazain'ny Tompo: Mihobia an-kafaliana ny amin'i Jakôba, manaova firavoravoana, noho ny amin'ilay lohan'ny firenena; ataovy re ny feonareo, mihirà hira fiderana, ka lazao hoe: Ry Tompo, vonjeo ny olonao, dia ny sisa amin'i Israely! Indro Aho mamerina azy, avy any amin'ny tany avaratra; manangona azy, avy any amin'ny faran'ny tany. Ho eo amin'izy ireo ny jamba sy ny mandringa, ny manana anaka sy ny efa mihetsi-jaza; hanao dia be izy ireo no hiverina aty. Hiverina amin-dranomaso izy; ary eo amin'ny fifonany no hitondrako azy miverina; eny amin'ny rano velona, no hitarihako azy, amin'ny lalana marin-tampona tsy hahatafintohina azy; satria efa ray ho an'i Israely Aho, ary lahimatoako i Efraîma.
Raha ny Tompo nampody an'i Siôna izay babo, dia toa nofinofy ny anay; vakin'ny hehy izahay, nanakoako ny hiranay!
Ireo firenena kosa nitakoritsika: “Lalina ity nataon'ny Tompo taminy!” Lalina tokoa ny nataony taminay: koa akory izany hafalianay!
Ampodio, ry Tompo, ny babo taminay; avereno faingana toy ny ranotrambo.
Izay mamafy amin-dranomaso no mijinja amin-kira. Eny, tokoa, raha mandroso no tomany am-panipazana ny voa; fa nony miverina, manakora sy mihoby no milanja ny vokatra!
Taratasy ho an'ny kristianina Hebrio
Ry kristianina havana, rehefa mety ho Mpisorombe ka alaina amin'ny olona, dia tendrena ho solon'ny olona amin'ny fifampiraharahàny amin'Andriamanitra, mba hanolotra fanatitra sy sorona noho ny ota; sady mahay miantra ny tsy mahalala sy ny mania izy, satria na ny tenany aza mba voan'ny fahalemena ihany koa, ka noho izany fahalemeny izany, tsy maintsy manao sorona ho an'ny tenany, toy ny ataony ho an'ny vahoaka ihany koa izy. Ary tsy misy mahazo maka izany voninahitra izany ho an'ny tenany, afa-tsy izay antsoin'Andriamanitra tahaka an-dry i Aarôna ihany. Dia toy izany koa i Kristy, fa tsy Izy no nanandra-Tena ho Mpisorombe, fa Ilay nanao taminy hoe: “Zanako Ianao, Izaho no niteraka Anao androany”; sy nilaza amin'ny teny hafa koa hoe: “Ianao no Mpisorona mandrakizay araka ny fomban'i Melkisedeka”.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka
Mk. 10, 46-52Tamin'izany andro izany, i Jesoa sy ny mpianany, dia tonga tao Jerikô, ary nipetraka nangataka teo amoron-dalana kosa i Bartime jamba zanak'i Time. Nony reny fa hoe i Jesoa Nazareanina izany, dia rafitra niantso izy nanao hoe: “Ry Jesoa Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko”. Ary maro no nandrahona azy mafy mba hampangina azy, fa vao mainka niantso mafimafy kokoa izy nanao hoe: “Ry zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko”. Dia nijanona i Jesoa, ka nampiantso azy. Ary nantsoin'ny olona izy sy nilazany hoe: “Matokia! mitsangàna, fa antsoiny ianao”. Dia nariany ny lambany, ka niezaka nanatona an'i Jesoa izy. Ary hoy i Jesoa taminy: “Inona no tianao hataoko aminao?” Dia hoy ilay jamba: “Rabony ô, aoka mba hahiratra aho”. Ary hoy i Jesoa: “Mandehana, fa ny finoanao no nahavonjy anao”. Dia nahiratra niaraka tamin'izay izy, ka nanaraka Azy teny an-dalana.
Fankalazana ny Eokaristia
Topazo maso, ry Tompo, ireto fanatitra atolotray Anao Avo indrindra, ka ny voninahitrao anie no ho voalohany kendrenay amin'ny fanompoam-pivavahana ataonay.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
Novonjenao izahay ka hihoby Anao sy hirebika amin'ny Anaranao Andriamanitray.
Ho tanteraka aminay anie, ry Tompo, izay ambaran'ny Sakramentanao, ka ny ankalazainay amin'ny endri-javatra ankehitriny anie, mba tena ho azonay any an-koatra.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.