Alahady 17 oktobra 2027
Fanombohana ny Sorona Masina
NY FIJALIANA: AZO AMPIASAINA HO FANAVOTANA
Tompo ô, miantso aho, ka valio: atongilano ny sofinao ka henoy aho! Ambeno toy ny anakandriamaso aho; alofy ao ambany elatrao.
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, ataovy miraiki-po lalandava aminao izahay, hanompo Anao Avo Indrindra amin'ny fonay tokoa.
Amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Izaia Mpaminany
Sitraky ny Tompo ny nanorotoro ny Mpanompony tamin'ny fijaliana, nefa rehefa voaatitry ny fanahiny ny sorom-panorenana, dia hahita taranaka izy, ho lava andro iainana, ary hambinina eo an-tanany ny hevitra nokasain'ny Tompo. Noho ny fijalian'ny fanahiny, dia nahita izy, ka ho afa-po. Ilay marina, Mpanompoko, noho ny fijaliany, hanamarina olona betsaka, ary ny tenany hivesatra ny helok'ireo.
Eny, marina ny tenin'ny Tompo, ny asany rehetra mahatoky, ny rariny sy hitsiny no tiany, mameno ny tany ny fitiavany.
Izay matahotra ny Tompo ahîny, eny, izay miantehitra amin'ny fitiavany hafahany amin'ny fahafatesana, hovelominy amin'ny taona mosarena.
Izahay manantena ny Tompo ilay Mpitahy sy Mpiaro anay. Ny fitiavanao, ry Tompo ô, ho eo aminay matoky anao!
Taratasy ho an'ny kristianina Hebrio
Ry kristianina havana, manana Mpisorona lehibe isika izay lasa namaky ny lanitra, dia i Jesoa Zanak'Andriamanitra, koa aoka hotanantsika mafy ny finoana efa nekentsika. Satria tsy Mpisorombe tsy mahalala mangoraka ny fahalementsika no antsika; fa efa nalaim-panahy tahaka antsika tamin'ny zavatra rehetra Izy, afa-tsy ny fahotana. Koa aoka isika hanatona ny fiketrahan'ny fahasoavana amim-pahatokiana, mba hahazoantsika famindram-po, sy hahitantsika fahasoavana ary hamonjena antsika amin'ny andro hilàntsika izany.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka
Mk. 10, 35-45 (lava); na 42-45 (fohy kokoa)Tamin'izany andro izany, nanatona an'i Jesoa i Jakôba sy i Joany zanak'i Zebede ka nanao hoe: “Ry Mpampianatra ô, tianay mba hataonao aminay izay hangatahinay aminao”. Ary hoy Izy: “Inona no tianareo hataoko aminareo?” Dia hoy ireo: “Aoka ny anankiray aminay mba hipetraka eo ankavananao ary ny anankiray eo ankavianao any amin'ny voninahitrao”. Ary hoy i Jesoa taminy: “Tsy fantatrareo izay angatahinareo; moa mahasotro ny kapoaka izay hosotroiko va ianareo, na mahazaka ny batemy izay hanaovana batemy Ahy?” Hoy ireo taminy hoe: “Zakanay”. Fa hoy kosa i Jesoa: “Raha ny kapoaka hosotroiko, dia hosotroinareo ihany tokoa, ary ny batemy hanaovana batemy Ahy dia hanaovana batemy anareo ihany koa; fa raha ny hipetraka eo ankavanako sy eo ankaviako kosa, dia tsy Ahy ny hanome izany, fa ho an'izay nanamboarana azy ihany izany”. Nony nandre izany izy folo lahy dia tezitra tamin'i Jakôba sy i Joany; fa nantsoin'i Jesoa izy ireo ka nilazany hoe:
(Tamin'izany andro izany, i Jesoa niantso ny roa ambin'ny folo lahy ka nilaza hoe:)
“Fantatrareo fa amin'ny fanjakan'izao tontolo izao, dia ny mpifehy no mitsangana ho tompo mandidy, ary ny lehibe no miseho ho mpifehy manam-pahefana. Fa aminareo kosa tsy mba tahaka izany; fa izay te ho lehibe indrindra no aoka ho mpanompo anareo, ary izay te-ho ambony indrindra eo aminareo no aoka ho mpanomponareo rehetra. Fa ny Zanak'olona tsy mba tonga hotompoina, fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro”.
Ry kristianina havana, tsy mbola mifampitondra toy ny mpiray tam-po ny olombelona fa mbola mijery ny maha-samy hafa razana sy volon-koditra ary toe-karena sy fomba fiaina. Koa mangataha amin'i Jesoa Kristy mba samy ho vonon-kanompo toa Azy isika sy ny olombelona rehetra.
Jesoa ô, Tompon'izao tontolo izao Ianao, nefa nifidy ny hanompo ny olombelona arin-tananao; koa ampianaro izahay hahatsiaro fa toetra soa ny mietry sy mahafoy tena hanompo ny namana.
Fankalazana ny Eokaristia
Tompo ô, mihanta aminao izahay manolotra izao fanompoana izao, mba ataovy afaka malalaka manompo Anao ny fonay ary diovy amin'ny fahasoavanao, dia ho mendrika handraisanay ny Kômonio.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
Indro ny mason'ny Tompo eo amin'izay matahotra Azy sy amin'izay matoky ny hatsaram-pony, hanafaka ny fanahiny amin'ny fahafatesana sy hamelona azy amin'ny andro mosarena.
Mihanta aminao izahay, ry Tompo; enga anie hitombo fahamasinana izahay mankalaza sy manatanteraka ny Sorona masina; ka sady hoambinina amin'ny zava-mandalo, no hahay hankafy ny soa mandrakizay.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.