Asabotsy 18 septambra 2027
Fanombohana ny Sorona Masina
SABOTSY
Omeo fiadanana ireo manantena Anao, ry Tompo; enga anie ho masin-teny ny mpaminany; henoy ny vavak'i Israely mpanomponao sy vahoakanao.
Topazo maso izahay, ry Andriamanitra mpitantana ny zavatra rehetra, ary ataovy manompo Anao amin'ny fonay tokoa mba handrenesanay ny herin'ny famindram-ponao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasy voalohan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'i Timôte
Ry malala, izao no ananarako anao eo anatrehan'Andriamanitra, mpamelona ny zavatra rehetra, sy i Kristy Jesoa, izay vavolombelona nanao ilay fanekena fatratra faha-Pôntsy-Pilaty: tahirizo tsy hanam-pentina na hisy tsiny ny didy, hatramin'ny fisehoan'i Jesoa Kristy Tompontsika izay hasehon'Andriamanitra amin'ny fotoany, dia ilay Andriamanitra sambatra, Mpandidy tokana, Mpanjakan'ny mpanjaka, Tompon'ny tompo. Izy irery no manana ny tsy fahafatesana, mipetraka ao amin'ny fahazavana tsy hay hatonina, tsy misy olombelona nahita Azy na mety hahita Azy, ary Azy ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay.
Hobio Izy Tompo, ry tany tontolo, ka fo falifaly anompoana ny Tompo. Tongava eo aminy mihira, miravo.
Ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra: fa Azy isika satria noarìny, sy tena vahoakany, ondry fiandriny.
Ireo vavahadiny idiro amin-tsaotra, ny ao an-kianjany idiro amin-dera: derao Izy Tompo; ny Anarany isaory.
Miaiky isika fa tsara ny Tompo! fa mandrakizay ny fitiavany antsika, amin'ny taona rehetra ny fahamarinany.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 8, 4-15Tamin'izany andro izany, nisy vahoaka betsaka tafavory avy amin'ny tanàna maro hanatona an'i Jesoa, dia nanao fanoharana Izy hoe: “Nivoaka ny mpamafy hamafy ny voany; ary nony namafy izy, ny sasany latsaka tany amoron-dalana ka sady voahitsakitsaka no notsindrohin'ny voro-manidina; ny sasany latsaka tamin'ny vato ka nalaky nitsimoka, nefa nalazo satria tsy nisy mando; ny sasany latsaka tamin'ny tsilo ka niara-naniry tamin'ny tsilo, dia voagejany; ary ny sasany latsaka tamin'ny tany tsara ka naniry, dia namoa injato heny.” Rahefa nilaza izany Izy dia niantso hoe: “Aoka hihaino izay manan-tsofina hihainoana.”
Fankalazana ny Eokaristia
Aoka hanohina ny fonao, ry Tompo, ny fitalahoanay; ary horaisinao ireto fanatitra ataon'ny mpanomponao mba hahavonjy ny be sy ny maro izay atolotry ny tsirairay hanajana ny Anaranao.
Endrey, sarobidy ny hatsaram-ponao, ry Tompo! Fa ny zanak'olombelona hialoka ambany elatrao.
Haninteraka ny fanahy amam-batanay anie, ry Tompo, ny hasin'ny fanomezanao avy any an-danitra, ka ny hery avy aminy fa tsy ny saim-pantatray, no hitarika anay lalandava.