Alarobia 15 septambra 2027

Alarobia Fahaefatra amby roapolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sir. (Ekl.) 36, 18

Omeo fiadanana ireo manantena Anao, ry Tompo; enga anie ho masin-teny ny mpaminany; henoy ny vavak'i Israely mpanomponao sy vahoakanao.

Fangatahana

Topazo maso izahay, ry Andriamanitra mpitantana ny zavatra rehetra, ary ataovy manompo Anao amin'ny fonay tokoa mba handrenesanay ny herin'ny famindram-ponao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany 1 Tim. 3, 14-16

Taratasy voalohan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'i Timôte

« Lehibe tokoa ny mistery fototry ny fivavahana. »

Ry malala, manoratra izany aminao aho, na dia manantena hankatý aminao faingana aza, satria amin'izay, raha tahiny tratra ela aho, dia misy hahafantaranao izay fitondran-tena tsy maintsy ataonao ao amin'ny ankohonan'Andriamanitra, dia ny Eglizin'Andriamanitra velona, izay andry sy fiorenan'ny marina. Ary tsy azo lavina, fa lehibe tokoa ny mistery fototry ny fivavahana, dia ilay naseho teo amin'ny nofo, nohamarinina tao amin'ny Fanahy, niseho tamin'ny anjely, notorìna tamin'ny Jentily, ninoana tamin'izao tontolo izao, ary nakarina tamim-boninahitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 110, 1-2. 3-4. 5-6
Fiv.: Lehibe ny asan'ny Tompo.

Izaho midera ny Tompo amin'ny foko tontolo am-pivorian'ny olo-marina sy am-Piangonam-be! Lehibe ny asan'ny Tompo, mampisaina izay rehetra tia Azy.
Voninahitra sy fiamboniana no vitan'ny Tompo maharitra mandrakizay ny fahamarinany. Nahefa zava-mahagaga tsy very tadidy Izy. Mangoraka sy antra ny Tompo.
Manome hanina ny matahotra Azy Izy, fa mahatsiaro ny fanekeny mandrakizay. Naneho asa mahery tamin'ny vahoakany Izy, fa nanome azy ny lovan'ireo firenena.

Aleloia. Aleloia.
Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 7, 31-35
« Nitsoka sodina izahay, fa tsy nandihy ianareo; nanao hira mampalahelo izahay, nefa tsy nitomany ianareo. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny vahoaka nanao hoe: “Hohariko amin'iza re ny olona amin'itý taranaka itý, ary tahaka an'iza izy? Tahaka ny ankizy mipetraka eny an-kianja izy, izay mifampilaza hoe: 'Nitsoka sodina izahay, fa tsy nandihy ianareo; nanao hira mampalahelo izahay, nefa tsy nitomany ianareo.' Fa tonga i Joany Batista tsy nihinana mofo na nisotro divay, lazainareo hoe: 'Azon'ny demony izy.' Tonga indray ny Zanak'Olona mihinana sy misotro, ataonareo hoe: 'Lehilahy tendan-kanina sy mpisotro io, sady sakaizan'ny poblikanina sy ny olon-dratsy fiaina.' Fa ny Fahendrena efa nohamarinin'ny zanany rehetra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Aoka hanohina ny fonao, ry Tompo, ny fitalahoanay; ary horaisinao ireto fanatitra ataon'ny mpanomponao mba hahavonjy ny be sy ny maro izay atolotry ny tsirairay hanajana ny Anaranao.

Kômonio Sal. 35, 8

Endrey, sarobidy ny hatsaram-ponao, ry Tompo! Fa ny zanak'olombelona hialoka ambany elatrao.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Haninteraka ny fanahy amam-batanay anie, ry Tompo, ny hasin'ny fanomezanao avy any an-danitra, ka ny hery avy aminy fa tsy ny saim-pantatray, no hitarika anay lalandava.