Asabotsy 11 septambra 2027
Fanombohana ny Sorona Masina
SABOTSY
Marina Ianao, ry Tompo, ary mahitsy ny fitsaranao. Araka ny hatsaram-ponao atao ny mpanomponao.
Andriamanitra ô, Ianao no nanavotra anay sy nanangana anay ho zanakao; koa henoy ireto zanaka nateraky ny fitiavanao, fa mino an'i Kristy izy, ka mba omeo ny fahafahana marina sy ny lova maharitra mandrakizay.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasy voalohan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'i Timôte
Teny marina tokoa sy mendrika hitokiana indrindra izao: Tonga tetý an-tany i Kristy Jesoa hamonjy ny mpanota, ary izaho no lohany indrindra aminy; fa izany indrindra no nahazoako famindram-po, dia ny mba hanamparan'i Kristy Jesoa ny haben'ny famindram-pony amiko aloha, mba ho fianarana ho an'izay hino Azy ho amin'ny fiainana mandrakizay. Ho an'ny Mpanjakan'ny taona rehetra anie, dia Ilay tsy mety maty, sy tsy hita maso, ary hany Andriamanitra tokana, ny haja amam-boninahitra mandrakizay mandrakizay. Amen.
Derao, ry mpanompon'ny Tompo. Derao ny Anaran'ny Tompo. Tsarovy ny Anaran'ny Tompo, na izao na ho mandrakizay.
Tongava marain-tsy hariva: hidera ny Anaran'ny Tompo. Ambonin'ireo firenena: Ny lazany avo dia avo!
Moa misy mitovy amin'ny Tompo? Ka miondrika Izy mijery, na lanitra izany na tany. Alàny amin'ny fako ny ory, esoriny avy eo ny mahantra.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 6, 43-49Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny mpianany nanao hoe: “Tsy misy hazo tsara mamoa voa ratsy, na hazo ratsy mamoa voa tsara. Fa samy fantatra amin'ny voany avy ny hazo rehetra; fa tsy misy mioty aviavy amin'ny tsilo, na voaloboka amin'ny voaroitsilo. Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin'ny rakitra tsaran'ny fony; ary ny olona ratsy fanahy kosa mamoaka ny ratsy avy amin'ny rakitra ratsin'ny fony; fa ny be ao am-pony no itenenan'ny vavany.
Fankalazana ny Eokaristia
Ry Andriamanitra loharanon'ny fitiavana marina sy ny fiadanana, hahay hanaja Anao avo indrindra anie izahay amin'ireto fanatitra ireto sy hiray fo aman-tsaina, fa miombona anjara amin'izao Sorona izao.
Toy ny serfa maniry ranovelona ny fanahiko maniry Anao, ry Andriamanitra! Ny fanahiko mangetaheta an'Andriamanitra, Ilay velona sady mahery!
Tompo ô, nofahananao sy nomenao hery tamin'ny teninao sy ny hanina masina izahay mino Anao, ka ataovy mahazo voka-tsoa avy amin'ny fanomezan'ny Zanakao malalanao mba ho mendrika hiombona anjara lalandava amin'ny fiainany masina.