Alakamisy 09 septambra 2027

Alakamisy Fahatelo amby roapolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 118, 137. 124

Marina Ianao, ry Tompo, ary mahitsy ny fitsaranao. Araka ny hatsaram-ponao atao ny mpanomponao.

Fangatahana

Andriamanitra ô, Ianao no nanavotra anay sy nanangana anay ho zanakao; koa henoy ireto zanaka nateraky ny fitiavanao, fa mino an'i Kristy izy, ka mba omeo ny fahafahana marina sy ny lova maharitra mandrakizay.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Kôl. 3, 12-17

Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Kôlôsy

« Mitafia ny fitiavana izay fehin'ny hatsaram-panahy rehetra. »

-masina">Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 150, 1-2. 3-4. 5-6
Fiv.: Ny manana aina rehetra, aoka hidera ny Tompo!

Derao Andriamanitra any an-toerany masina! Derao Izy any amin'ny habakabany mahery! Derao Izy noho ny fahefany tsy toha! Derao Izy noho ny halehibeny diso ohatra!
Derao Izy amim-peon'anjomara! Derao Izy amim-baliha sy lokanga! Derao Izy amin'amponga sy dihy! Derao Izy amin-jejy sy sodina!
Derao Izy amim-kipantso-mikarantsana! Derao Izy amin-kipantsom-pamindràna! Ny manana aina rehetra aoka hidera ny Tompo!

Aleloia. Aleloia.
Izay mitandrina ny didin'i Kristy no manana ny fitiavan'Andriamanitra lavorary ao aminy.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 6, 27-38
« Aoka ho mpamindra fo toy ny Rainareo mpamindra fo ianareo. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny mpianany nanao hoe: “Izao no lazaiko aminareo izay mihaino Ahy: Tiavo ny fahavalonareo, manaova soa an'izay mankahala anareo, misaora an'izay manozona anareo ary mivavaha ho an'izay manisy ratsy anareo. Raha misy mamely ny takolakao anankiray, dia atolory azy koa ny ilany ary raha misy maka ny lambanao, aza sakanana na alainy mbamin'ny akanjonao aza. Omeo izay rehetra mangataka aminao, ary raha misy mifaoka ny anananao, dia aza mitaky izany aminy intsony.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Ry Andriamanitra loharanon'ny fitiavana marina sy ny fiadanana, hahay hanaja Anao avo indrindra anie izahay amin'ireto fanatitra ireto sy hiray fo aman-tsaina, fa miombona anjara amin'izao Sorona izao.

Kômonio Sal. 41, 2-3

Toy ny serfa maniry ranovelona ny fanahiko maniry Anao, ry Andriamanitra! Ny fanahiko mangetaheta an'Andriamanitra, Ilay velona sady mahery!

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, nofahananao sy nomenao hery tamin'ny teninao sy ny hanina masina izahay mino Anao, ka ataovy mahazo voka-tsoa avy amin'ny fanomezan'ny Zanakao malalanao mba ho mendrika hiombona anjara lalandava amin'ny fiainany masina.