Asabotsy 04 septambra 2027

Asabotsy Faharoa amby roapolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

SABOTSY

Tononkira fidirana Sal. 85, 3. 5

Iantrao aho, ry Tompo, fa miantso Anao tontolo andro; Ianao, ry Tompo, no mazava fo sy malemy fanahy, be hatsaram-po amin'izay rehetra miantso Anao!

Fangatahana

Ry Andriamanitry ny hery rehetra, Soa indrindra no Anaranao; ka ataovy tia Anao tokoa ny fonay, herezo hazoto hanompo Anao, velomy izay tsara mba anananay ary tsimbino lalandava izay novelominao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Kôl. 1, 21-23

Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Kôlôsy

« Nampihavaniny aminy ianareo mba hatsangany ho masina sy tsy manan-tsiny. »

Ry kristianina havana, taloha ianareo dia lavitra an'i Kristy sy fahavalony, tamin'ny hevitra aman'asa ratsinareo, fa ankehitriny kosa nampihavanin'Andriamanitra amin'ny Tenan'i Kristy nofo tamin'ny nahafatesany, mba hatsangany masina sy madio ary tsy manan-tsiny eo anatrehany, raha tahiny ianareo maharitra sy miorim-paka mafy amin'ny finoana, ary tsy azo tsoahina hiala amin'ny fanantenana avy amin'ny Evanjely, izay efa renareo sy notorìna taminareo ary nanendrena ahy, Paoly, ho mpandraharaha.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 53, 3-4. 6 sy 8
Fiv.: Indro Andriamanitra manampy ahy.

Andriamanitra ô, vonjeo amin'ny Anaranao aho; omeo rariny amin'ny herinao! Andriamanitra ô, henoy ny talahoko; mampandria sofina amin'ny tenin'ny vavako.
Indro Andriamanitra manampy ahy; ny Tompo no ilay Mpanohana ny fanahiko. Koa avy misorona amin'ny hazavam-ponao aho! Eny, ry Tompo; tonga hidera ny hasoan'ny Anaranao!

Aleloia. Aleloia.
Asehoy ahy, ry Tompo ny lalanao, ary tariho amin'ny lala-mahitsy aho.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'Md. Lioka

Lk. 6, 1-5
« Nahoana ianareo no manao ny tsy fanao amin'ny Sabata? »

Indray Sabata, raha nandeha namaky ny tanimbary i Jesoa, dia nioty salohim-bary ny mpianany, ka nohaniny nony efa nokosokosohiny tamin'ny tanany. Dia hoy ny Farisianina sasany taminy: “Nahoana ianareo no manao ny tsy fanao amin'ny Sabata?” Ary i Jesoa namaly azy hoe: “Tsy novakinareo va izay nataon'i Davida raha noana izy mbamin'izay nanaraka azy, fa niditra tao an-tranon'Andriamanitra izy ka naka ny mofo alahatra, dia nihinana izany sy nanome izay nanaraka azy koa, nefa tsy misy mahazo mihinana azy afa-tsy ny mpisorona ihany?” Sady nampiany hoe: “Ny Zanak'Olona no tompon'ny Sabata.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Hirotsaka aminay mandrakariva anie, ry Tompo, ny tso-dranom-pamonjena avy amin'itý tolotra masina itý, ka ho tanteraka ny soa tsy hita maso ambarany.

Kômonio Sal. 30, 20

Tompo ô, akory itý haben'ny hatsaranao izay omaninao ho an'ny matahotra Anao!

Vavaka aorian’ny Kômonio

Nomenao hery tamin'ny mofo avy any an-danitra izahay, ry Tompo, ka mitalaho aminao: enga anie hankahery ny fonay izao sakafo avy aminao be fitiavana izao ka hamporisika anay hanompo ny namanay noho ny fitiavana Anao.