Asabotsy 28 aogositra 2027

Asabotsy Faharaika amby roapolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

SABOTSY

Tononkira fidirana Sal. 85, 1-3

Anongilano sofina aho, ry Tompo, ka valio. Andriamanitra ô, vonjeo itý mpanomponao matoky Anao. Iantrao aho, ry Tompo, fa miantso Anao tontolo andro!

Fangatahana

Ry Andriamanitra mampiray fo aman-tsaina ny mpino, tariho izahay vahoakanao ho tia ny didinao sy haniry izay nampanantenainao mba hifikitra amin'ny tena hasambarana ny fonay eto anivon'itý fiainana miovaova itý.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany 1 Tes. 4, 9-12

Taratasy voalohan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Tesalônika

« Ny tenanareo no nampianarin'Andriamanitra hifankatia mba hifankatiavanareo. »

Ry kristianina havana, ny amin'ny fifankatiavan'ny mpirahalahy, dia tsy ilaina ny hanoratana izany aminareo, satria tenanareo no nampianarin'Andriamanitra hifankatia sady efa manao izany rahateo amin'ny rahalahy rehetra eran'i Masedônia ianareo. Miangavy aminareo anefa izahay, ry kristianina havana, mba handroso kokoa mandrakariva amin'izany. Mahaiza miaina amim-piadanana, sy manatanteraka tsara ny raharahanareo, ary miasa tanana araka ny nandidianay anareo, mba handehananareo amim-pahamendrehana amin'izay eo ivelany, sy tsy hiankinanareo amin'olona foana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 97, 1. 7-8. 9
Fiv.: Tamy ny Tompo hitsara ireo vahoaka araka ny hitsiny.

Ihirao hiravao ny Tompo: fa nahavita zava-mahagaga! Namonjy Azy ny tanany havanana, nanampy Azy ny sandriny masina!
Aoka hidobodoboka ny ranomasina sy izay mameno azy, izao rehetra izao sy izay monina ao aminy! Ny ony aoka hiteha-tanana; ny vohitra indray hanakora.
Mba hitsena ny Tompo izay tamy! Fa tamy Izy mba hitsara ny tany, hitsara ny tontolo araka ny rariny, sy ireo vahoaka araka ny hitsiny!

Aleloia. Aleloia.
Ny Rain'i Jesoa Kristy Tompontsika no nampahiratra ny masom-panahintsika mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 25, 14-30
« Satria nahatoky tamin'ny zavatra kely ianao, dia miaraha mifaly amin'ny tomponao. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa nilaza itý fanoharana itý tamin'ny mpianany nanao hoe: “Andriamanitra hanao tahaka ny lehilahy anankiray handeha hivahiny ka niantso ny mpanompony sy nametraka ny fananany taminy. Ny anankiray nomeny talenta dimy, ny anankiray roa, ary ny anankiray iray; samy araka ny fahaizany avy dia lasa nandeha izy. Ilay nandray talenta dimy dia nandeha nampiasa izany, ka nahazo tombom-barotra dimy koa. Toraka izany ilay nandray roa dia nahazo tombom-barotra roa koa; fa ilay tsy nandray afa-tsy talenta iray kosa, nandeha nihady tany, dia naleviny tao ny volan'ny tompony.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Tompo ô, Sorona tokana no nanangananao vahoaka maro ho firenenao, koa ataovy miray fo sy miadan-tsaina ny Eglizinao.

Kômonio Sal. 103, 13-15

Tompo ô, lonaky ny andon'ny Ianitrao ny tany, ka ataonao mahavokatra ny mofo hamelona anay sy ny divay mampifaly ny fon'ny olombelona.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, enga anie hanasitrana anay tanteraka ny Fonao antra hahavitanay asa mendrika hankasitrahanao.