Alarobia 25 aogositra 2027
Fanombohana ny Sorona Masina
Anongilano sofina aho, ry Tompo, ka valio. Andriamanitra ô, vonjeo itý mpanomponao matoky Anao. Iantrao aho, ry Tompo, fa miantso Anao tontolo andro!
Ry Andriamanitra mampiray fo aman-tsaina ny mpino, tariho izahay vahoakanao ho tia ny didinao sy haniry izay nampanantenainao mba hifikitra amin'ny tena hasambarana ny fonay eto anivon'itý fiainana miovaova itý.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasy voalohan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Tesalônika
Ry kristianina havana, he tsaroanareo ny fikelezana aina amam-pisasaranay, fa sady niasa andro aman'alina izahay, no nitory ny Evanjelin'Andriamanitra tany aminareo, mba tsy hahavaky tratra olona na dia iray taminareo aza. Ianareo no vavolombelona, ary Andriamanitra koa, fa masina sy marina ary tsy nanan-tsiny teo imasonareo izay mino, ny fitondran-tenanay; hoatra ny fanaon-dray aman-janaka no nataonay taminareo tsirairay avy, araka ny hitanareo; fa nananatra anareo izahay, nanala alahelo anareo, namepetra anareo mafy mba handehananareo mendrika an'Andriamanitra, izay niantso anareo ho amin'ny fanjakany sy ny voninahiny. Noho izany, dia tsy tapaka ny misaotra an'Andriamanitra koa izahay satria tamin'ny nandraisanareo ny tenin'Andriamanitra notorinay, dia tsy noraisinareo ho tenin'ny olombelona izany, fa noraisinareo araka ny marina tokoa, ho tenin'Andriamanitra, izay miasa ao anatinareo efa mino.
Aiza no hialako amin'ny fofon'ainao? Aiza no handosirako tsy ho anoloanao? Raha mananika ny lanitra aho, any Ianao; mitokoko any an-tSeoly, io koa Ianao.
Raha maka ny elatry ny mazava atsinanana aho, mba honina any am-paran'ny ranomasina, mbola ny tananao no mitondra ahy any, eny: ny tananao no mitantana.
Ka hoy aho hoe: Ny haizina no aoka hanarona! Ny alina no hifonosako! Kanjo na ny haizina aza, tsy maizina aminao; ny alina avy no mazava toy ny andro.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 23, 27-32Tamin'izany andro izany, i Jesoa nanao hoe: “Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa tahaka ny fasana voalalotra fotsy ianareo eto ivelany ka miseho ho tsara, fa ao anatiny feno taolam-paty sy olitra. Toy izany koa, ianareo eto ivelany miseho ho marina eo imason'ny olona, nefa ao anatinareo feno fihatsarambelatsihy sy faharatsiana. Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa manamboatra ny fasan'ny mpaminany ianareo sady manisy haingony ny tsangam-baton'ny olo-marina ka manao hoe: 'Raha izahay no mba tamin'ny andron'ny razanay, dia tsy ho niray tetika taminy, handatsaka ny ran'ny mpaminany izahay.' Koa amin'izany ny tenanareo ihany no mitsangan-ko vavolombelona fa zanak'izay namono ny mpaminany ianareo. Fenoy àry ny famaran'ny razanareo!”
Fankalazana ny Eokaristia
Tompo ô, Sorona tokana no nanangananao vahoaka maro ho firenenao, koa ataovy miray fo sy miadan-tsaina ny Eglizinao.
Tompo ô, lonaky ny andon'ny Ianitrao ny tany, ka ataonao mahavokatra ny mofo hamelona anay sy ny divay mampifaly ny fon'ny olombelona.
Mihanta aminao izahay, ry Tompo, enga anie hanasitrana anay tanteraka ny Fonao antra hahavitanay asa mendrika hankasitrahanao.