Zoma 20 aogositra 2027
Fanombohana ny Sorona Masina
Jereo, ry Andriamanitra mpanasoa anay. Todiho ny tavan'i Kristy Zanakao. Andro iray ao an-kianjanao dia tsara noho ny arivo lavitra Anao.
Andriamanitra ô, Ianao nanomana soa tsy hita maso ho an'izay tia Anao; ka alatsaho ao am-ponay ny afom-pitiavana Anao hitiavanay Anao ao amin'ny zavatra rehetra sy ambonin'ny zavatra rehetra, ka hahazoanay ny soa lavorary nampanantenainao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Fiantombohan'ny Bokin'i Rota
Tamin'ny andron'ny Mpitsara, dia nisy mosary teo amin'ny tany. Ary nisy lehilahy anankiray, avy ao Betleema any Jodà, nandeha nitoetra tany amin'ny tanin'i Môaba, niaraka tamin'ny vadiny sy ny zanany roa lahy. Ary maty i Elimeleka vadin'i Nôemi, ka izy irery sisa sy ny zanany roa lahy. Naka vady tamin'ny vehivavy Môabita izy ireo, ny iray natao hoe Orfà, ary ny iray natao hoe Rota, dia nipetraka teo sahabo ho folo taona izy ireo. Fa maty daholo koa izy roa lahy dia i Mahalôna sy i Seljôna, ary ravehivavy irery sisa, fa maty ny zanany roa lahy sy ny vadiny.
Sambatra izay manana ho Mpitahy ny Andriamanitr'i Jakôba sy mametraka ny tokiny amin'ny Andriamanitra Tompony. Ilay nanao ny lanitra, ny tany sy ny riaka, sy izay rehetra ao amin'ireny.
Ilay mitandrina mandrakariva ny fahamarinana sy manome rariny ny ampahoriana! Ilay mamahana ny noana, Tompo mamaha ny mpifatotra.
Tompo mampahiratra ny jamba, Tompo mampitraka ny miondrika, Tompo tia ny olo-marina, Tompo mpiaro ny vahiny.
Tohan'ny kamboty sy ireo mpitondratena; fa mampiviona kosa ny olon-dratsy. Tompo manjaka mandrakizay; dia ny Andriamanitrao, ry Siôna, amin'ny taona mifandimby!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 22, 34-40Tamin'izany andro izany, ren'ny Farisianina fa nataon'i Jesoa tsy nanan-kalahatra ny Sadoseanina, dia nivory izy rehetra; ary ny anankiray izay mpahay lalàna tamin'izy ireo nanontany Azy mba haka fanahy Azy hoe: “Ry Mpampianatra ô, inona no didy lehibe indrindra amin'ny lalàna?” Ary hoy i Jesoa taminy: “Tiava ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra, sy amin'ny fanahinao rehetra, ary amin'ny sainao rehetra. Izany no didy sady zokiny indrindra no voalohany; ary ny faharoa izay tahaka ny voalohany ihany dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. Ao amin'izany didy roa izany ny lalàna rehetra sy ny mpaminany.”
Fankalazana ny Eokaristia
Mba raiso, ry Tompo, ny fanatitra ifandraisanay aminao avo indrindra; ny nomenao no atolotray, ka enga anie izahay ho mendrika handray Anao Andriamanitra.
Hatsaram-po sy fanavotana lehibe no ao amin'ny Tompo!
Tompo ô, izao Sakramenta izao no iraisanay amin'i Kristy; koa mitalaho aminao mora fo izahay: enga anie hitovy endrika aminy etý an-tany ary hiray lova aminy any an-danitra.