Alarobia 18 aogositra 2027
Fanombohana ny Sorona Masina
Jereo, ry Andriamanitra mpanasoa anay. Todiho ny tavan'i Kristy Zanakao. Andro iray ao an-kianjanao dia tsara noho ny arivo lavitra Anao.
Andriamanitra ô, Ianao nanomana soa tsy hita maso ho an'izay tia Anao; ka alatsaho ao am-ponay ny afom-pitiavana Anao hitiavanay Anao ao amin'ny zavatra rehetra sy ambonin'ny zavatra rehetra, ka hahazoanay ny soa lavorary nampanantenainao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'ny Mpitsara
Tamin'izany andro izany, dia nivory ny mponina rehetra tao Sikema mbamin'ny ankohonan'i Melao rehetra, ka tonga izy ary nampanjaka an'i Abimeleka, teo amin'ny terebintan'ny tsangambato any Sikema. Nony nilazana izany i Jôatama, dia lasa nitsangana teo an-tampon'ny tendrombohitra Garizima, ka nanandratra ny feony, nanao hoe: “Henoy aho, ry mponina ao Sikema, mba hihainoan'Andriamanitra anareo koa.
Tompo ô, ny mpanjaka mifaly amin'ny herinao sy miravo aoka izany amin'ny fandresenao! Izay irin'ny fony omenao; ny vavaky ny molony tsy lavinao!
Tsenainao tso-drano mahasambatra izy; ny lohany asianao fehiloha volamena. Ny fiainana angatahiny omenao: dia andro mitandavana mandrakizay!
Lehibe ny voninahiny noho ny fandresenao: fiandrianana sy laza no arakotrao azy. Ataonao fitso-drano mandrakizay izy, fenoinao hafaliana eo anoloanao.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 20, 1-16aTamin'izany andro izany, i Jesoa nanao itý fanoharana itý tamin'ny mpianany: “Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny lehilahy tompon-trano, izay nivoaka marainakoa hanakarama mpiasa ho any an-tanim-boalobony. Ary rahefa nifanaiky tamin'ny mpiasa izy fa denie iray avy isan'andro ny karamany, dia nasainy hankany an-tanim-boalobony izy ireo.
Fankalazana ny Eokaristia
Mba raiso, ry Tompo, ny fanatitra ifandraisanay aminao avo indrindra; ny nomenao no atolotray, ka enga anie izahay ho mendrika handray Anao Andriamanitra.
Hatsaram-po sy fanavotana lehibe no ao amin'ny Tompo!
Tompo ô, izao Sakramenta izao no iraisanay amin'i Kristy; koa mitalaho aminao mora fo izahay: enga anie hitovy endrika aminy etý an-tany ary hiray lova aminy any an-danitra.