Alatsinainy 16 aogositra 2027

Alatsinainy Faharoapolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 83, 10-11

Jereo, ry Andriamanitra mpanasoa anay. Todiho ny tavan'i Kristy Zanakao. Andro iray ao an-kianjanao dia tsara noho ny arivo lavitra Anao.

Fangatahana

Andriamanitra ô, Ianao nanomana soa tsy hita maso ho an'izay tia Anao; ka alatsaho ao am-ponay ny afom-pitiavana Anao hitiavanay Anao ao amin'ny zavatra rehetra sy ambonin'ny zavatra rehetra, ka hahazoanay ny soa lavorary nampanantenainao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Mpits. 2, 11-19

Bokin'ny Mpitsara

« Nanangana mpitsara ny Tompo, kanefa tsy nohenoiny izy ireo. »

Tamin'izany andro izany, nanao ratsy teo imason'ny Tompo ny zanak'i Israely, fa nanompo an'ireo Baala. Nafoiny ny Tompo Andriamanitry ny razany, izay nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Ejipta; fa andriamani-kafa, tamin'ireo andriamanitry ny firenena manodidina azy no narahiny, sy niankohofany teo anatrehany, ka nampahatezitra ny Tompo izy ireo. Fa ny Tompo nilaozany, ary i Baala sy ny Astarte notompoiny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 105, 34-35. 36-37. 39-40. 43ab sy 44
Fiv.: Tsarovy izahay, ry Tompo, izay tia ny vahoakanao.

Ireo olona voalazan'ny Tompo dia tsy naringany velively. Niharo tamin'ireo firenena izy, sady nianatra ny fanaony.
Ny sampin'izy ireo notompoiny, ka tonga fandrika ho azy. Nosoroniny ho an-dolo ny zanany lahy aman-janany vavy.
Voazimban'ny nataony izy ireo, zary janga noho ny asany. Koa nirehetan'ny haviniran'ny Tompo ny vahoakany, tonga halany mainty ny lovany.
Matetika anefa nafahany ihany; kanjo niasa nikomy sy nihombo hadisoana. Kanjo hitany ny fahaporetany; henony ny ferin'ny ainy.

Aleloia. Aleloia.
Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, sy hanarahako azy amin'ny foko tontolo.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 19, 16-22
« Raha tianao ny ho lavorary, andeha amidio ny fanananao, dia hanan-drakitra any an-danitra ianao. »

Indray andro, nisy olona anankiray nanatona an'i Jesoa ka nilaza hoe: “Ry Mpampianatra tsara ô, inona no tsara hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay? Dia hoy Izy namaly azy: Ahoana àry no iantsoanao Ahy hoe tsara? Iray ihany no tsara, dia Andriamanitra; ka raha te-hiditra any amin'ny fiainana ianao, tandremo ny didy.” Dia hoy izy hoe: “Didy inona avy?” Dia hoy i Jesoa: “Aza mamono olona, aza mijangajanga, aza mangalatra, aza mety ho vavolombelona tsy marina, manajà ny rainao aman-dreninao, ary tiava ny namanao tahaka ny tenanao.” Dia hoy ilay tovolahy taminy: “Hatra ny fony mbola kely aho no efa nitandrina izany rehetra izany, ka inona no mbola tsy ampy amiko?” Ary hoy i Jesoa taminy: “Raha tahîny tianao ny ho lavorary, andeha amidio ny fanananao, ka omeo ny mahantra, dia hanan-drakitra any an-danitra ianao; ary rahefa izany, dia avia hanaraka Ahy.” Nony nandre izany teny izany ilay zatovo, dia niala tamin'alahelo, satria be ny fananany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, ny fanatitra ifandraisanay aminao avo indrindra; ny nomenao no atolotray, ka enga anie izahay ho mendrika handray Anao Andriamanitra.

Kômonio Sal. 129, 7

Hatsaram-po sy fanavotana lehibe no ao amin'ny Tompo!

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, izao Sakramenta izao no iraisanay amin'i Kristy; koa mitalaho aminao mora fo izahay: enga anie hitovy endrika aminy etý an-tany ary hiray lova aminy any an-danitra.