Alarobia 11 aogositra 2027
Fanombohana ny Sorona Masina
Tsarovy, ry Tompo, ny fanekena nataonao ary tsinjovy mandrakariva ny ain'ireo mahantranao; mitsangàna Ianao, ry Tompo, ombao ny adinao, ary aza hadino ny fihantsian'ireo mila ady aminao.
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, sahinay antsoina hoe Ray Ianao; ka mba ataovy lavorary ao am-ponay ny fanahy nanangananao anay ho zanakao hahamendrika anay hahazo ny lova nampanantenainao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky Deteronômy
Tamin'izany andro izany, niakatra avy eo an-tany lemak'i Môaba i Môizy, nankany an-tendrombohitra Nebao, ao an-tampon'i Fasgà, tandrifin'i Jerikao. Ary nasehon'ny Tompo azy avokoa ny tany rehetra, dia Galaada hatrany Dana, Neftali rehetra mbamin'ny tanin'i Efraima sy i Manase, ny tanin'i Jodà rehetra, hatramin'ny Ranomasina andrefana, ny Negeba, ny faritanin'i Jordany, ny lohasahan'i Jerikao, dia ny tanànan'ny rofia hatrany Segôra. Dia hoy ny Tompo taminy: “Io ny tany izay nianianako tamin'i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba hoe: “Homeko ny taranakao izany.” Nataoko nahita maso azy ianao, nefa tsy hiditra eny ianao.” Teo no nahafatesan'i Môizy, mpanompon'ny Tompo, dia teo amin'ny tany Môaba, araka ny didin'ny Tompo. Ary naleviny teo an-dohasaha, amin'ny tanin'i Môaba, tandrifin'i Bet-Fôgôra izy. Ary tsy misy olona mahalala ny fasany mandraka androany. Efa roapolo amby zato taona i Môizy no maty, nefa ny fahiratany tsy nihena, ny tanjany tsy niala taminy. Nisaona an'i Môizy, telopolo andro tao amin'ny tany lemak'i Môaba ny zanak'i Israely ka tapitra ny andro fitomaniana tamin'ny fisaonana an'i Môizy.
Hobio Andriamanitra, ry tany tontolo! Antsao ny Anarany be voninahitra! Miderà Azy, ka miantsoa hoe: Eny, mahatahotra Ianao, ry Andriamanitra.
Tongava hizaha ny Asan'Andriamanitra! Mahatahotra itý nataony ho an'ny zanak'olombelona! Misaora an'Andriamanitra rey vahoaka! Redòny ny feo fiderana Azy!
Tongava avokoa izay matahotra an'Andriamanitra! Mihainoa hitantarako izay nataony tamiko: dia Izy Ilay fiantsan'ny vavako sy fideran'ny lelako!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 18, 15-20Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny mpianany nanao hoe: “Raha diso taminao ny rahalahinao, dia manatona azy; ka rahefa mitokana ianareo, dia asehoy azy ny hadisoany. Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao; fa raha tsy mihaino anao izy, makà olona iray na roa hiaraka aminao mba ho tapaka noho ny teny hataon'ny vavolombelona roa na telo ny raharaha rehetra. Raha tsy mihaino azy ireo izy, dia ambarao amin'ny Eglizy; ary raha tsy mihaino ny Eglizy koa, dia ataovinao tahaka ny jentily sy ny poblikanina. Lazaiko marina aminareo fa na inona na inona hofehezinareo etý ambonin'ny tany dia ho voafehy any an-danitra; ary na inona na inona hovahanareo etý ambonin'ny tany, dia ho voavaha any an-danitra. Ary izao koa no lazaiko aminareo: raha misy roa aminareo mifanaiky etý ambonin'ny tany, na inona na inona angatahiny dia ho azony avy amin'ny Raiko izay any an-danitra izany. Fa na aiza na aiza iangonan'ny olona roa na telo amin'ny Anarako, dia eo afovoany Aho.”
Fankalazana ny Eokaristia
Mba raiso amin'ny fo tony, ry Tompo, ny tolotra avy amin'ny Eglizinao, fa nomenao tsara fo mba hatolotra Anao ary ovan'ny herinao ho Sorona famonjena anay.
Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema! fa manome vary matsiro mahavoky.
Tompo ô, enga anie hahazoanay ny famonjena ny Kômonio noraisinay ka haharitra amin'ny tena fahazavana marina izahay.