Alatsinainy 09 aogositra 2027
Fanombohana ny Sorona Masina
Tsarovy, ry Tompo, ny fanekena nataonao ary tsinjovy mandrakariva ny ain'ireo mahantranao; mitsangàna Ianao, ry Tompo, ombao ny adinao, ary aza hadino ny fihantsian'ireo mila ady aminao.
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, sahinay antsoina hoe Ray Ianao; ka mba ataovy lavorary ao am-ponay ny fanahy nanangananao anay ho zanakao hahamendrika anay hahazo ny lova nampanantenainao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky Deteronômy
Niteny tamin'ny vahoaka i Môizy nanao hoe: “Ary ankehitriny, ry Israely, inona moa no angatahin'ny Tompo Andriamanitrao aminao afa-tsy ny mba hatahoranao ny Tompo Andriamanitrao, amin'ny fizoranao eo amin'ny lalany rehetra, sy amin'ny fitiavanao ary fanompoanao ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy amin'ny fanahinao rehetra; ary amin'ny fitandremanao ny didin'ny Tompo sy ny lalàny izay andidiako anao anio, mba ho sambatra ianao? Jereo fa an'ny Tompo Andriamanitrao ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra, ary ny tany mbamin'izay rehetra ao aminy. Kanefa ny razanao ihany no niraiketan'ny Tompo ho tiany; ary ny taranany nandimby azy, dia ianareo, no nofidiny tamin'ny vahoaka rehetra, araka izao hitanareo anio izao
Ry Jerosalema aoka ianao hiantsa, derao Andriamanitra, ry Siôna! Ilay manamafy ny vavahady, miahy ireo ankizy ao anatinao.
Miantoka anao handry fehizay, manetsaka anao mena-bary kanto. Mandefa ny didiny ho etý an-tany, dia teny miriotra tsy hay tohaina!
Nametraka ny hafany ho an'i Jakôba, ny didy aman-tsatany ho an'i Israely! Tsy misy olon-kafa nomeny izany. Ny satany manko nafeniny azy.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 17, 21-26Tamin'izany andro izany, raha nitety an'i Galilea i Jesoa sy ny mpianany, dia hoy i Jesoa taminy: “Efa hatolotra eo an-tanan'ny olona ny Zanak'Olona, ary hovonoina Izy, nefa hitsangana amin'ny andro fahatelo.” Dia nalahelo mafy izy ireo.
Fankalazana ny Eokaristia
Mba raiso amin'ny fo tony, ry Tompo, ny tolotra avy amin'ny Eglizinao, fa nomenao tsara fo mba hatolotra Anao ary ovan'ny herinao ho Sorona famonjena anay.
Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema! fa manome vary matsiro mahavoky.
Tompo ô, enga anie hahazoanay ny famonjena ny Kômonio noraisinay ka haharitra amin'ny tena fahazavana marina izahay.