Alatsinainy 02 aogositra 2027
Fanombohana ny Sorona Masina
Andriamanitra ô! afaho re aho! Tompo ô, faingàna hamonjy ahy! Ianao mpitahy sy mpanafaka ahy, aza ela, ry Tompo!
Tahio hatrany izahay mpanomponao, ry Tompo, ary ombao fitiavana lalandava, fa efa sambatra sy tretrika izahay manana Anao Mpahary sy Mpitantana ka havaozy ho sitrakao ny arin-tananao ary tahirizo tsy ho simba izay nohavaozinao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky Fanisana
Tamin'izany andro izany, rafitra nitomany indray ny zanak'i Israely nanao hoe: “Iza re no mba hanome hena hohahinay? Tsaroanay izany hazandrano nohaninay maimaim-poana tany Ejipta, ny voatango, ny voanketsihetsy, ny tongolo sy ny tongolon-kova. Izao kosa maina ny ainay; tsy misy na inona na inona intsony; tsy mahita afa-tsy ny mana ny masonay.” Nitovy amin'ny voan-koriandra ny mana, toy ny bdeliôma ny tarehiny. Nihahaka nanangona azy ny vahoaka, dia nanorotoro azy tamin'ny vato fitotoambary, na nitoto azy tamin'ny laona, dia nahandro azy tamin'ny vilany sy nanao mofo aminy. Sahala amin'ny mofomamy misy diloilo ny tsirony. Amin'ny alina filatsahan'ny ando amin'ny toby, no nilatsahan'ny mana ao koa.
Kinanjo ny oloko tsy mihaino, i Israely manosika Ahy! Izao izy avelako hanao ny tiany, hanaraka tsara izay sitra-pony.
Indrisy, raha nihaino Ahy ireo olon-tiako, ka i Israely nanaraka Ahy. Dia ho noreseko ny fahavalo, ny rafy ho nasiako tokoa tokoa.
Ireo mpankahala ho nandadilady, ho nanaiky resy tanteraka izy! Ny oloko ho nomeko vary kanto, niampy tantely tam-batolampy.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 14, 13-21Tamin'izany andro izany, nony nandre ny nahafatesan'i Joany Batista i Jesoa, dia niala teo ka niondrana an-tsambo kely mba hitokana samirery any an'efitra fa rahefa nahare izany ny vahoaka, dia niainga avy amin'ny tanàna samihafa ka nandeha an-tongotra nanaraka Azy. Rahefa niala tao an-tsambo kely Izy, dia nangoraka nahita ireto vahoaka betsaka, ka nositraniny ny marary teo aminy.
Fankalazana ny Eokaristia
Mitalaho an-tanan-androa aminao izahay, ry Tompo be indrafo, mba hamasino ireto fanatitra ireto; ary efa noraisinao ny tolotray, ka mba raiso koa izahay ho fanatitra tsy lefy mandrakizay.
Nomenao mofo avy any an-danitra izahay, ry Tompo, dia mofo manana tsiro isan-karazany no sady ankafizin'ny olona rehetra.
Tompo ô, ombao fitahiana lalandava ireo vao nohavaozinao tamin'ny sakafo avy any an-danitra; ary tsy mitsaha-mankahery azy Ianao, ka ataovy izay hahamendrika azy hahazo ny fanavotana mandrakizay.