Talata 27 jolay 2027
Fanombohana ny Sorona Masina
Andriamanitra ao amin'ny toerany masina; mampiditra ny olony ao an-tranony, manome hery sy tanjaka ny vahoakany.
Andriamanitra ô, Ianao no vonjin'izay miankina aminao ary raha tsy Ianao, tsy misy na inona na inona vanona na masina; koa noho ny famindram-ponao tsy misy fetra dia tahio izahay mampiasa ny zava-mandalo eto an-tany mba tsy ho very anjara amin'ny harena mandrakizay.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky Eksaody
Tamin'izany andro izany, dia nalain'i Môizy ny trano lay, ka naoriny eo ivelan'ny toby, lavidavitra ihany; nataony hoe: “Ny trano lay fihaonana” no anarany; ary na zovy na zovy nitady ny Tompo dia nankeo amin'ny trano lay fihaonana teo ivelan'ny toby. Nony injay miainga i Môizy ho ao an-trano lay fihaonana, ny vahoaka rehetra kosa samy mitsangana eo am-baravaran'ny lay manara-maso an'i Môizy mandra-pidiny ao an-trano lay. Raha vao tafiditra ao an-day i Môizy, ny andry rahona midina mijanona eo anoloan'ny trano lay, ary ny Tompo miresaka amin'i Môizy. Mahita ny andry rahona mijanona eo anoloan'ny trano lay ny vahoaka rehetra ary samy miankohoka eo am-baravaran'ny lainy avy. Ary ny Tompo miresaka mifanatrika amin'i Môizy, mova tsy ny olona miresaka amin'ny sakaizany. Rahefa izany dia miverina mankany amin'ny toby i Môizy, fa i Jôsoe zanak'i Nôna, ilay zatovolahy mpanompony, tsy mba niala tao afovoan'ny trano lay.
Manome rariny ny Tompo; omeny hitsiny izay ampahoriana rehetra. Nampahafantatra ny Lalàny an'i Môizy Izy, sy ny asany vaventy... ny zanak'i Israely.
Mpamindra fo sy mpiantra ny Tompo; tsy malaky tezitra ary be hatsaram-po. Tsy mba lalandava no ifandaharany, na mandrakizay no irehetan'ny Fony.
Tsy araka ny otantsika no ataony antsika; na araka ny helotsika no avaliny antsika. Fa tahaka ny haavon'ny Lanitra ambonin'ny tany, no haben'ny hatsaram-pony amin'izay matahotra Azy.
Tahaka ny ifanalaviran'ny atsinanana sy andrefana, no analavirany amintsika ny hadisoantsika. Tahaka ny fangoraky ny ray ny zanany, no angorahan'ny Tompo an'izay matahotra Azy.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 13, 36-43Tamin'izany andro izany, nony efa nampody ny vahoaka i Jesoa dia mba nody, ary nanatona Azy ny mpianany nanao hoe: “Lazao anay ny hevitry ny fanoharana ny amin'ny ahi-dratsy.” Ary i Jesoa namaly ka nilaza taminy hoe: “Ny mpamafy ny voa tsara dia ny Zanak'Olona; ny tanimbary dia izao tontolo izao; ny voa tsara dia ny zanaky ny Fanjakana; ny ahi-dratsy dia ny zanak'ilay Ratsy; ny fahavalo izay namafy azy, dia ny demony; ny taom-pijinjana, dia ny fahataperan'izao tontolo izao; ary ny mpijinja, dia ny Anjely. Tahaka ny anangonana ny ahi-dratsy sy andorana azy amin'ny afo no hatao raha mby amin'ny fahataperan'izao tontolo izao. Haniraka ny Anjeliny ny Zanak'Olona, ary ireo dia hanangona sy hamoaka ny mpanafintohina sy ny mpanao ratsy rehetra hiala amin'ny Fanjakany, ka hanipy azy ao amin'ny memy mirehitra: any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify. Amin'izany kosa ny olo-marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro any amin'ny Fanjakan'ny Rainy. Aoka hihaino izay manan-tsofina hihainoana.”
Fankalazana ny Eokaristia
Mihanta aminao izahay, ry Tompo, mba raiso ny tolotray fa avy aminao mazava fo sy malala-tanana ka noho ny herin'ny fahasoavanao, enga anie itý mistery itý hanamasina anay eto anivon'ny fiainana ankehitriny ary hitondra anay any amin'ny hasambarana mandrakizay.
Isaory ny Tompo, ry fanahiko, aza misy hadinoina ny soa avy aminy.
Tompo ô, avy nandray ny Kômonio masina fahatsiarovana ny fijalian'ny Zanakao izahay, koa mihanta aminao: enga anie hitondra vonjy ho anay izany fanomezana izany fa avy amin'Ilay fatra-pitia anay.