Asabotsy 17 jolay 2027

Asabotsy Fahadimy ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

SABOTSY

Tononkira fidirana Sal. 16, 15

Hohamarinina aho ka hiseho eo anatrehanao; hiala liana mibanjina ny voninahitrao.

Fangatahana

Andriamanitra ô, Ianao mampiposaka ny hazavan'ny fahamarinanao hampody lalana ireo naniasia: koa tahio ireo manaraka ny finoana kristianina mba hitsipaka izay mifanohitra amin'ny anarana entiny sy hifikitra amin'izay tena maha-kristianina azy.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Eks. 12, 37-42

Boky Eksaody

« Izany alina izany, no namoahan'ny Tompo an'i Israely tamin'ny tany Ejipta. »

Tamin'izany andro izany, niala tao Ramsesa ny zanak'i Israely dia nankany Sokôta; sahabo ho enina hetsy izy no olona nandeha tongotra afa-tsy ny ankizy. Nisy koa olona be dia be, samihafa karazana, niara-niakatra taminy, mbamin'ny andian'ondry aman'omby maro be. Nandrahoiny nataony mofo fisaka tsy voaisy lalivay ny koba nentiny avy any Ejipta; fa tsy voaisy lalivay, satria noroahina izy tany Ejipta ka tsy nahazo niatoato na naka vatsy hoentiny akory.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 135, 1 sy 23-24. 10-12. 13-15
Fiv.: Fa mandrakizay ny famindram-pony.

Isaory ny Tompo fa tsara! Eny! mandrakizay ny hatsaram-pony! Ilay nahatsiaro antsika nijaly, eny, mandrakizay ny hatsaram-pony, sy nisarika antsika tamin'ny mpampahory! Eny! mandrakizay ny hatsaram-pony!
Ilay nikapoka an'i Ejipta: dia ny Lahimatoany! Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony! Sy namoaka an'i Israely teo aminy; eny, mandrakizay ny hatsaram-pony! tamin'ny tana-mahery sy sandry mihinjitra! Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony!
Ilay nanilaka roa ny riakan-jozoro; eny, mandrakizay ny famindram-pony! nampandalo an'i Israely teo anivony; eny, mandrakizay ny famindram-pony! nanipy an'i Faraôna sy ny tafiny tao! Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony!

Aleloia. Aleloia.
Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon'ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 12, 14-21
« Norarany izy ireo tsy hanao izay hahafantarana Azy mba ho tanteraka ny teny nolazainy. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa nanasitrana lehilahy iray tamin'ny andro sabata. Ka lasa nivoaka ny Farisianina ary niara-nioko ny amin'izay hahafaty Azy. Fa nahalala izany i Jesoa ka dia niala teo. Maro ny vahoaka nanaraka Azy, ka nositraniny izay rehetra narary tamin'ireny; nefa noraràny izy ireo tsy hanao izay hahafantarana Azy, mba ho tanteraka ny tenin'i Izaia mpaminany hoe: Indro ny Mpanompoko izay nofidîko, dia ilay malalako izay ankasitrahan'ny foko indrindra; hapetrako ao aminy ny Fanahiko, ary hanambara ny marina amin'ny Jentily izy. Tsy hifanditra izy, na hiantso mafy, ary tsy hisy handre ny feony eny an-dalana; tsy hanapaka ny volotara vaky izy, na hamono ny lahin-jiro manetona, ambarapamoakany ny rariny ho mpandresy; ary ny Jentily hitoky amin'ny anarany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Topazo maso miantra, ry Tompo, ireto fanatitry ny Eglizy mitalaho aminao, ary mba omeo ny mpino rehetra ny vatsy natao hampitombo fahamasinana azy.

Kômonio Sal. 83, 4-5

Ny fody mahita trano, ny sidintsidina mahita akany ho an-janany ao amin'ny tempolinao, ry Tompon'ny hery rehetra, ry Mpanjakako sy Andriamanitro. Ka sambatra izay monina ao an-tranonao, fa hidera Anao mndrakizay izy ireo.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, nandray ny fanomezanao masina izahay, ka enga anie ny fandraisanay Kômonio matetika hampitombo ny vokatry ny famonjena anay.